< Levitikosy 11 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
BOEIPA. loh Moses neh Aaron te a voek tih,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin’ ny biby rehetra ambonin’ ny tany:
“Israel ca rhoek te voek rhoi lamtah, diklai hmankah rhamsa boeih khuiah na caak uh ham mulhing he thui pah.
3 Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
Rhamsa khuiah a khomae rhak tih a khomae dongkah a khorhaek aka thal neh caknaih aka naih boeih te tah ca uh.
4 Kanefa amin’ izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
Tedae caknaih aka naih neh khomae aka rhak khuiah Kalauk he ca uh boeh. Caknaih a naih dae a khomae a rhak pawt dongah nangmih ham rhalawt.
5 ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
Saphih he khaw caknaih a naih dae a khomae a rhak pawt dongah nangmih ham rhalawt.
6 ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
Saveh khaw caknaih a naih dae a khomae a rhak pawt dongah nangmih ham rhalawt.
7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
Ok he a khomae rhak tih a khomae dongkah a khorhaek thal dae caknaih a naih pawt dongah nangmih ham rhalawt.
8 Ny henan’ ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
A saa te ca uh boeh. A rhok khaw ben uh boeh. Te rhoek te nangmih ham rhalawt.
9 Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, no ho fihinanareo;
Tui dongkah aka om boeih khuiah he ca uh. tui dongkah khaw, tuitunli dongkah khaw, soklong kah khaw a phae neh a lip aka om boeih tah ca uh.
10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, na amin’ izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’ ny zava-manan’ aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
Tedae tuitunli dongkah khaw, soklong kah khaw, tui dongkah rhulcai boeih neh tui khuikah aka hing hinglu boeih khuiah a phae neh a lip aka om pawt boeih te nangmih ham konawhnah ni.
11 eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
Nangmih ham konawhnah la a om uh dongah a saa te ca uh boeh. A rhok te khaw tuei uh.
12 Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
A phae khaw, a lip khaw a khueh mueh la tui dongah aka om boeih te nangmih ham konawhnah ni.
13 Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
Vaa khuiah he rhoek tah tuei uh, caak ham moenih. atha khaw, langta khaw, thamuk khaw konawhnah ni.
14 ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,
murhung neh maisi hui khaw,
15 ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
vangak neh anih hui boeih,
16 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
Tuirhuk khaw, kirhoeng, khangkhoe, mutlo neh anih hui boeih,
17 ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
thathawt, tuiliim, saelbu,
18 ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
abuu, khosoek saelbu, tamcu,
19 sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
bungrho, kaikoi neh anih hui, thongpanai neh pumphak.
20 Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
Vaa bangla om tih a kho pali neh aka yuel rhulcai boeih khaw nangmih ham konawhnah ni.
21 nefa izao kosa no ho fihinanareo amin’ ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin’ ny faladiany hitsipihany eo amin’ ny tany.
Tedae vaa bangla om tih a kho pali neh yuel cakhaw diklai dongah cungpet nah ham a kho phoeiah a kho aka khueh rhulcai boeih tah ca uh.
22 Amin’ ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
Kaisih neh a hui, tangboeng neh a hui khaw, tungrhit neh a hui khaw, tangku neh anih hui khaw ca uh.
23 Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
Tedae vaa bangla om tih a kho pali aka khueh rhulcai boeih tah nangmih ham konawhnah ni.
24 Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
A rhok aka ben boeih tah te nen te na poeih uh ni. Amih te kholaeh duela a poeih ni.
25 Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
A rhok aka phuei boeih long khaw a himbai te til saeh. Anih te kholaeh duela poeih uh ni.
26 Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
Rhamsa boeih khaw a khomae rhak tih a khorhaek aka thal pawt neh caknaih aka naih pawt tah nangmih ham rhalawt. Te te aka ben boeih tah poeih uh ni.
27 Ary izay rehetra mandeha amin’ ny faladiany, amin’ ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan’ ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
A kho pali neh aka yuel mulhing boeih khuiah a kut neh aka yuel boeih khaw nangmih ham rhalawt. A rhok aka ben boeih tah kholaeh duela a poeih ni.
28 Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan’ ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
A rhok aka phuei long tah a himbai te til saeh. Hlaem duela a poeih uh vaengah tah amih te nangmih ham rhalawt.
