< Fitomaniana 4 >
1 Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
Haa! Golide wathimbirira, golide wosalala wasinthikiratu! Amwazamwaza miyala yokongola ya kumalo opatulika pamphambano ponse pa mzinda.
2 Indrisy! ny zanaka mahafinaritr’ i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan’ ny mpanefy tanimanga!
Haa! Ana a Ziyoni amtengowapatali amene kale anali ngati golide, tsopano ali ngati miphika ya dothi, ntchito ya owumba mbiya!
3 Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.
Ngakhale nkhandwe zimapereka bere kuyamwitsa ana ake, koma anthu anga asanduka ankhanza ngati nthiwatiwa mʼchipululu.
4 Ny lelan’ ny zaza minono miraikitra amin’ ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.
Lilime la mwana lakangamira kukhosi chifukwa cha ludzu, ana akupempha chakudya, koma palibe amene akuwapatsa.
5 Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin’ ny jaky dia mandamaka eny amin’ ny zezika.
Iwo amene kale ankadya zonona akupemphetsa mʼmisewu ya mu mzinda. Iwo amene kale ankavala zokongola tsopano akugona pa phulusa.
6 Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’ i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,
Kuyipa kwa anthu anga kunali kwakukulu kuposa anthu a ku Sodomu, amene anawonongedwa mʼkamphindi kochepa popanda owathandiza.
7 Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.
Akalonga ake anali owala koposa chisanu chowundana ndi oyera kuposa mkaka. Matupi awo anali ofiira kuposa miyala ya rubi, maonekedwe awo ngati miyala ya safiro.
8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin’ ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.
Koma tsopano maonekedwe awo ndi akuda kuposa mwaye; palibe angawazindikire mʼmisewu ya mu mzinda. Khungu lawo lachita makwinyamakwinya pa mafupa awo; lawuma gwaa ngati nkhuni.
9 Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian’ ny vokatry ny saha.
Amene anaphedwa ndi lupanga aliko bwino kuposa amene anafa ndi njala; chifukwa chosowa chakudya cha mʼmunda iwowa ankafowoka ndi njala mpaka kufa.
10 Ny tanan’ ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin’ ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
Amayi achifundo afika pophika ana awo enieni, ndiwo anali chakudya chawo pamene anthu anga anali kuwonongeka.
11 Tanterahin’ i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
Yehova wakwaniritsa ukali wake; wagwetsa pansi mkwiyo wake woopsa. Ndipo wayatsa moto mʼZiyoni kuti uwononge maziko ake.
12 Ny mpanjakan’ ny tany sy ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema.
Mafumu a pa dziko lapansi sanakhulupirire, kapena wina aliyense wokhala pa dziko lonse, kuti adani kapena ankhondo akhoza kulowa pa zipata za Yerusalemu.
13 Noho ny fahotan’ ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran’ ny marina tao aminy, no nahatongavan’ izao.
Koma izi zinachitika chifukwa cha kuchimwa kwa aneneri ake ndi mphulupulu za ansembe ake, amene ankapha anthu osalakwa pakati pawo.
14 Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
Tsopano akungoyendayenda mʼmisewu ya mu mzinda ngati anthu osaona. Iwo ndi odetsedwa kwambiri ndi magazi palibe yemwe angayerekeze nʼkukhudza komwe chovala chawo.
15 Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin’ ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
Anthu akuwafuwulira kuti, “Chokani! Inu anthu odetsedwa!” “Chokani! Chokani! Musatikhudze ife!” Akamathawa ndi kumangoyendayenda, pakati pa anthu a mitundu yonse amati, “Asakhalenso ndi ife.”
16 Ny fahatezeran’ i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain’ ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.
Yehova mwini wake wawabalalitsa; Iye sakuwalabadiranso. Ansembe sakulandira ulemu, akuluakulu sakuwachitira chifundo.
17 Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
Ndiponso maso athu atopa nʼkuyangʼana, chithandizo chosabwera nʼkomwe, kuchokera pa nsanja zathu tinadikirira mtundu wa anthu umene sukanatipulumutsa.
18 Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.
Anthu ankalondola mapazi athu, choncho sitikanayenda mʼmisewu yathu mu mzinda. Chimaliziro chathu chinali pafupi, masiku athu anali owerengeka, chifukwa chimaliziro chathu chinali chitafika.
19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
Otilondola akuthamanga kwambiri kuposa ziwombankhanga mu mlengalenga; anatithamangitsa mpaka ku mapiri ndi kutibisalira mʼchipululu.
20 Ny fofonainay, ilay voahosotr’ i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin’ ny alokalony no hahavelona anay any amin’ ny firenena.
Wodzozedwa wa Yehova, mpweya wathu wotipatsa moyo, anakodwa mʼmisampha yawo. Tinaganiza kuti tidzakhala pansi pa mthunzi wake pakati pa mitundu ya anthu.
21 Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin’ ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.
Kondwera ndi kusangalala, mwana wamkazi wa Edomu. Iwe amene umakhala mʼdziko la Uzi. Koma iwenso chikho chidzakupeza; udzaledzera mpaka kukhala maliseche.
22 Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.
Iwe mwana wamkazi wa Ziyoni, chilango chako chidzatha; Iye sadzatalikitsa nthawi yako ya ukapolo. Koma Yehova adzalanga machimo ako, iwe mwana wamkazi wa Edomu, ndi kuyika poyera mphulupulu zako.