< Levitikosy 13 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
locutus est Dominus ad Mosen et Aaron dicens
2 Raha misy mamontsina eo amin’ ny hoditry ny nofon’ ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin’ ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin’ i Arona mpisorona izy, na ho eo amin’ izay iray amin’ ny mpisorona, zanak’ i Arona;
homo in cuius carne et cute ortus fuerit diversus color sive pustula aut quasi lucens quippiam id est plaga leprae adducetur ad Aaron sacerdotem vel ad unum quemlibet filiorum eius
3 koa raha zahan’ ny mpisorona ny aretina eo amin’ ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan’ ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
qui cum viderit lepram in cute et pilos in album mutatos colorem ipsamque speciem leprae humiliorem cute et carne reliqua plaga leprae est et ad arbitrium eius separabitur
4 Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin’ ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
sin autem lucens candor fuerit in cute nec humilior carne reliqua et pili coloris pristini recludet eum sacerdos septem diebus
5 Ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin’ ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
et considerabit die septimo et siquidem lepra ultra non creverit nec transierit in cute priores terminos rursum includet eum septem diebus aliis
6 ary raha zahan’ ny mpisorona indray amin’ ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin’ ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
et die septimo contemplabitur si obscurior fuerit lepra et non creverit in cute mundabit eum quia scabies est lavabitque homo vestimenta sua et mundus erit
7 Fa raha nanitatra teo amin’ ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian’ ny nisehoany tamin’ ny mpisorona ny amin’ ny fanadiovana azy, dia hiseho amin’ ny mpisorona indray izy.
quod si postquam a sacerdote visus est et redditus munditiae iterum lepra creverit adducetur ad eum
8 Ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin’ ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.
et inmunditiae condemnabitur
9 Raha misy habokana amin’ ny olona, dia ho entina any amin’ ny mpisorona izy;
plaga leprae si fuerit in homine adducetur ad sacerdotem
10 ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin’ ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin’ ny mamontsina,
et videbit eum cumque color albus in cute fuerit et capillorum mutarit aspectum ipsa quoque caro viva apparuerit
11 dia habokana efa ela teo amin’ ny hoditry ny nofony izany, ka hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
lepra vetustissima iudicabitur atque inolita cuti contaminabit itaque eum sacerdos et non recludet quia perspicue inmunditia est
12 Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin’ ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr’ ilay marary hatramin’ ny lohany ka hatramin’ ny tongony, na aiza na aiza zahan’ ny mpisorona,
sin autem effloruerit discurrens lepra in cute et operuerit omnem carnem a capite usque ad pedes quicquid sub aspectu oculorum cadit
13 ary zahan’ ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
considerabit eum sacerdos et teneri lepra mundissima iudicabit eo quod omnis in candorem versa sit et idcirco homo mundus erit
14 Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
quando vero caro vivens in eo apparuerit
15 Ary raha zahan’ ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany.
tunc sacerdotis iudicio polluetur et inter inmundos reputabitur caro enim viva si lepra aspergatur inmunda est
16 Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin’ ny Mpisorona izy;
quod si rursum versa fuerit in alborem et totum hominem operuerit
17 ary raha zahan’ ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
considerabit eum sacerdos et mundum esse decernet
18 Ary raha misy fery sitrana eo amin’ ny hoditry ny nofo,
caro et cutis in qua ulcus natum est et sanatum
19 ary misy fotsy mamontsina eo amin’ ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin’ ny mpisorona izy.
et in loco ulceris cicatrix apparuerit alba sive subrufa adducetur homo ad sacerdotem
20 Ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin’ ny fery izany.
qui cum viderit locum leprae humiliorem carne reliqua et pilos versos in candorem contaminabit eum plaga enim leprae orta est in ulcere
21 Fa raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana izy;
quod si pilus coloris est pristini et cicatrix subobscura et vicina carne non est humilior recludet eum septem diebus
22 ary raha nanitra mihitsy teo amin’ ny hoditra izany, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
et siquidem creverit adiudicabit eum leprae
23 Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin’ ny fery izany; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio.
sin autem steterit in loco suo ulceris est cicatrix et homo mundus erit
24 Ary raha misy main’ ny afo eo amin’ ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
caro et cutis quam ignis exuserit et sanata albam sive rufam habuerit cicatricem
25 ary zahan’ ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ ny itoeran’ ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin’ ny may izany, ka hataon’ ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
considerabit eam sacerdos et ecce versa est in alborem et locus eius reliqua cute humilior contaminabit eum quia plaga leprae in cicatrice orta est
26 Fa raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin’ ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana izy,
quod si pilorum color non fuerit inmutatus nec humilior plaga carne reliqua et ipsa leprae species fuerit subobscura recludet eum septem diebus
27 ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin’ ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
et die septimo contemplabitur si creverit in cute lepra contaminabit eum
28 Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin’ ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin’ ny may izany; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
sin autem in loco suo candor steterit non satis clarus plaga conbustionis est et idcirco mundabitur quia cicatrix est conbusturae
29 Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin’ ny lohany na eo amin’ ny saokany,
vir sive mulier in cuius capite vel barba germinarit lepra videbit eos sacerdos
30 ary zahan’ ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin’ ny loha na eo amin’ ny saoka izy.
