< Mpitsara 8 >
1 Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Efraima tamin’ i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin’ ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
Mibali ya Efrayimi batunaki Jedeon: — Bizaleli ya boye elakisi nini epai na biso? Mpo na nini obengaki biso te tango okendeki kobundisa bato ya Madiani? Mpe basilikelaki ye makasi.
2 Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’ izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’ i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’ i Abiezera?
Kasi Jedeon azongiselaki bango: — Nasali nini oyo ekokani na oyo bino bosala? Boni, ndambo ya bambuma ya vino oyo etikalaki na sima mpo ete Efrayimi abuka yango ezali kitoko te koleka bambuma ya vino ya liboso ya Abiezeri?
3 Teo an-tananareo no nanoloran’ Andriamanitra ny andrianan’ ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ ireo taminy.
Nzambe akabaki bakonzi ya bato ya Madiani, Orebi mpe Zeebi, na maboko na bino. Eloko nini ya lokumu ngai nasali oyo ekokani na oyo bino bosala? Liloba oyo ekitisaki kanda na bango.
4 Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
Jedeon elongo na basoda na ye nkama misato bakomaki na Yordani mpe bakatisaki yango. Atako balembaki, bakobaki kaka kolanda bato ya Madiani.
5 Ary hoy izy tamin’ ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an’ i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ ny Midiana.
Tango bakomaki na mboka Sukoti, Jedeon asengaki na bato ya mboka: — Bopesa basoda na ngai mapa, pamba te basili kolemba na nzala. Nazali kolanda Zeba mpe Tsalimuna, bakonzi ya Madiani.
6 Fa hoy ireo andrianan’ i Sokota: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
Kasi bakonzi ya mboka Sukoti bazongiselaki ye: — Boni, osili kozwa Zeba mpe Tsalimuna na se ya bokonzi na yo mpo ete biso topesa basoda na yo mapa?
7 Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr’ i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin’ ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.
Jedeon alobaki: — Lokola bolobi boye, tango Yawe akokaba, na maboko na ngai, Zeba mpe Tsalimuna, nakopasola-pasola misuni na bino na basende ya esobe mpe na singa ya nzube.
8 Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin’ ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin’ ny mponina tao Sokota ihany.
Wuta kuna, Jedeon amataki na mboka Penueli mpe asengaki epai ya bavandi na yango, ndenge kaka asengaki epai ya bato ya Sukoti. Kasi bato ya Penueli bazongiselaki ye ndenge kaka bato ya Sukoti basalaki.
9 Dia niteny tamin’ ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
Jedeon alobaki na bato ya Penueli: « Soki nakozonga na kimia mpe na bomoi, nakobuka ndako molayi na bino. »
10 Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin’ ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin’ ny miaramila rehetra an’ ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
Nzokande, Zeba mpe Tsalimuna bazalaki na Karikori elongo na basoda na bango, nkoto zomi na mitano. Oyo ezali nde motango nyonso ya basoda ya bato ya este oyo batikalaki. Pamba te basoda nkoto nkama moko na tuku mibale oyo bayebi kobunda na mopanga bakufaki.
11 Ary Gideona niakatra tamin’ ny lalan’ ny mpitoetra an-day, atsinanan’ i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
Bongo, Jedeon akendeki na nzela ya bavandi ya bandako ya kapo, na ngambo ya este ya Noba mpe ya Yogibeka; abetaki mampinga ya banguna na mopanga mpe alongaki bango tango bazalaki kokanisa ete bazali na kimia.
12 Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin’ ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
Zeba mpe Tsalimuna, bakonzi mibale ya Madiani, bakimaki; kasi Jedeon alandaki mpe akangaki bango. Mpe apanzaki mampinga na bango nyonso.
13 Dia niverina avy tamin’ ny ady Gideona, zanak’ i Joasy, avy teo amin’ ny fiakarana Heresa;
Jedeon, mwana mobali ya Joasi, azongaki wuta na bitumba na nzela ya ngomba Eresi.
14 ary nisambotra zatovo tamin’ ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan’ ilay zatovo ny anaran’ ireo andrianan’ i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
Akangaki elenge mobali moko kati na mibali ya mboka Sukoti, mpe atunaki ye mituna. Boye, elenge mobali yango akomelaki ye bakombo ya bakambi mpe ya bampaka tuku sambo na sambo ya engumba.
15 Ary Gideona dia nankany amin’ ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
Jedeon akendeki epai ya bato ya mboka Sukoti mpe alobaki na bango: « Tala Zeba mpe Tsalimuna oyo bofingelaki ngai na koloba: ‹ Osili kotia na se ya bokonzi na yo Zeba mpe Tsalumuna mpo ete biso topesa lipa na basoda na yo, oyo basili kolemba? › »
16 Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
Azwaki bampaka ya engumba Sukoti mpe abetisaki bango fimbu, na basende ya esobe mpe singa ya nzube.
17 Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
Abukaki ndako molayi ya Penueli mpe abomaki mibali ya engumba.
