< Mpitsara 9 >

1 Ary Abimeleka, zanak’ i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin’ ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin’ izay rehetra isan’ ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
Siku moja Abimeleki mwana wa Yerub-Baali akaenda kwa ndugu ya mama yake huko Shekemu na kuwaambia yeye na ukoo wote wa mama yake,
2 Mba mitenena ianareo eo anatrehan’ ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan’ izy fito-polo lahy zanak’ i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan’ ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
“Waulizeni watu wote wa Shekemu, ‘Lipi lililo bora kwenu: Kutawaliwa na wana wote sabini wa Yerub-Baali, au mtu mmoja peke yake?’ Kumbukeni kwamba, mimi ni mfupa wenu nyama yenu hasa.”
3 Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan’ ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon’ ireo dia ta-hanaraka an’ i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
Ndugu za mama yake walipowaeleza watu wote wa Shekemu, wakaelekea kumkubali Abimeleki, kwa kuwa walisema, “Yeye ni ndugu yetu.”
4 Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon’ i Bala-berita izy, ary nanambazan’ i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
Wakampa shekeli sabini za fedha kutoka hekalu la Baal-Berithi, naye Abimeleki akaitumia kuajiri watu ovyo wasiojali, wakawa ndio wafuasi wake.
5 Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak’ i Jerobala, teo ambonin’ ny vato iray; ary Jotama, faralahin’ i Jerobala, no sisa velona, satria niery izy.
Akaenda nyumbani kwa baba yake huko Ofra, na juu ya jiwe moja wakawaua ndugu zake sabini, ambao ni wana wa Yerub-Baali. Lakini Yothamu, mwana mdogo wa wote wa Yerub-Baali, akaokoka kwa kujificha.
6 Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an’ i Abimeleka teo anilan’ ny hazo terebinta, akaikin’ ny tsangambato any Sekema.
Ndipo watu wote wa Shekemu na Beth-Milo wakakusanyika pamoja chini ya mti mkubwa wa mwaloni penye nguzo iliyoko Shekemu wakamvika Abimeleki taji kuwa mfalme.
7 Ary nisy nilaza izany tamin’ i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon’ ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan’ Andriamanitra anareo kosa.
Yothamu alipoambiwa hayo, akapanda juu ya kilele cha mlima Gerizimu, akawapazia sauti yake akawaambia, “Nisikilizeni enyi watu wa Shekemu, ili Mungu naye apate kuwasikiliza ninyi.
8 Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin’ ny oliva: Manjaka aminay ianao.
Siku moja miti ilitoka ili kwenda kujitawazia mfalme. Ikauambia mzeituni, ‘Wewe uwe mfalme wetu.’
9 Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan’ ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
“Lakini mzeituni ukaijibu, ‘Je, niache kutoa mafuta yangu ambayo kwake miungu na wanadamu huheshimiwa, ili nikawe juu ya miti?’
10 Ary hoy ny hazo tamin’ ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay.
“Kisha miti ikauambia mtini, ‘Njoo na uwe mfalme wetu!’
11 Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
“Lakini mtini ukaijibu, ‘Je, niache kutoa matunda yangu mazuri na matamu, ili niende nikawe juu ya miti?’
12 Dia hoy ny hazo tamin’ ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.
“Ndipo miti ikauambia mzabibu, ‘Njoo na uwe mfalme wetu.’
13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an’ Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
“Lakini mzabibu ukaijibu, ‘Je, niache kutoa divai yangu inayofurahisha miungu na wanadamu ili nikawe juu ya miti?’
14 Ary hoy ny hazo rehetra tamin’ ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
“Mwishoni miti yote ikauambia mti wa miiba, ‘Njoo na uwe mfalme wetu.’
15 Fa hoy ny tsilo tamin’ ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ ny tsilo ka handevona ny sederan’ i Libanona.
