< Mpitsara 7 >
1 Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin’ ny loharano Haroda; ary ny tobin’ ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan’ ny havoana More.
Rũciinĩ tene, Jerubu-Baali (nĩwe Gideoni) na andũ ake othe nĩmambire hema gĩthima-inĩ kĩa Harodi. Kambĩ ya Amidiani yarĩ mwena wao wa gathigathini kũu gĩtuamba-inĩ, hakuhĩ na karĩma ka More.
2 Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
Jehova akĩĩra Gideoni atĩrĩ, “Ũrĩ na andũ aingĩ mũno gũkĩra arĩa ngwenda nĩgeetha neane Amidiani moko-inĩ mao. Nĩgeetha Isiraeli matikanjĩtĩĩre atĩ nĩ hinya wao wamahonokia,
3 Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan’ ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin’ ny tany havoan’ i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
Na rĩrĩ, anĩrĩra kũrĩ andũ, ũmeere atĩrĩ, ‘Mũndũ o wothe ũrainaina nĩ guoya no ahũndũke, ehere Kĩrĩma-inĩ kĩa Gileadi.’” Nĩ ũndũ ũcio andũ 22,000 na igĩrĩ makĩehera, magĩtigara 10,000.
4 Fa hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin’ ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
No Jehova akĩĩra Gideoni atĩrĩ, “O na rĩu andũ no aingĩ mũno. Maikũrũkie maaĩ-inĩ, na nĩngũgũthuuranĩria andũ acio ho. Ingiuga atĩrĩ, ‘Ũyũ nĩegũthiĩ hamwe nawe,’ ũcio nĩwe ũrĩthiĩ nawe; no ingiuga atĩrĩ, ‘Ũyũ ndegũthiĩ hamwe nawe,’ ũcio ndegũthiĩ nawe.”
5 Ary dia nampidinin’ i Gideona ho eo amin’ ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin’ ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
Nĩ ũndũ ũcio Gideoni agĩikũrũkia andũ acio maaĩ-inĩ. Marĩ hau Jehova akĩmwĩra atĩrĩ, “Amũrania arĩa mekũnyua maaĩ na rũrĩmĩ ta ũrĩa ngui ĩnyuuaga na arĩa mekũnyua maaĩ na hĩ ciao maturĩtie ndu.”
6 Ary telon-jato lahy no isan’ izay nanainga ny tànany tamin’ ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
Andũ magana matatũ makĩnyua maaĩ na hĩ ciao. Acio angĩ othe magĩturia ndu makĩnyua maaĩ.
7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin’ ny fonenany avy.
Jehova akĩĩra Gideoni atĩrĩ, “Nĩngũmũhonokia na ũndũ wa andũ magana matatũ arĩa manyuire maaĩ na hĩ, neane Amidiani moko-inĩ manyu. Reke andũ acio angĩ othe mathiĩ, o mũndũ ainũke gwake.”
8 Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin’ ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.
Nĩ ũndũ ũcio Gideoni akĩĩra andũ acio angĩ a Isiraeli macooke hema-inĩ ciao, no agĩtigwo na andũ magana matatũ, arĩa mooire rĩĩgu na tũrumbeta twa acio mainũkire. Na rĩrĩ, kambĩ ya Amidiani yarĩ mũhuro wake o kũu kĩanda-inĩ.
9 Ary tamin’ izany alina izany dia hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Mitsangàna, midìna ho any amin’ ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.
Ũtukũ ũcio Jehova akĩĩra Gideoni atĩrĩ, “Ũkĩra, ũikũrũke ũtharĩkĩre kambĩ ĩyo ya Amidiani, tondũ nĩndĩmĩneanĩte moko-inĩ maku.
10 Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin’ ny toby Pora zatovonao;
No angĩkorwo nĩũgwĩtigĩra gũtharĩkĩra-rĩ, gĩikũrũke kambĩ-inĩ mũrĩ na Pura ndungata yaku,
11 dia ho renao izay lazain’ ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ ny toby. Dia nidina niaraka tamin’ i Pora zatovony izy ho any an-tsisin’ ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin’ ny toby.
na ũthikĩrĩrie ũrĩa maroiga. Thuutha ũcio nĩũkũgĩa na hinya wa gũtharĩkĩra kambĩ ĩyo.” Nĩ ũndũ ũcio Gideoni na Pura ndungata yake magĩikũrũka nginya tũnyũmba-inĩ twa arangĩri a kambĩ ĩyo.
12 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
Nao Amidiani, na Aamaleki na andũ othe a mwena wa irathĩro maikarĩte kĩanda kĩu maingĩhĩte ta ngigĩ. Ngamĩĩra ciao itingĩatarĩkire nĩ ũndũ ciarĩ nyingĩ ta mũthanga wa hũgũrũrũ-inĩ cia iria ũrĩa ũtangĩtarĩka.
13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin’ ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin’ ny tobin’ ny Midìna ka nankamin’ ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
Gideoni aakinyire ho o hĩndĩ ĩrĩa mũndũ ũmwe eeraga mũratawe ũhoro wa kĩroto gĩake. Nake oigaga atĩrĩ, “Ndootete kĩroto ngoona mũgate wa cairi wa gĩthiũrũrĩ ũũkĩte ũkagwĩra kambĩ ya Amidiani. Ũragũthire hema na hinya mũnene mũno, nginya hema ĩrangʼaũka, ĩragũa.”
