< Levitikosy 13 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
Rəbb Musaya və Haruna dedi:
2 Raha misy mamontsina eo amin’ ny hoditry ny nofon’ ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin’ ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin’ i Arona mpisorona izy, na ho eo amin’ izay iray amin’ ny mpisorona, zanak’ i Arona;
«Bir adamın dərisində şiş yaxud səpki yaxud ləkə əmələ gəlib dəridə cüzam kimi görünən bir əlaməti olarsa, qoy o adam kahin Harunun yaxud onun nəslindən olan kahinlərin birinin yanına gətirilsin.
3 koa raha zahan’ ny mpisorona ny aretina eo amin’ ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan’ ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
Kahin dəridəki əlamətə baxsın. Əlamət üstündəki tükləri ağardıb dəridən dərin görünsə, bu, cüzamın bir əlamətidir. Kahin baxıb o adamı murdar elan etsin.
4 Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin’ ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
Əgər dərisindəki ləkə ağ olub dəridən dərin görünməsə və üstündəki tükləri ağartmasa, kahin azarlını yeddi gün müddətinə təcrid etsin.
5 Ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin’ ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
Yeddinci gün kahin ona baxsın. Onun nəzərində əlamət yerində qalıb dərisinə yayılmayıbsa, kahin onu yenə də yeddi gün müddətinə təcrid etsin.
6 ary raha zahan’ ny mpisorona indray amin’ ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin’ ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
Yeddinci gün kahin yenə də ona baxsın. Əlamət dərisinə yayılmayıb, solubsa, kahin o adamı pak elan etsin. Bu azar dəri səpməsidir. Qoy o adam geyimlərini yusun, sonra pak sayılsın.
7 Fa raha nanitatra teo amin’ ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian’ ny nisehoany tamin’ ny mpisorona ny amin’ ny fanadiovana azy, dia hiseho amin’ ny mpisorona indray izy.
Lakin kahin ona baxıb pak saydıqdan sonra səpmə dərisinə yayılırsa, o yenə də özünü kahinə göstərsin.
8 Ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin’ ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.
Kahin yenə də ona baxsın, dərisindəki səpmə yayılıbsa, kahin o adamı murdar elan etsin. Bu cüzamdır.
9 Raha misy habokana amin’ ny olona, dia ho entina any amin’ ny mpisorona izy;
Bir adamın dərisində cüzam əlaməti əmələ gələrsə, qoy o adam kahinin yanına gətirilsin.
10 ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin’ ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin’ ny mamontsina,
Kahin ona baxsın, dəridəki tükləri ağardan xoralı ağ bir şiş varsa,
11 dia habokana efa ela teo amin’ ny hoditry ny nofony izany, ka hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
bu, bədəninin dərisində kök salmış cüzamdır. Kahin o adamı murdar elan etsin, amma təcrid etməsin, çünki o murdardır.
12 Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin’ ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr’ ilay marary hatramin’ ny lohany ka hatramin’ ny tongony, na aiza na aiza zahan’ ny mpisorona,
Əgər cüzam dəriyə yayılıb bütün bədəni bürüsə və əlamətin onu təpədən dırnağadək tutması kahinə görünsə,
13 ary zahan’ ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
qoy kahin diqqətlə baxsın. Cüzam bütün bədəni bürüyübsə, kahin azarlını pak elan etsin. Ağardığı üçün o adam pak sayılsın.
14 Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
Lakin o adamda xoralanma görünsə o, murdar sayılsın.
15 Ary raha zahan’ ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany.
Kahin o adama baxıb xoralanma görsə, onu murdar elan etsin. Xoralanma murdardır, o, cüzamdır.
16 Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin’ ny Mpisorona izy;
Xoralanma sağalıb ağardığı halda o adam kahinin yanına getsin
17 ary raha zahan’ ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
və kahin ona baxsın; əlamət ağarıbsa, o adamı pak elan etsin, çünki o, pakdır.
18 Ary raha misy fery sitrana eo amin’ ny hoditry ny nofo,
Bir adamın dərisində çiban əmələ gəlib sağaldıqdan sonra
19 ary misy fotsy mamontsina eo amin’ ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin’ ny mpisorona izy.
və yerində ağ şiş yaxud qırmızımtıl-ağ parlaq ləkə əmələ gələn halda bu əlamət kahinə göstərilsin.
20 Ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin’ ny fery izany.
Kahin ləkəyə baxsın, üstündəki tükləri ağarıb dəridən dərin görünsə, kahin o adamı murdar elan etsin. Bu, çibanla başlanan cüzamdır.
21 Fa raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana izy;
Əgər kahin baxıb görsə ki, ləkənin üstündəki ağ tüklər yoxdur və ləkə dəridən dərin deyil, solğundur, onda kahin azarlını yeddi gün müddətinə təcrid etsin.