“Nao mti wa miiba ukaijibu, ‘Kama kweli mnataka niwe mfalme wenu, basi njooni mpate kupumzika chini ya kivuli changu. Lakini kama sivyo, moto na utoke kwenye mti wa miiba ukateketeze mierezi ya Lebanoni!’
16 Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin’ ny nampanjakanareo an’ i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin’ i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon’ ny tànany izy
“Basi ikiwa mmetenda kwa uaminifu na heshima kumfanya Abimeleki kuwa mfalme, na kama mmetendea vyema Yerub-Baali na jamaa yake kama ilivyostahili:
17 (fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Midiana;
kwa kuwa baba yangu aliwapigania ninyi na kuhatarisha nafsi yake na kuwaokoa ninyi kutoka mikononi mwa Wamidiani
18 nefa ianareo kosa niodina tamin’ ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin’ ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin’ ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
(lakini leo mmeasi dhidi ya jamaa ya baba yangu, na kuwaua wanawe sabini juu ya jiwe moja, nanyi mkamfanya Abimeleki mwana wa mwanamke mtumwa kuwa mfalme juu ya Shekemu, kwa kuwa yeye ni ndugu yenu),
19 koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’ i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin’ i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
nanyi kama basi mmemtendea Yerub-Baali na jamaa yake kwa heshima na uaminifu, basi Abimeleki na awe furaha yenu, nanyi mwe furaha yake pia!
20 Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin’ i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin’ ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an’ i Abimeleka.
Lakini kama sivyo, moto na utoke kwa Abimeleki na uwateketeze, ninyi watu wa Shekemu na Beth-Milo, nao moto utoke kwenu, watu wa Shekemu na Beth-Milo umteketeze Abimeleki!”
21 Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an’ i Abimeleka rahalahiny.
Ndipo Yothamu akakimbia, akatoroka akaenda Beeri, akaishi huko, kwa sababu alimwogopa ndugu yake Abimeleki.
22 Ary rehefa nanapaka telo taona tamin’ ny Isiraely Abimeleka,
Baada ya Abimeleki kutawala Israeli kwa muda wa miaka mitatu,
23 Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin’ i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an’ i Abimeleka,
Mungu akaruhusu roho mbaya kati ya Abimeleki na watu wa Shekemu, nao watu wa Shekemu wakamtendea Abimeleki kwa hila.
24 mba hitsingerenan’ ny loza natao tamin’ ny namonoana ny zanak’ i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an’ i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.
Hili lilitokea ili ule ukatili waliotendewa hao wana sabini wa Yerub-Baali upatilizwe, na damu yao iwe juu ya Abimeleki ndugu yao aliyewaua, na pia iwe juu ya watu wa Shekemu, ambao walimsaidia kuua ndugu zake.
25 Ary nanaovan’ ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin’ ny otrika izay rehetra nandalo tamin’ izany lalana izany; ary nolazaina tamin’ i Abimeleka izany.
Hivyo, kutokana na uadui juu yake watu wa Shekemu wakaweka watu wa kumvizia katika vilele vya milima. Wakawanyangʼanya watu wote waliopita karibu nao, nayo haya yakaarifiwa kwa Abimeleki.
26 Dia tonga tao Gala, zanak’ i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
Basi Gaali mwana wa Ebedi akaenda pamoja na ndugu zake wakaingia Shekemu, nao watu wa huko wakamtumainia yeye.
27 Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an’ i Abimeleka.
Wakaenda mashambani mwao kuvuna zabibu na kuzisindika hizo zabibu, wakafanya sikukuu katika hekalu la mungu wao. Wakati wakila na kunywa, wakamlaani Abimeleki.
28 Ary hoy Gala, zanak’ i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak’ i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’ i Hamora, rain’ i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
Gaali mwana wa Ebedi akasema, “Abimeleki ni nani, na Shekemu ni nani, hata tumtumikie? Je, yeye si mwana wa Yerub-Baali? Naye Zebuli si ndiye msaidizi wake? Basi watumikieni watu wa Hamori, babaye Shekemu. Kwa nini tumtumikie Abimeleki?