14 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr’ i Gideona, zanak’ i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr’ Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
Mũrata wake akĩmũcookeria atĩrĩ, “Ũyũ ti ũndũ ũngĩ tiga rũhiũ rwa Gideoni mũrũ wa Joashu, ũrĩa Mũisiraeli. Ngai nĩaneanĩte Amidiani na kambĩ yao yothe moko-inĩ make.”
15 Ary rehefa ren’ i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin’ ny tobin’ ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny tobin’ ny Midiana.
Rĩrĩa Gideoni aiguire ũhoro wa kĩroto kĩu na ũtaũri wakĩo, akĩhooya Ngai. Agĩcooka nginya kambĩ-inĩ ya Isiraeli akĩmeeta akĩmeera atĩrĩ, “Ũkĩrai! Jehova nĩaneanĩte kambĩ ya Amidiani moko-inĩ manyu.”
16 Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin’ ny siny.
Akĩgayania andũ acio magana matatũ ikundi ithatũ, akĩmanengera othe o mũndũ karumbeta na nyũngũ theri, ĩrĩ na kĩmũrĩ thĩinĩ.
17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin’ ny sisin’ ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
Nake akĩmeera atĩrĩ, “Ndoraai. Mwĩke o ũrĩa ngwĩka. Hĩndĩ ĩrĩa ndĩrĩkinya mũthia-inĩ wa kambĩ, mwĩke o ũrĩa ndĩrĩka.
18 Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An’ i Jehovah sy Gideona!
Hĩndĩ ĩrĩa niĩ na arĩa othe ndĩ nao tũrĩhuha tũrumbeta twitũ, hĩndĩ ĩyo inyuothe mũthiũrũrũkĩirie kambĩ mũhuhe twanyu na mwanĩrĩre atĩrĩ, ‘Nĩ ũndũ wa Jehova o na wa Gideoni.’”
19 Dia nankany amin’ ny sisin’ ny toby tamin’ ny fiandohan’ ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
Gideoni na andũ acio igana rĩmwe arĩa maarĩ nake magĩkinya mũthia wa kambĩ o kĩambĩrĩria-inĩ kĩa ũtukũ gatagatĩ, thuutha hanini wa gũcenjania arangĩri. Makĩhuha tũrumbeta twao na makĩũraga nyũngũ iria ciarĩ moko-inĩ mao.
20 Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr’ i Jehovah sy Gideona!
Ikundi icio ithatũ ikĩhuha tũrumbeta, na ikĩũraga nyũngũ. Maanyiitĩte imũrĩ na moko mao ma ũmotho, na makanyiita tũrumbeta twao twa kũhuha na moko mao ma ũrĩo, nao makĩanĩrĩra atĩrĩ, “Rũhiũ rwa njora rwa Jehova na rwa Gideoni!”
21 Ary samy nijanona teo amin’ ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
Na rĩrĩa o mũndũ aarũgamire handũ hake gũthiũrũrũkĩria kambĩ-rĩ, Amidiani othe magĩtengʼera, magĩkayaga morĩte.
22 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin’ i Jehovah tamin’ ny sabatra ny miaramila eran’ ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin’ ny fari-tanin’ i Abela-mehola akaiky an’ i Tabata.
Hĩndĩ ĩrĩa tũrumbeta tũu magana matatũ twahuhirwo, Jehova agĩtũma andũ arĩa maarĩ kambĩ-inĩ yothe mahũũrane na hiũ ciao cia njora mũndũ na mũndũ ũrĩa ũngĩ. Nayo mbũtũ ĩyo yothe ĩkĩũrĩra Bethi-Shita ĩrorete Zerera o nginya mũhaka-inĩ wa Abeli-Mehola gũkuhĩ na Tabathu.
23 Dia nivory ny lehilahy amin’ ny Isiraely avy tamin’ ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
Andũ a Isiraeli kuuma Nafitali, na Asheri na Manase guothe nĩmetirwo nao magĩtengʼeria Amidiani.
24 Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan’ i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midìna hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
Nake Gideoni agĩtũmana bũrũri wothe ũrĩa wa irĩma wa Efiraimu, akiuga atĩrĩ, “Ikũrũkai mũhũũrane na Amidiani na mwĩnyiitĩre maaĩ ma Jorodani mbere yao o nginya Bethi-Bara.” Nĩ ũndũ ũcio andũ othe a Efiraimu nĩmetirwo, na makĩĩnyiitĩra maaĩ ma Rũũĩ rwa Jorodani o nginya Bethi-Bara.
25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin’ ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin’ ny vatolampin’ i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin’ ny famiazam-boalobok’ i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan’ i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin’ i Gideona tany an-dafin’ i Jordana.
O na ningĩ nĩmanyiitire atongoria eerĩ a Midiani, nĩo Orebu na Zeebu. Nao makĩũragĩra Orebu ihiga-inĩ rĩa Orebu, nake Zeebu makĩmũũragĩra kĩhihĩro-inĩ kĩa ndibei kĩa Zeebu. Nao magĩthingatana na Amidiani, na magĩtwara mĩtwe ya Orebu na Zeebu kũrĩ Gideoni, ũrĩa warĩ mũrĩmo ũrĩa ũngĩ wa Rũũĩ rwa Jorodani.