et siquidem humilior fuerit locus carne reliqua et capillus flavus solitoque subtilior contaminabit eos quia lepra capitis ac barbae est
31 Fa raha zahan’ ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
sin autem viderit et locum maculae aequalem vicinae carni et capillum nigrum recludet eos septem diebus
32 Ary raha zahan’ ny mpisorona ny aretina amin’ ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, atỳ tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
et die septimo intuebitur si non creverit macula et capillus sui coloris est et locus plagae carni reliquae aequalis
33 dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.
radetur homo absque loco maculae et includetur septem diebus aliis
34 Ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin’ ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
si die septimo visa fuerit stetisse plaga in loco suo nec humilior carne reliqua mundabit eum lotisque vestibus mundus erit
35 Fa raha nanitatra teo amin’ ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
sin autem post emundationem rursus creverit macula in cute
36 dia hozahan’ ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin’ ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
non quaeret amplius utrum capillus in flavum colorem sit commutatus quia aperte inmundus est
37 Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio.
porro si steterit macula et capilli nigri fuerint noverit hominem esse sanatum et confidenter eum pronuntiet mundum
38 Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin’ ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,
vir et mulier in cuius cute candor apparuerit
39 ary zahan’ ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin’ ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin’ ny hoditra izany, madio izany.
intuebitur eos sacerdos si deprehenderit subobscurum alborem lucere in cute sciat non esse lepram sed maculam coloris candidi et hominem mundum
40 Ary ny amin’ ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
vir de cuius capite capilli fluunt calvus ac mundus est
41 Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin’ ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
et si a fronte ceciderint pili recalvaster et mundus est
42 Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin’ ny loha sola, na eo amin’ ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin’ ny loha sola, na amin’ ny mazavaray izany
sin autem in calvitio sive in recalvatione albus vel rufus color fuerit exortus
43 Ary raha zahan’ ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin’ ny aretina eo amin’ ny loha sola, na eo amin’ ny mazavaray, tahaka ny fisehon’ ny habokana eo amin’ ny hoditry ny nofo,
et hoc sacerdos viderit condemnabit eum haut dubiae leprae quae orta est in calvitio
44 dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon’ ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin’ ny lohany ny aretina.
quicumque ergo maculatus fuerit lepra et separatus ad arbitrium sacerdotis
45 Ary ny amin’ izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
habebit vestimenta dissuta caput nudum os veste contectum contaminatum ac sordidum se clamabit
46 Amin’ ny andro rehetra izay haharariany amin’ izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan’ ny toby no itoerany.
omni tempore quo leprosus est et inmundus solus habitabit extra castra
47 Amin’ ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon’ ondry, na fitafiana rongony,
vestis lanea sive linea quae lepram habuerit
48 sy izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon’ ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra,
in stamine atque subtemine aut certe pellis vel quicquid ex pelle confectum est
49 raha maitsomaitso na menamena eo amin’ ny fitafiana ny aretina, na eo amin’ ny hoditra, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin’ ny mpisorona.
si alba aut rufa macula fuerit infecta lepra reputabitur ostendeturque sacerdoti
50 Ary hozahan’ ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
qui consideratam recludet septem diebus
51 Ary raha zahany ny aretina amin’ ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin’ ny fitafiana ny aretina, na teo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
et die septimo rursus aspiciens si crevisse deprehenderit lepra perseverans est pollutum iudicabit vestimentum et omne in quo fuerit inventa
52 Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na volon’ ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin’ ny afo.
et idcirco conburetur flammis
53 Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin’ ny fitafiana, na teo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra,
quod si eam viderit non crevisse
54 dia hasain’ mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;
praecipiet et lavabunt id in quo lepra est recludetque illud septem diebus aliis
55 ary rehefa voasasa izy, dia hozahan’ ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin’ ny afo; aretina mafy izany, na amin’ ny atiny, na amin’ ny ivelany.
et cum viderit faciem quidem pristinam non reversam nec tamen crevisse lepram inmundum iudicabit et igne conburet eo quod infusa sit in superficie vestimenti vel per totum lepra
56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin’ ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ ny hoditra, na ho afaka amin’ ny tenany, na izay ho fahany.
sin autem obscurior fuerit locus leprae postquam vestis est lota abrumpet eum et a solido dividet
57 Ary raha mbola misy miseho eo amin’ ny fitafiana indray izy, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin’ ny afo izay misy izany.
quod si ultra apparuerit in his locis quae prius inmaculata erant lepra volatilis et vaga debet igne conburi
58 Ary ny fitafiana, na izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.
si cessaverit lavabit ea quae pura sunt secundo et munda erunt
59 Izany no lalàna ny amin’ ny habokana eo amin’ ny fitafiana volon’ ondry na rongony, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
ista est lex leprae vestimenti lanei et linei staminis atque subteminis omnisque supellectilis pelliciae quomodo mundari debeat vel contaminari

< Levitikosy 13 >