22 ary raha nanitra mihitsy teo amin’ ny hoditra izany, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
Əgər dəridəki ləkə yayılırsa, kahin adamı murdar elan etsin. Çünki bu, əlamətdir.
23 Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin’ ny fery izany; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio.
Amma ləkə yerində qalıb yayılmayıbsa, bu, çibandan qalan çapıqdır. Kahin o adamı pak elan etsin.
24 Ary raha misy main’ ny afo eo amin’ ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
Bir adamın dərisində olan yanıq yerində qırmızımtıl-ağ yaxud ağ parlaq ləkə əmələ gələrsə,
25 ary zahan’ ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ ny itoeran’ ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin’ ny may izany, ka hataon’ ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
kahin ləkəyə baxsın, ləkə üstündəki tükləri ağardıb dəridən dərin görünsə, bu yanıqda başlanan cüzamdır. Kahin o adamı murdar elan etsin, çünki bu cüzamın əlamətidir.
26 Fa raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin’ ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana izy,
Əgər kahin baxıb görsə ki, ləkənin üstündə ağ tüklər yoxdur və ləkə dəridən dərin olmayaraq solğun görünür, bu halda kahin azarlını yeddi gün müddətinə təcrid etsin.
27 ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin’ ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
Yeddinci gün kahin yenə azarlıya baxsın. Əgər ləkə dəriyə yayılıbsa, kahin o adamı murdar elan etsin; bu, cüzamın əlamətidir.
28 Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin’ ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin’ ny may izany; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
Amma ləkə yerində qalıb dərisində yayılmayıbsa və solubsa, bu, yanıqdan qalan şişdir; kahin o adamı pak elan etsin, çünki bu, yanıqdan qalan izdir.
29 Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin’ ny lohany na eo amin’ ny saokany,
Bir kişinin ya qadının başında ya çənəsində əlamət olanda
30 ary zahan’ ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin’ ny loha na eo amin’ ny saoka izy.
kahin ona baxsın. Əlamət dəridən dərin görünürsə və üstündəki tüklər sarı və nazikdirsə, kahin onu murdar elan etsin. Bu başda ya da çənədə iyrənc xəstəlik – qoturdur.
31 Fa raha zahan’ ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
Kahin qotur əlamətinə baxsın. Əlamət dəridən dərin görünməyib üstündə qara tüklər olmayan halda kahin qotur adamı yeddi gün müddətinə təcrid etsin.
32 Ary raha zahan’ ny mpisorona ny aretina amin’ ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, atỳ tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
Kahin yeddinci gün yenə də əlamətə baxsın, qoturluq yayılmayıbsa, üstündəki tüklər saralmayıbsa, qoturluq da dəridən dərin görünmürsə,
33 dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.
qoy o adam qoturluq olan yerdən başqa bütün bədənini qırxsın. Sonra kahin onu yenə də yeddi gün müddətinə təcrid etsin.
34 Ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin’ ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
Yeddinci gün kahin yenə də əlamətə baxsın. Əgər qotur dəriyə yayılmayıbsa və dəridən dərin görünməsə, kahin o adamı pak elan etsin. Qoy o adam geyimlərini yusun, sonra da pak sayılsın.
35 Fa raha nanitatra teo amin’ ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
Lakin əgər kahin xəstəni pak saydıqdan sonra qoturluq dəriyə yayılırsa,
36 dia hozahan’ ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin’ ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
kahin ona təkrarən baxsın. Qoturluq dərisinə yayılıbsa, kahin üstündəki sarı tükün olub-olmamasına baxmasın. O adam murdar sayılsın.
37 Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio.
Lakin kahinin nəzərində qoturluq yerində qalıbsa və üstündə qara tük əmələ gəlirsə, qotur keçir və onda o adam pak sayılsın, kahin onu pak elan etsin.
38 Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin’ ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,
Bir kişinin yaxud qadının dərisində ağ parlaq ləkələr olarsa,
39 ary zahan’ ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin’ ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin’ ny hoditra izany, madio izany.
qoy kahin baxsın; dərisində donuq ağ ləkələr varsa, bu başlanan dəmrovdur. O adam pak sayılsın.
40 Ary ny amin’ ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
Başının təpəsində saçı tökülmüş kişi dazdır. O pak sayılsın.
41 Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin’ ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
Əgər alnından saçı tökülübsə, o adamın alnı açılmışdır və o pak sayılsın.
42 Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin’ ny loha sola, na eo amin’ ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin’ ny loha sola, na amin’ ny mazavaray izany
Lakin daz və yaxud alnı açılmış adamın saçı tökülən yerdən qırmızımtıl-ağ ləkə çıxarsa, bu həmin yerdə başlanan cüzamdır.
