< Fitomaniana 5 >
1 Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
Kumbuka, Ee Bwana, yaliyotupata, tazama, nawe uione aibu yetu.
2 Ny lovanay dia afindra ho an’ ny vahiny ary ny tranonay ho an’ ny hafa firenena.
Urithi wetu umegeuziwa kwa wageni, na nyumba zetu kwa wageni.
3 Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
Tumekuwa yatima wasio na baba, mama zetu wamekuwa kama wajane.
4 Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
Ni lazima tununue maji tunayokunywa, kuni zetu zapatikana tu kwa kununua.
5 Rambondrambonan’ ny mpanenjika amin’ ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
Wanaotufuatilia wapo kwenye visigino vyetu, tumechoka na hakuna pumziko.
6 Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
Tumejitolea kwa Misri na Ashuru tupate chakula cha kutosha.
7 Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
Baba zetu walitenda dhambi na hawapo tena, na sisi tunachukua adhabu yao.
8 Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ ny tànany.
Watumwa wanatutawala na hakuna wa kutuokoa mikononi yao.
9 Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
Tunapata chakula chetu kwa kuhatarisha maisha yetu kwa sababu ya upanga jangwani.
10 Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin’ ny mosary.
Ngozi yetu ina joto kama tanuru, kwa sababu ya fadhaa itokanayo na njaa.
11 Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin’ ny tanànan’ ny Joda.
Wanawake wametendwa jeuri katika Sayuni, na mabikira katika miji ya Yuda.
12 Nahantona tamin’ ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
Wakuu wametungikwa juu kwa mikono yao, wazee hawapewi heshima.
13 Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
Vijana wanataabika kwenye mawe ya kusagia, wavulana wanayumbayumba chini ya mizigo ya kuni.
14 Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
Wazee wameondoka langoni la mji, vijana wameacha kuimba nyimbo zao.
15 Ny hafalian’ ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
Furaha imeondoka mioyoni mwetu, kucheza kwetu kumegeuka maombolezo.
16 Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
Taji imeanguka kutoka kichwani petu. Ole wetu, kwa maana tumetenda dhambi!
17 Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
Kwa sababu hiyo, mioyo yetu inazimia, kwa sababu ya hayo, macho yetu yamefifia,
18 Noho ny amin’ ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ ny amboahaolo.
kwa ajili ya Mlima Sayuni, ambao unakaa ukiwa, nao mbweha wanatembea juu yake.
19 Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Wewe, Ee Bwana unatawala milele, kiti chako cha enzi chadumu kizazi hadi kizazi.
20 Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava?
Kwa nini watusahau siku zote? Kwa nini umetuacha kwa muda mrefu?
21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
Turudishe kwako mwenyewe, Ee Bwana, ili tupate kurudi. Zifanye mpya siku zetu kama siku za kale,
22 Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?
isipokuwa uwe umetukataa kabisa na umetukasirikia pasipo kipimo.