29 Ary enga anie ka ho eo ambanin’ ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin’ i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
Laiti watu hawa wangekuwa chini ya amri yangu! Basi mimi ningemwondoa huyo Abimeleki. Ningemwambia Abimeleki, ‘Ondoa jeshi lako lote.’”
30 Ary rehefa ren’ i Zebola, komandin’ ny tanàna, ny tenin’ i Gala, zanak’ i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
Zebuli aliyekuwa mtawala wa mji aliposikia aliyosema Gaali mwana wa Ebedi, akakasirika sana.
31 Dia naniraka olona mangingina tany amin’ i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak’ i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
Akatuma ujumbe uende kwa Abimeleki kwa siri na kusema, “Gaali mwana wa Ebedi na ndugu zake wamekuja Shekemu, na wanauchochea mji huu kinyume chako.
32 Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
Sasa, basi, usiku huu wewe uondoke na watu wako ili mje kuwavizia mashambani.
33 Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan’ ny tananao.
Kisha asubuhi wakati wa kuchomoza jua, amka mapema na ujipange dhidi ya huo mji. Wakati yeye na jeshi lililo pamoja naye watakapotoka kukabiliana nanyi, mwaweza kuwatendea kwa kadiri mnavyoweza.”
34 Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin’ i Sekema,
Kwa hiyo Abimeleki pamoja na jeshi lake lote wakaondoka usiku na kujificha karibu na Shekemu wakiwa vikosi vinne.
35 Dia nivoaka Gala, zanak’ i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna; dia niroatra avy tao am-panotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
Basi Gaali mwana wa Ebedi alikuwa ametoka nje akawa amesimama katika ingilio la mji wakati ule ule ambao Abimeleki na watu wake walipokuwa wanatoka sehemu zao za maficho.
36 Ary rehefa hitan’ i Gala ny olona, dia hoy izy tamin’ i Zebola: Indreo, misy olona midìna avy eny an-tampon’ ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
Gaali alipowaona, akamwambia Zebuli, “Tazama, watu wanashuka kutoka kwenye vilele vya milima!” Zebuli akajibu, “Wewe unaona vivuli vya milima kana kwamba ni watu.”
37 Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin’ ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin’ ny lalana eo amin’ ny hazo terebinta Meonenima.
Lakini Gaali akasema tena, “Tazama, watu wanashuka kutoka katikati ya nchi na kikosi kimoja kinakuja kutoka Tabur-Ezeri na kikosi kingine kutoka upande wa Elon-Meonenimu.”
38 Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
Ndipo Zebuli akamwambia, “Kuko wapi kujivuna kwako sasa, wewe uliyesema, ‘Huyo Abimeleki ni nani hata tumtumikie?’ Hawa si wale watu uliowadharau? Toka nje sasa ukapigane nao!”
39 Dia nivoaka teo anoloan’ ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin’ i Abimeleka.
Basi Gaali akatoka akawaongoza watu wa Shekemu kupigana na Abimeleki.
40 Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan’ ny vavahady aza.
Abimeleki akamfukuza, watu wengi wakajeruhiwa katika kukimbia huko, njia nzima hadi kwenye ingilio la lango.
41 Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an’ i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
Abimeleki akakaa Aruma, naye Zebuli akawafukuza Gaali na ndugu zake watoke Shekemu.
42 Ary nony ampitson’ iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin’ i Abimeleka izany,
Kesho yake watu wa Shekemu wakatoka wakaenda mashambani, Abimeleki akaambiwa juu ya jambo hili.
43 Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
Hivyo akawachukua watu wake, akawagawanya katika vikosi vitatu na kuwaweka waviziao huko mashambani. Alipowaona watu wanatoka kwenda nje ya mji, akainuka dhidi yao na kuwashambulia.
