< Levitikosy 10 >

1 Ary Nadaba sy Abiho, zanak’ i Arona, samy naka ny fitondran’ afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
But Nadab and Abihu, the sonnes of Aaron, tooke either of them his censor, and put fire therein, and put incense thereupon, and offred strange fire before the Lord, which hee had not commanded them.
2 Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan’ i Jehovah izy.
Therefore a fire went out from the Lord, and deuoured them: so they dyed before the Lord.
3 Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
Then Moses sayde vnto Aaron, This is it that the Lord spake, saying, I will bee sanctified in the that come neere me, and before all the people I will be glorified: but Aaron held his peace.
4 Ary Mosesy dia nampaka an’ i Misaela sy Elzafana, zanak’ i Oziela, rahalahin-drain’ i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan’ ny fitoerana masìna ho eny ivelan’ ny toby.
And Moses called Mishael and Elzaphan the sonnes of Vzziel, the vncle of Aaron, and saide vnto them, Come neere, cary your brethre from before the Sanctuarie out of the hoste.
5 Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan’ ny toby, araka izay efa nolazain’ i Mosesy.
Then they went, and caried them in their coates out of the host, as Moses had comaunded.
6 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr’ i Jehovah.
After, Moses saide vnto Aaron and vnto Eleazar and Ithamar his sonnes, Vncouer not your heads, neither rent your clothes, least ye dye, and least wrath come vpon all ye people: but let your brethren, all the house of Israel bewayle the burning which the Lord hath kindled.
7 Ary aza miala eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran’ i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy izy.
And go not yee out from the doore of the Tabernacle of the Congregation, least ye dye: for the anointing oyle of the Lord is vpon you: and they did according to Moses commandement.
8 Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona ka nanao hoe:
And the Lord spake vnto Aaron, saying,
9 Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin’ ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany),
Thou shalt not drinke wine nor strong drinke, thou, nor thy sonnes with thee, when yee come into the Tabernacle of the Congregation, lest ye die: this is an ordinance for euer throughout your generations,
10 ary mba hahaizanareo manavaka ny masìna sy ny tsy masìna, ary ny madio sy ny tsy madio,
That ye may put difference betweene the holy and the vnholy, and betweene the cleane and the vncleane,
11 ary mba hampianarinareo ny Zanak’ Isiraely ny didy rehetra izay nasain’ i Jehovah holazain’ i Mosesy taminy.
And that ye may teach the children of Israel all the statutes which the Lord hath commanded them by the hand of Moses.
12 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin’ ny fanatitra natao tamin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ka hano eo anilan’ ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masìna dia masìna izany.
Then Moses saide vnto Aaron and vnto Eleazar and to Ithamar his sonnes that were left, Take the meate offring that remaineth of the offrings of the Lord, made by fire, and eate it without leauen beside ye altar: for it is most holy:
13 Ary hano eo amin’ izay fitoerana masìna izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
And ye shall eate it in the holy place, because it is thy duetie and thy sonnes duety of the offringes of the Lord made by fire: for so I am commanded.
14 Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin’ izay fitoerana madio, dia ianao mbamin’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ ny fanati-pihavanana aterin’ ny Zanak’ Isiraely.
Also the shaken breast and the heaue shoulder shall yee eate in a cleane place: thou, and thy sonnes, and thy daughters with thee: for they are giuen as thy duetie and thy sonnes duety, of the peace offringes of the children of Israel.
15 Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin’ ny saborany izay fanatitra atao amin’ ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian’ i Jehovah.
The heaue shoulder, and the shaken breast shall they bring with the offringes made by fire of the fat, to shake it to and from before the Lord, and it shalbe thine and thy sonnes with thee by a lawe for euer, as the Lord hath commanded.
16 Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin’ ny zanak’ i Arona sisa izy, dia tamin’ i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
And Moses sought the goate that was offred for sinne, and lo, it was burnt: therefore he was angrie with Eleazar and Ithamar the sonnes of Aaron, which were left aliue, saying,
17 Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ ny fitoerana masìna ny fanatitra noho ny ota? fa masìna dia masìna izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
Wherfore haue ye not eaten the sinne offring in the holy place, seeing it is most Holie? and God hath giuen it you, to beare the iniquitie of the Congregation, to make an atonement for them before the Lord.
18 Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin’ ny fitoerana masìna, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin’ ny fitoerana masìna ianareo, araka izay nandidiako.
Beholde, the blood of it was not brought within the holy place: ye should haue eaten it in the holy place, as I commanded.
19 Ary Arona niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan’ i Jehovah, ary efa azon’ izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason’ i Jehovah va izany?
And Aaron said vnto Moses, Behold, this day haue they offred their sinne offring, and their burnt offring before the Lord, and such things as thou knowest are come vnto mee: If I had eaten the sinne offring to day, should it haue bene accepted in the sight of the Lord?
20 Ary raha ren’ i Mosesy izany, dia nankasitrahany.
So when Moses heard it, he was content.

< Levitikosy 10 >