< Mpitsara 9 >

1 Ary Abimeleka, zanak’ i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin’ ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin’ izay rehetra isan’ ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
耶魯巴耳的兒子阿彼默肋客到舍根去見他的母舅們,對他們和他母家的人說:「
2 Mba mitenena ianareo eo anatrehan’ ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan’ izy fito-polo lahy zanak’ i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan’ ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
請你們問一問舍根所有的公民:是耶魯巴耳的兒子七十人治理你們好呢﹖還是一個人治理你們好呢﹖你們還要記得:我是你們的骨肉。」
3 Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan’ ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon’ ireo dia ta-hanaraka an’ i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
他的母舅們就替他把這些話傳給舍根所有的公民;他們的心都傾向阿彼默肋客,因為他們說:「他確是我們的兄弟! 」
4 Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon’ i Bala-berita izy, ary nanambazan’ i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
他們遂從巴耳貝黎特廟裏拿了七十塊銀錢給他,阿彼默肋客就用這些錢僱了一些放蕩無賴之徒跟隨他。
5 Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak’ i Jerobala, teo ambonin’ ny vato iray; ary Jotama, faralahin’ i Jerobala, no sisa velona, satria niery izy.
他回到敖弗辣他父親家裏,在一塊石頭上把自己的兄弟,即耶魯巴耳的兒子七十人都殺了,只剩下耶魯巴耳的幼子約堂,因為他藏了起來。
6 Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an’ i Abimeleka teo anilan’ ny hazo terebinta, akaikin’ ny tsangambato any Sekema.
於是舍根所有的公民和貝特米羅人都集合起來,在舍根的紀念碑前那棵橡樹下,立阿彼默肋客為王。約堂講寓言
7 Ary nisy nilaza izany tamin’ i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon’ ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan’ Andriamanitra anareo kosa.
有人將此事告訴了約堂,約堂就上了革黎斤山頂,站在那裏,高聲向他們喊說:「舍根公民,請你們聽我,望天主也聽你們!
8 Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin’ ny oliva: Manjaka aminay ianao.
有一次,眾樹要去立一樹為他們的君王,就對橄欖樹說:請你作我們的君王!
9 Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan’ ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
橄欖樹回答說:人用我的油來敬禮神,尊崇人,難道要我放棄出油,而去搖搖在眾樹之上嗎﹖
10 Ary hoy ny hazo tamin’ ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay.
眾樹又對無花果樹說:請你來作我們的君王!
11 Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
無花果樹回答說:難道要我捨掉我的甘甜和美果,而去搖搖在眾樹之上嗎﹖
12 Dia hoy ny hazo tamin’ ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.
眾樹又對葡萄樹說:請你來作我們的君王!
13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an’ Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
葡萄樹就回答說:我的新酒悅樂神人,難道要我放棄出產,而去搖搖在眾樹之上嗎﹖
14 Ary hoy ny hazo rehetra tamin’ ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
於是眾樹對荊棘說:請你來作我們的君王!
15 Fa hoy ny tsilo tamin’ ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ ny tsilo ka handevona ny sederan’ i Libanona.
荊棘對樹木答道:若你們真願立我作你們的君王,來罷! 躲在我的蔭下;否則,火必從荊棘冒出,吞滅黎巴嫩的香柏木。
16 Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin’ ny nampanjakanareo an’ i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin’ i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon’ ny tànany izy
現在,你們立阿彼默肋客為王,如果你們認為作的真誠正直,如果你們認為是善待了耶魯巴耳和他的家族,如果你們認為你們這樣行事,對得起他一手所立的功勳,─
17 (fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Midiana;
因為原是我父親為你們作戰而捨生,把你們由米德楊手中救出來。
18 nefa ianareo kosa niodina tamin’ ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin’ ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin’ ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
然而你們今日卻來反對我父親的家族,在一塊石頭上殺了他的兒子七十人,立他婢女的兒子阿彼默肋客為舍根公民的君王,因為他是你們的弟兄。─
19 koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’ i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin’ i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
今天如果你們認為以真誠正直對待了耶魯巴耳和他的家族,那麼,你們就因阿彼默肋客而喜樂罷! 希望他有因你們而喜樂!