29 Ary izao no haloto aminareo amin’ ny biby izay mandady na mikisaka amin’ ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
Diklai kah aka luem rhulcai khuiah saham, su, imrhai neh anih hui boeih,
30 ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
tawkke, tangkong, cangdawl, lainaat, hambo he khaw nangmih ham rhalawt.
31 Ireo no maloto aminareo amin’ ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin’ ireo dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Rhulcai boeih khuiah nangmih ham aka rhalawt rhoek te a duek vaengah aka ben boeih khaw kholaeh duela poeih uh ni.
32 Ary izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy vao hadio.
A duek vaengah anih soah aka cungku boeih tah poeih uh ni. Te dongah thing hnopai boeih neh himbai khaw, maehpho mai khaw, tolkhui mai khaw, te rhoek neh bitat la a saii hnopai boeih te tah tui dongah duung saeh. Hlaem due poeih uh saeh lamtah caihcil saeh.
33 Ary ny amin’ ny vilany tany rehetra izay ilatsahan’ ny fatin’ ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
Tedae amih khuikah te lai umam khat khat khuila a tlak atah a khui neh a khui kah boeih khaw a poeih dongah rhek dae uh laeh.
34 Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin’ ny fanaka inona na tamin’ ny fanaka inona.
Caak ham cakok khat khat te tekah am tui loh a pha thil atah a poeih coeng. Te dongah umam khat khat khui lamkah ok ham koi tui khaw boeih a poeih coeng.
35 Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
Amih rhok loh a cuhu thil boeih tah tapkhuel khaw, lungthu khaw a poeih coeng. Te rhoek rhalawt rhoek te tah palet saeh. Nangmih ham khaw rhalawt la om.
36 Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
Tedae tuisih neh tangrhom tui tungnah a tlak thil atah tuicil la om mai cakhaw a rhok aka ben te a poeih.
37 Ary raha misy fatin’ ireo latsaka amin’ ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
Tedae te cangti ballung boeih tah a rhok. loh tlak thil cakhaw cuem ngawn dongah tue ngawn saeh.
38 Fa raha misy voan-javatra nalona tamin’ ny rano ka ilatsahan’ ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
Tedae cangti te tui dongah a khueh vaengah a rhok loh a cuhu thil atah nangmih ham rhalawt.
39 Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izay mikasika ny fatiny.
Na caak ham koi rhamsa a duek vaengah khaw a rhok aka ben tah hlaem duela poeih uh ni.
40 Ary izay mihinana amin’ ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan’ ny andro
A rhok aka ca tah a himbai te til saeh. Anih khaw hlaem duela poeih uh ni. A rhok aka phuei te khaw a himbai te til saeh. Hlaem due la poeih uh ni. Diklai
41 Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
ah aka luem rhulcai boeih khaw konawhnah, caak koi moenih.
42 Izay rehetra mandady amin’ ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
A bung neh aka colh boeih, a kho pali neh aka van boeih khaw, a kho aka ping boeih khaw, diklai ah aka luem rhulcai boeih he tah konawhnah ni ca uh boeh.
43 Aza mametaveta ny tenanareo amin’ izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
Aka luem rhulcai boeih neh na hinglu te rhun uh boeh. Amih nen khaw poeih uh boel lamtah amih long khaw nang m'poeih uh boel saeh.
44 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’ izay zavatra mandady na mikisaka amin’ ny tany.
Kai tah nangmih Pathen BOEIPA ni. Te dongah ciim uh lamtah ka cim bangla a cim la om uh. Te dongah diklai kah aka colh rhulcai boeih dongah na hinglu te poeih uh boeh.
45 Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho.
Nangmih kah Pathen la om ham Egypt khohmuen lamloh nangmih aka khuen khaw BOEIPA kamah ni. Te dongah kai ka cim bangla a cim la om uh.
46 Izany no lalàna ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan’ aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany,
He tah rhamsa neh vaa, tui dongkah aka hing tih aka colh hinglu boeih neh diklai dongkah aka luem hinglu boeih ham,
47 mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.
rhalawt laklo neh cuemcaih laklo ah, caak ham mulhing laklo neh caak koi pawh mulhing laklo ah paekboe ham olkhueng ni,” a ti nah.