43 Ary raha zahan’ ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin’ ny aretina eo amin’ ny loha sola, na eo amin’ ny mazavaray, tahaka ny fisehon’ ny habokana eo amin’ ny hoditry ny nofo,
Kahin oraya baxsın, saçı tökülmüş yerdəki şiş qırmızımtıl-ağdırsa və cüzam kimi görünürsə,
44 dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon’ ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin’ ny lohany ny aretina.
o kişi iyrənc xəstəliyə tutulduğu üçün murdar sayılsın. Başındakı əlamətə görə kahin mütləq onu murdar elan etsin.
45 Ary ny amin’ izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
Belə iyrənc xəstəliyə tutulan adamın geyimləri cırıq, saçı isə dağınıq olmalıdır. O adam üzünün aşağı hissəsini örtüb “Murdaram! Murdaram!” deyə çığırsın.
46 Amin’ ny andro rehetra izay haharariany amin’ izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan’ ny toby no itoerany.
Dərisində əlamət olduğu bütün müddət o murdar sayılsın. Murdarlığına görə düşərgədən kənarda tək yaşasın.
47 Amin’ ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon’ ondry, na fitafiana rongony,
Üstündə iyrənc kif əlaməti olan hər cür parça: yun ya da kətan geyim
48 sy izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon’ ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra,
yaxud hər cür toxunma parça yaxud dəri və hər dəri məmulatı haqqında təlimat budur.
49 raha maitsomaitso na menamena eo amin’ ny fitafiana ny aretina, na eo amin’ ny hoditra, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin’ ny mpisorona.
Ya geyimdə, dəridə ya da hər cür parçada, dəridən düzəlmiş hər bir əşyada əmələ gələn əlamət yaşıltəhər və ya qırmızımtıl olsa, bu, iyrənc kif əlamətidir. Qoy bu, kahinə göstərilsin.
50 Ary hozahan’ ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
Kahin ona baxıb, əşyanı yeddi gün müddətinə təcrid etsin.
51 Ary raha zahany ny aretina amin’ ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin’ ny fitafiana ny aretina, na teo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
Yeddinci gün yenə də ona baxıb görsə ki, geyimə, parçaya, dəriyə yaxud dəridən düzəlmiş məmulata əlamət yayılıb, bu əlamət təhlükəli iyrənc kifdir, murdar sayılsın.
52 Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na volon’ ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin’ ny afo.
Üstündə əlamət olan yun ya da kətan geyimi yaxud parçanı yaxud dəridən olan əşyanı kahin yandırsın. Bu, iyrənc təhlükəli kifdir, yandırılsın.
53 Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin’ ny fitafiana, na teo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra,
Amma əgər kahin baxıb görsə ki, geyimə, parçaya yaxud dəridən olan əşyaya əlamət yayılmayıb,
54 dia hasain’ mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;
kahin əmr versin ki, üstündə əlamət olan hər şey yuyulsun. Sonra onu yenə də yeddi gün müddətinə təcrid etsin.
55 ary rehefa voasasa izy, dia hozahan’ ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin’ ny afo; aretina mafy izany, na amin’ ny atiny, na amin’ ny ivelany.
Əlamət yuyulduqdan sonra kahin yenə də o şeyə baxsın. Əlamət yayılmadığı halda görkəmini dəyişməyibsə, o şey murdar sayılsın. Əlamət istər ön, istərsə arxa tərəfindən olsun, onu yandırmalısınız.
56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin’ ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ ny hoditra, na ho afaka amin’ ny tenany, na izay ho fahany.
Lakin kahin baxıb görsə ki, əlamət yuyulduqdan sonra rəngi solub, qoy onu geyimdən, dəridən yaxud parçadan qopartsın.
57 Ary raha mbola misy miseho eo amin’ ny fitafiana indray izy, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin’ ny afo izay misy izany.
Əgər bundan sonra əlamət geyimdə, parçada yaxud dəri əşyada yenidən əmələ gələrsə, o əşyanın sahibi onu yandırsın.
58 Ary ny fitafiana, na izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.
Yuyulduqdan sonra əlamət üstündən yox olan paltar, parça yaxud dəri əşya yenə də yuyulub pak sayılsın.
59 Izany no lalàna ny amin’ ny habokana eo amin’ ny fitafiana volon’ ondry na rongony, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
Bu, yun və ya kətan geyimdə, hər toxunma parçada və dəridən olan hər əşyada əmələ gələn iyrənc kif əlamətinə əsasən onu pak ya murdar saymaq üçün təlimatdır».

< Levitikosy 13 >