44 Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
Abimeleki pamoja na vile vikosi wakaharakisha kwenda mbele kwenye nafasi, mahali pa ingilio la lango la mji. Vile vikosi viwili vikawawahi wale waliokuwa mashambani na kuwaua.
45 Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
Siku hiyo nzima Abimeleki akazidisha mashambulizi yake dhidi ya mji hadi akawa ameuteka na kuwaua watu wa huo mji. Kisha akauangamiza mji na kusambaza chumvi juu yake.
46 Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin’ ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin’ ny efi-trano fierena tao an-tranon’ i Berita andriamaniny izy.
Kwa kusikia jambo hili watu wote katika mnara wa Shekemu, wakaingia kwenye ngome ya hekalu la El-Berithi.
47 Ary nolazaina tamin’ i Abimeleka fa tafangona tao amin’ ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
Abimeleki aliposikia kuwa wamekusanyika huko,
48 Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
yeye na watu wake wote wakakwea kwenye Mlima Salmoni. Abimeleki akachukua shoka, akakata baadhi ya matawi, ambayo aliyachukua mabegani. Akawaagiza wale watu waliokuwa pamoja naye kuwa, “Fanyeni kile mlichoona mimi nikifanya!”
49 Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an’ i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin’ ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin’ ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
Basi watu wote wakakata matawi na kumfuata Abimeleki. Wakayakusanya hayo matawi juu ya ngome na kuitia moto ili kuwachoma wale watu wote waliokuwa ndani yake. Hivyo watu wote katika mnara wa Shekemu, karibia watu 1,000 waume kwa wake, pia wakafa.
50 Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin’ i Tebeza ka nahafaka azy.
Baadaye Abimeleki akaenda Thebesi na kuuzingira kwa jeshi na kuuteka.
51 Fa nisy tilikambo mafy tao anatin’ ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon’ ny tilikambo izy.
Hata hivyo, ndani ya huo mji kulikuwa na mnara imara, ambako watu wote wa mji wanaume na wanawake, watu wote wa mji, walikimbilia ndani yake. Wakajifungia ndani yake na kupanda juu ya paa la mnara.
52 Ary Abimeleka nankany amin’ ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran’ ny tilikambo izy handoro azy amin’ ny afo.
Abimeleki akaja kwenye ule mnara na kuushambulia, lakini alipokaribia kwenye ingilio la mnara ili kuuchoma kwa moto,
53 Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin’ ny lohan’ i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.
mwanamke mmoja akaangusha sehemu ya juu ya jiwe la kusagia juu ya kichwa cha Abimeleki, likapasua fuvu la kichwa chake.
54 Dia nantsoin’ i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan’ ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
Akamwita kwa haraka kijana yule aliyechukua silaha zake, na kumwambia, “Chukua upanga wako na uniue, watu wasije wakasema kwamba, ‘Mwanamke amemuua.’” Basi yule kijana akamchoma upanga, naye akafa.
55 Ary rehefa hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin’ ny fonenany avy izy.
Waisraeli walipoona kuwa Abimeleki amekufa, kila mtu akaenda nyumbani kwake.
56 Izany no namalian’ Andriamanitra ny ratsy nataon’ i Abimeleka, izay efa nataony tamin’ ny rainy tamin’ ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.
Hivyo ndivyo Mungu alivyolipiza uovu ule ambao Abimeleki alikuwa ameutenda kwa baba yake kwa kuwaua ndugu zake sabini.
57 Ary ny ratsy rehetra nataon’ ny mponina tao Sekema dia natsingerin’ Andriamanitra tamin’ ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon’ i Jotama, zanak’ i Jerobala.
Mungu akawapatiliza watu wa Shekemu uovu wao juu ya vichwa vyao, na juu yao ikaja laana ya Yothamu mwana wa Yerub-Baali.

< Mpitsara 9 >