20 Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin’ i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin’ ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an’ i Abimeleka.
不然,願火從阿彼默肋客發出,吞滅舍根的公民和貝特米羅! 也願火從舍根的公民和貝特米羅發出,吞滅阿彼默肋客! 」
21 Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an’ i Abimeleka rahalahiny.
以後約堂出走,逃到貝爾去了,住在那裏,遠避他的哥哥阿彼默肋客。舍根叛變
22 Ary rehefa nanapaka telo taona tamin’ ny Isiraely Abimeleka,
阿彼默肋客治理以色列三年。
23 Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin’ i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an’ i Abimeleka,
天主使惡神降在阿彼默肋客和舍根公民中間,舍根的公民便背叛了阿彼默肋客,
24 mba hitsingerenan’ ny loza natao tamin’ ny namonoana ny zanak’ i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an’ i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.
要報復對耶魯巴耳七十個兒子的罪行,將他們的血歸於他們的兄弟阿彼默肋客,因為是他殺害了他們;也歸於舍根的公民,因為他們曾鼓勵他殺害自己的兄弟。
25 Ary nanaovan’ ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin’ ny otrika izay rehetra nandalo tamin’ izany lalana izany; ary nolazaina tamin’ i Abimeleka izany.
舍根公民為反抗他,就在山頂上設下伏兵,搶掠所有路過他們那裏的人:有人將這事報告給阿彼默肋客。
26 Dia tonga tao Gala, zanak’ i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
那時厄貝得的兒子加阿耳和他同族的人遷徙到舍根,舍根的居民竟信任了他;
27 Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an’ i Abimeleka.
他們便到田間收葡萄,榨酒,開慶祝會,到他們的神廟裏又吃又喝,也咒罵了阿彼默肋客。
28 Ary hoy Gala, zanak’ i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak’ i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’ i Hamora, rain’ i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
厄貝得的兒子加阿耳說:「阿彼默肋客是誰,我們舍根人是誰,我們竟該服侍他﹖豈不是耶魯巴耳的兒子和官員則步耳,該服侍舍根的始祖哈摩爾的後人嗎﹖我們為什麼要服侍阿彼默肋客﹖
29 Ary enga anie ka ho eo ambanin’ ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin’ i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
恨不得這百姓交於我手中,好把阿彼默肋客除掉。我要對阿彼默肋客說:增派你的軍隊出征罷! 」
30 Ary rehefa ren’ i Zebola, komandin’ ny tanàna, ny tenin’ i Gala, zanak’ i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
則步耳城尉聽到厄貝得的兒子加阿耳的話,大發忿怒,
31 Dia naniraka olona mangingina tany amin’ i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak’ i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
遂打發使者去見在阿魯瑪的阿彼默肋客說:「看,厄貝得的兒子加阿耳和他的同族人,來到舍根,挑唆全城反叛你。
32 Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
所以現在你和跟隨你的人夜裏要起來,埋伏在田野間,
33 Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan’ ny tananao.
明天早晨太陽一出來,就攻城。當他和隨從他的人出來抵抗你時,你看看怎樣好,就怎樣對付他。」
34 Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin’ i Sekema,
阿彼默肋客遂同所有跟隨他的人夜間起身,分作四隊,對著舍根設下埋伏。
35 Dia nivoaka Gala, zanak’ i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna; dia niroatra avy tao am-panotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
當厄貝得的兒子加阿耳出來,站在城門口時,阿彼默肋客便與隨從他的人從埋伏的地方出來,
36 Ary rehefa hitan’ i Gala ny olona, dia hoy izy tamin’ i Zebola: Indreo, misy olona midìna avy eny an-tampon’ ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
加阿耳一見這些人就對則步耳說:「看,有人從山頂下來! 」則步耳回答他說:「你看見山影,誤以為是人! 」
37 Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin’ ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin’ ny lalana eo amin’ ny hazo terebinta Meonenima.