18 Dia hoy izy tamin’ i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak’ andriana avokoa izy rehetra.
Jedeon atunaki Zeba mpe Tsalimuna: — Mibali oyo bobomaki na Tabori, bazalaki ndenge nini? Bazongisaki: — Bakokanaki na yo mpe bazalaki lokola bana ya bakonzi.
19 Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
Jedeon alobaki na bango lisusu: — Bato wana bazalaki bandeko na ngai ya mibali, bana ya mama na ngai penza. Na Kombo na Yawe, soki bobikisaki bango, ngai mpe nalingaki koboma bino te.
20 Ary hoy izy tamin’ i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
Mpe apesaki mitindo na Yeteri, mwana na ye ya liboso ya mobali: « Telema mpe boma bango! » Kasi elenge mobali abimisaki mopanga na ye te, pamba te azalaki nanu elenge mpe azalaki na somo.
21 Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an’ i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin’ ny vozon’ ny ramevany.
Zeba mpe Tsalimuna balobaki: « Telema mpe boma biso yo moko, pamba te likambo oyo ekoki na bato ya mitema makasi. » Boye, Jedeon atelemaki mpe abomaki bango. Akamataki bamedayi ya wolo oyo ezalaki na bakingo ya bashamo na bango.
22 Dia hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny Midiana ianao.
Bana ya Isalaele balobaki na Jedeon: — Zala mokonzi na biso, yo moko, mwana na yo ya mobali mpe koko na yo ya mobali, pamba te obikisi biso na loboko ya bato ya Madiani.
23 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
Kasi Jedeon alobaki na bango: — Nakozala mokonzi na bino te, ezala ata mwana na ngai ya mobali. Yawe nde akozala mokonzi na bino.
24 Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
Jedeon abakisaki: — Nalingi kosenga bino eloko moko: Kati na biloko oyo bino bosili kozwa na bitumba, tika ete moko na moko kati na bino apesa ngai eloko ya litoyi. Pamba te banguna na biso bazalaki kolata biloko ya matoyi mpo ete bazali bana ya Isimaeli.
25 Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin’ ny babony teo.
Bana ya Isalaele bazongisaki: — Tokopesa yango. Batandaki elamba na mabele, moko na moko abwakaki eloko na ye ya litoyi, oyo ewutaki na bomengo ya bitumba.
26 Ary ny lanjan’ ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin’ ireo mpanjakan’ ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin’ ny vozon’ ny ramevany.
Biloko ya matoyi ya wolo, oyo Jedeon asengaki ezalaki ya bakilo pene tuku mibale, longola bamedayi ya wolo oyo ezalaki lokola sanza ya ndambo, biloko ya matoyi oyo ediembelaka, bilamba ya talo ya motane makasi oyo bakonzi ya Madiani balataki mpe mayaka oyo ezalaki na bakingo ya bashamo na bango.
27 Dia nataon’ i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’ i Gideona sy ny ankohonany izany.
Jedeon asalelaki yango ekeko oyo atiaki na Ofira, engumba na ye. Bana ya Isalaele bakomaki kokende kofukama liboso ya ekeko yango, mpe ekomaki motambo monene mpo na Jedeon mpe libota na ye.
28 Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin’ ny andron’ i Gideona.
Boye, bato ya Madiani bakitisamaki liboso ya bana ya Isalaele mpe batombolaki lisusu mito na bango te. Na tango nyonso oyo Jedeon azalaki na bomoi, mokili etikalaki na kimia mibu tuku minei.
29 Dia nandeha Jerobala, zanak’ i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
Yerubali, mwana mobali ya Joasi, azongaki na ndako na ye mpe avandaki kuna.
30 Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
Jedeon azalaki na bana tuku sambo oyo bawutaki na mokongo na ye, pamba te azalaki na basi ebele.
31 Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
Makangu na ye, oyo azalaki kovanda na Sishemi, abotelaki ye mpe mwana mobali oyo bapesaki kombo « Abimeleki. »
32 Dia maty Gideona, zanak’ i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin’ ny fasan’ i Joasy rainy tao Ofran’ ny Abiezrita izy.
Jedeon, mwana mobali ya Joasi, akufaki na kimobange ya esengo, mpe bakundaki ye kati na kunda ya Joasi, na Ofira, mboka ya libota ya Abiezeri.
33 Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak’ Isiraely ka nanao an’ i Bala-berita ho andriamaniny.
Sima na kufa ya Jedeon, bana ya Isalaele bazongelaki kosambela banzambe Bala. Bakomisaki Bala-Beriti nzambe na bango.
34 Ary ny Zanak’ Isiraely tsy nahatsiaro an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra nanodidina,
Bana ya Isalaele babosanaki Yawe, Nzambe na bango, oyo akangolaki bango na maboko ya banguna na bango.
35 sady tsy nanao soa tamin’ ny taranak’ i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon’ i Gideona tamin’ ny Isiraely, izy.
Bazongisaki ata bolamu moko te na libota ya Yerubali oyo elakisi Jedeon, mpo na bolamu nyonso oyo asalelaki Isalaele.