< Fitomaniana 3 >

1 Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
I am the man that hath seen affliction under the rod of His wrath;
2 Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava.
He hath led me and brought me into darkness, and not into light;
3 Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
Yea, against me doth he again and again turn his hand all the day long.
4 Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
My flesh and my skin hath he made old; he hath broken my bones.
5 Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
He hath builded against me, and encompassed me with bitterness and woe.
6 Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
He hath set me in dark places, as those that have long been dead.
7 Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
He hath hedged me about, so that I cannot get out; he hath made my chain heavy;
8 Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
Yea, when I cry and call aloud, he shutteth out my prayer.
9 Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
He blocketh up my way with hewn stone; he maketh my paths crooked.
10 Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;
A bear lying in wait hath he been to me, a lion in lurking-places.
11 Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
He hath turned aside my ways, and torn me in pieces; he hath made me desolate.
12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
He hath bent his bow, and set me as a mark for the arrow.
13 Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ ny voako Izy.
He hath caused the sons of his quiver to pierce my reins.
14 Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
I have been a laughing-stock to all my people, their song all the day.
15 Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
He hath filled me with bitterness; he hath made me drunk with wormwood.
16 Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho.
He hath also broken my teeth with gravel-stones; He hath covered me with ashes.
17 Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
Yea, thou hast removed my soul far from peace; I have forgotten prosperity.
18 Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah.
And I say, “My confidence and my hope in Jehovah are gone!”
19 Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
Remember my affliction and my misery, the wormwood and the gall!
20 Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
Yea, thou wilt remember them, for my soul sinketh within me!
21 Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
This I recall to my mind; therefore have I hope;
22 Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
It is of the mercy of Jehovah that we are not consumed; yea, his compassion faileth not;
23 Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
It is new every morning; great is thy faithfulness.
24 Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
Jehovah is my portion, saith my soul, therefore do I hope in him.
25 Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy.
Jehovah is good to them that trust in him, to the soul that seeketh him.
26 Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.
It is good that a man hope, and quietly wait for salvation from Jehovah.
27 Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
It is good for a man that he bear the yoke in his youth;
28 Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
That he sit alone and keep silence, since He layeth it upon him;
29 Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
That he put his mouth in the dust, [[saying to himself, ]] “Perhaps there may be hope!”
30 Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
That he offer his cheek to the smiter; that he be filled with reproach.
31 Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
For the Lord will not cast off forever;
32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony.
For though he cause grief, yet doth he have compassion according to his great mercy;
33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.
For he doth not willingly afflict and grieve the children of men.
34 Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra,
Doth one trample under foot all the prisoners of the earth,
35 Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra,
Doth he bend the right of a man before the face of the Most High,
36 Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.
Doth he subvert a man in his cause, and shall not the Lord behold it?
37 Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo?
Who is he that saith, and it cometh to pass, when the Lord hath not commanded?
38 Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza?
Cometh not evil, as well as good, from the mouth of the Most High?
39 Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy?
Wherefore then murmureth the living man? Let him murmur at his own sin!
40 Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.
Let us search and try our ways, and turn again to Jehovah!
41 Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
Let us lift up our hearts with our hands to God in the heavens!
42 Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
We have transgressed; we have rebelled; thou hast not forgiven!
43 Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
Thou hast hidden thyself in anger, and hast pursued us; thou hast slain and hast not spared;
44 Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
Thou hast hidden thyself in a cloud, that our prayer may not pass through;
45 Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay.
Thou hast made us the offscouring and refuse in the midst of the nations.
46 Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
All our enemies have opened their mouths against us;
47 Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
Terror and the pit have come upon us, desolation and destruction;
48 Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy.
Mine eye runneth down with streams of water for the destruction of the daughter of my people.
49 Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
Mine eye trickleth down and ceaseth not, without any intermission,
50 Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
Until Jehovah look down and behold from heaven.
51 Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.
Mine eye is painful to me on account of all the daughters of my city.
52 Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
They that are my enemies without cause hunt me down like a bird;
53 Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
They take away my life in the dungeon; they cast a stone upon me;
54 Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!
Waters flow over my head; I say, “I am undone!”
55 Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
I call upon thy name, O Jehovah, from the deep dungeon;
56 Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
Hear thou my voice! hide not thine ear from my cry for relief!
57 Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
Be near to me, when I call upon thee! Say, “Fear not!”
58 Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
Thou maintainest my cause, O Lord; thou redeemest my life!
59 Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
Thou, O Jehovah, seest the wrong done to me; Maintain thou my cause!
60 Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
Thou seest all their vengeance, all their devices against me.
61 Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
Thou hearest their reproach, O Jehovah, all their devices against me,
62 Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
The words of my adversaries, and their machinations against me all the day long!
63 Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
Behold their sitting down and their rising up! I am their song.
64 Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô.
Render to them a recompense, O Jehovah, according to the work of their hands!
65 Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
Give them blindness of mind! thy curse be upon them!
66 Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah.
Pursue them in thine anger, and destroy them from under Jehovah's heaven!

< Fitomaniana 3 >