< Levitikosy 12 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Bwana akamwambia Mose,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan’ anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ ny fadim-bolany no hahalotoany.
“Waambie Waisraeli: ‘Mwanamke ambaye atapata mimba na kuzaa mtoto wa kiume atakuwa najisi kwa kawaida ya ibada kwa siku saba, kama anavyokuwa najisi wakati wa siku zake za hedhi.
3 Ary amin’ ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
Mvulana atatahiriwa siku ya nane.
4 Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin’ ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masìna izy, na hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
Kisha ni lazima huyo mwanamke asubiri kwa siku thelathini na tatu, ndipo atakaswe kutoka damu kwake. Hataruhusiwa kugusa kitu chochote kilicho kitakatifu au kuingia mahali patakatifu, mpaka siku za kutakaswa kwake zimetimia.
5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin’ ny ràny izay mahadio azy.
Kama akimzaa mtoto wa kike, mwanamke huyo atakuwa najisi kwa majuma mawili, kama wakati wake wa hedhi. Kisha atasubiri kwa siku sitini na sita, ndipo atatakaswa kutoka damu kwake.
6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin’ ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak’ ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ho eo amin’ ny mpisorona ireo.
“‘Siku zake za utakaso kwa ajili ya mwana au binti zitakapotimia, mwanamke huyo atamletea kuhani kwenye ingilio la Hema la Kukutania mwana-kondoo mwenye umri wa mwaka mmoja kwa ajili ya sadaka ya kuteketezwa, na kinda la njiwa au hua kwa ajili ya sadaka ya dhambi.
7 Ary izy hanatitra izany eo anatrehan’ i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin’ ny fandehanan’ ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin’ ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
Atavitoa mbele za Bwana ili kufanya upatanisho kwa ajili yake, na kisha atakuwa safi kwa desturi ya ibada kutokana na kutokwa damu kwake. “‘Haya ndiyo masharti kwa ajili ya mwanamke atakayezaa mtoto wa kiume au wa kike.
8 Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
Kama huyo mwanamke hana uwezo wa kumpata mwana-kondoo, ataleta hua wawili au makinda mawili ya njiwa, moja kwa ajili ya sadaka ya kuteketezwa na mwingine kwa ajili ya sadaka ya dhambi. Kwa njia hii, kuhani atafanya upatanisho kwa ajili yake, naye atakuwa safi.’”

< Levitikosy 12 >