加阿耳接著又說:「看,有人從高地出來,又有一隊沿巫士橡樹道上前來。」
38 Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
則步耳對他說:「現在你的口在那裏﹖不是你曾說過:阿彼默肋客是誰,要我們服侍他﹖這不是你所輕視的人嗎﹖現在請你出去攻打他罷! 」
39 Dia nivoaka teo anoloan’ ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin’ i Abimeleka.
加阿耳就在舍根公民之前出去,攻打阿彼默肋客;
40 Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan’ ny vavahady aza.
a可是阿彼默肋客一追擊他,他就在他面前逃跑了;直到城門有許多傷亡的人。
41 Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an’ i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
以後阿彼默肋客回到阿魯瑪;則步耳將加阿耳和他的同族人趕走,禁止他們住在舍根。舍根滅亡
42 Ary nony ampitson’ iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin’ i Abimeleka izany,
第二天早晨,人民到田野裏去,有人告訴了阿彼默肋客,
43 Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
他於是把自己的人分作三隊,叫他們埋伏在田間;他自己窺望,當他看見百姓從城裏出來,就衝過去,擊殺了他們;
44 Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
當時阿彼默肋客與跟隨他的軍隊衝過去,把住城門口,而另兩隊衝向田間的眾人,殺了他們。
45 Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
那一天,阿彼默肋客整天攻打那城,把城攻下,殺了城中的居民,把城拆毀,撒上鹽。
46 Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin’ ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin’ ny efi-trano fierena tao an-tranon’ i Berita andriamaniny izy.
舍根碉堡裏的人聽見此事,就躲到巴耳貝黎特廟裏的地穴裏。
47 Ary nolazaina tamin’ i Abimeleka fa tafangona tao amin’ ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
有人告訴阿彼默肋客,人民都聚集在舍根碉堡內。
48 Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
阿彼默肋客和跟隨他的人就上了匝耳孟山;阿彼默肋客手裏拿著一把斧頭,砍了一根樹枝,拿起來放在肩上,然後向跟隨他的人說:「你們看我作什麼,你們也趕快照樣去作! 」
49 Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an’ i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin’ ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin’ ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
於是眾人都各砍了根樹枝,隨著阿彼默肋客把樹枝堆在地穴上,在地穴上點了火,於是舍根碉堡裏所有的人都死了,男女約有一千人。阿彼默肋客的結局
50 Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin’ i Tebeza ka nahafaka azy.
此後阿彼默肋客往特貝茲去,安營攻打特貝茲,也佔據了那城。
51 Fa nisy tilikambo mafy tao anatin’ ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon’ ny tilikambo izy.
在那城中有一座堅固的城堡,該城所有的公民,男男女女都跑到那裏躲避,關上門,上到碉堡頂上。
52 Ary Abimeleka nankany amin’ ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran’ ny tilikambo izy handoro azy amin’ ny afo.
阿彼默肋客來到碉堡前攻打;當他走近碉堡門口,要放火焚燒時,
53 Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin’ ny lohan’ i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.
有一個婦人拋下了一塊磨石,正落在阿彼默肋客頭上,打碎了他的頭蓋骨。
54 Dia nantsoin’ i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan’ ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
他急忙喊叫替他執戟的少年,向他說:「拔出你的刀殺了我罷! 免得人講論我說:一個女子殺了他! 」那少年就用刀刺死了他。
55 Ary rehefa hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin’ ny fonenany avy izy.
以色列人一見阿彼默肋客死了,各回了本家。
56 Izany no namalian’ Andriamanitra ny ratsy nataon’ i Abimeleka, izay efa nataony tamin’ ny rainy tamin’ ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.
於是天主報復了阿彼默肋客對他父親所行的惡事,因為他殺了自己的七十個兄弟;
57 Ary ny ratsy rehetra nataon’ ny mponina tao Sekema dia natsingerin’ Andriamanitra tamin’ ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon’ i Jotama, zanak’ i Jerobala.
並且天主也把舍根人的一切惡行歸在他們自己的頭上:這樣耶魯巴耳的兒子約堂的詛咒,也應驗在他們身上。

< Mpitsara 9 >