< Fitomaniana 3 >

1 Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
Ni ne mutumin da ya ga azaba ta wurin bulalar fushin Ubangiji.
2 Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava.
Ya kore ni, ya sa na yi tafiya a cikin duhu maimakon a cikin haske;
3 Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
ba shakka, ya juya mini baya, yana gāba da ni sau da sau, dukan yini.
4 Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
Ya sa fatar jikina da naman jikina sun tsufa ya kuma karya ƙasusuwana.
5 Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
Ya yi mini kwanton ɓauna ya kuma kewaye ni da baƙin ciki da kuma wahala.
6 Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
Ya sa na zauna a cikin duhu kamar waɗanda suka mutu da jimawa.
7 Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
Ya kewaye ni yadda ba zan iya gudu ba; Ya daure ni da sarƙa mai nauyi.
8 Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
Ko lokacin da nake kira don neman taimako, ba ya jin addu’ata.
9 Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
Ya tare hanyata da tubula na duwatsu; ya sa hanyata ta karkace.
10 Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;
Kamar beyar da take a laɓe tana jira, kamar zaki a ɓoye,
11 Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
ya janye ni daga kan hanya ya ɓatar da ni ya bar ni ba taimako.
12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
Ya ja kwarinsa ya sa in zama abin baratarsa.
13 Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ ny voako Izy.
Ya harbi zuciyata da kibiyoyin kwarinsa.
14 Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
Na zama abin dariya ga mutanena duka; suna yi mini ba’a cikin waƙa dukan yini.
15 Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
Ya cika ni da kayan ɗaci ya gundure ni da abinci mai ɗaci.
16 Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho.
Ya kakkarya haƙorana da tsakuwa; ya tattake ni cikin ƙura.
17 Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
An hana ni salama; na manta da ko mene ne ake kira wadata.
18 Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah.
Saboda haka na ce, “Darajata ta ƙare da kuma duk abin da nake begen samu daga wurin Ubangiji.”
19 Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
Na tuna da azabata da kuma sintiri, da na yi ta yi da ɗacin rai.
20 Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
Na tuna su sosai, sai kuma na ji ba daɗi a raina.
21 Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
Duk da haka na tuna da wannan na kuma sa bege ga nan gaba.
22 Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Domin ƙaunar Ubangiji ba mu hallaka ba; gama jiyejiyanƙansa ba su ƙarewa.
23 Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
Sababbi ne kowace safiya; amincinka kuwa mai girma ne.
24 Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
Na ce wa kaina, “Ubangiji shi ne nawa; saboda haka zan jira shi.”
25 Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy.
Ubangiji mai alheri ne ga waɗanda suke da bege a cikinsa, ga kuma wanda yake neman shi;
26 Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.
yana da kyau ka jira shiru domin samun ceton Ubangiji.
27 Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
Yana da kyau mutum yă sha wuya tun yana yaro.
28 Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
Bari yă zauna shiru shi kaɗai, gama haka Ubangiji ya sa yă yi.
29 Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
Bari yă ɓoye fuskarsa cikin ƙura kila akwai bege.
30 Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
Bari yă ba da kumatunsa a mare shi, yă kuma bari a ci masa mutunci.
31 Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
Gama Ubangiji ba ya yashe mutane har abada.
32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony.
Ko da ya kawo ɓacin rai, zai nuna tausayi sosai, ƙaunarsa tana da yawa.
33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.
Gama ba haka kawai yake kawo wahala ko ɓacin rai ga’yan adam ba.
34 Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra,
Bai yarda a tattake’yan kurkuku a ƙasa ba,
35 Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra,
ko kuma a danne wa mutum hakkinsa a gaban Maɗaukaki,
36 Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.
ko kuma a danne wa mutum shari’ar gaskiya ashe Ubangiji ba zai ga irin waɗannan abubuwa ba?
37 Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo?
Wane ne ya isa yă yi magana kuma ta cika in ba Ubangiji ne ya umarta ba?
38 Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza?
Ba daga bakin Maɗaukaki ne bala’i da abubuwa masu kyau suke fitowa ba?
39 Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy?
Don mene ne wani mai rai zai yi gunaguni sa’ad da aka ba shi horo domin zunubansa?
40 Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.
Bari mu auna tafiyarmu mu gwada ta, sai mu kuma koma ga Ubangiji.
41 Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
Bari mu ɗaga zuciyarmu da hannuwanmu ga Allah na cikin sama, mu ce,
42 Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
“Mun yi zunubi mun yi tawaye ba ka kuwa gafarta ba.
43 Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
“Ka rufe kanka da fushi, ka fafare mu; ka karkashe mu ba tausayi.
44 Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
Ka rufe kanka da gajimare don kada addu’armu ta kai wurinka.
45 Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay.
Ka mai da mu tarkace da juji a cikin mutane.
46 Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
“Dukan maƙiyanmu suna ta yin mana magana marar daɗi.
47 Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
Muna cika da tsoro, da lalatarwa da hallakarwa.”
48 Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy.
Hawaye na kwararowa daga idanuna domin an hallaka mutanena.
49 Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
Idanuna za su ci gaba da kwararowa da hawaye, ba hutawa.
50 Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
Har sai in Ubangiji ya duba daga sama ya gani.
51 Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.
Abin da nake gani yana kawo mini baƙin ciki domin dukan matan birnina.
52 Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
Maƙiyana suna farauta ta ba dalili kamar tsuntsu.
53 Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
Sun yi ƙoƙari su kashe ni a cikin rami suka kuma jajjefe ni da duwatsu;
54 Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!
ruwaye suka rufe kaina, sai na yi tunani cewa na kusa mutuwa.
55 Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
Na yi kira ga sunanka, ya Ubangiji, daga rami mai zurfi.
56 Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
Ka ji roƙona, “Kada ka toshe kunnuwanka ka ƙi jin roƙona na neman taimako.”
57 Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
Ka zo kusa lokacin da na kira ka, kuma ka ce mini, “Kada ka ji tsoro.”
58 Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
Ya Ubangiji, ka goyi bayana; ka fanshi raina.
59 Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
Ya Ubangiji, ka ga inda aka yi mini ba daidai ba. Ka shari’anta, ka ba ni gaskiya!
60 Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
Ka ga zurfin ramakonsu, da duk mugun shirin da suke yi mini.
61 Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
Ya Ubangiji, ka ji zaginsu, da duka mugun shirin da suke yi mini
62 Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
Abin da maƙiyana suke yin raɗa a kai game da ni duk yini.
63 Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
Dube su! A zaune ko a tsaye, suna yi mini ba’a cikin waƙoƙinsu.
64 Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô.
Ka ba su abin da ya dace su samu, ya Ubangiji, domin abin da hannuwansu suka yi.
65 Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
Ka sa yana ta rufe zuciyarsu, kuma bari la’anarka ta bi su.
66 Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah.
Ka fafare su cikin fushi ka hallaka su daga cikin duniya ta Ubangiji.

< Fitomaniana 3 >