< Mpitsara 6 >
1 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ka dia natolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Midiana fito taona izy;
And the children of Israel did evil in the sight of Jehovah; and Jehovah delivered them into the hand of Midian seven years.
2 ary ny tanan’ ny Midiana dia nahery tamin’ ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran’ ny Zanak’ Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin’ ny fiarovana.
And the hand of Midian prevailed against Israel. Because of the Midianites the children of Israel made for themselves the dens that are in the mountains, and the caves, and the strongholds.
3 Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
And it came to pass when Israel sowed, that Midian came up, and Amalek, and the children of the east, and came up against them.
4 Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin’ i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman’ ny Isiraely, na ondry aman’ osy, na omby, na boriky;
And they encamped against them, and destroyed the produce of the land, until thou come to Gazah, and they left no sustenance in Israel, neither sheep, nor ox, nor ass.
5 fa niakatra izy nitondra ny omby aman’ ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin’ ny tany izy handrava azy
For they came up with their cattle and their tents, and they came as locusts for multitude; both they and their camels were without number; and they entered into the land to destroy it.
6 Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin’ i Jehovah izy.
And Israel was greatly impoverished because of Midian. And the children of Israel cried to Jehovah.
7 Ary raha nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely noho ny Midiana,
And it came to pass when the children of Israel cried to Jehovah because of Midian,
8 Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin’ ny zanak’ Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny trano nahandevozana
that Jehovah sent a prophet to the children of Israel, who said to them, Thus saith Jehovah the God of Israel: I brought you up from Egypt, and brought you forth out of the house of bondage;
9 ary namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy ny tànan’ izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;
and I delivered you out of the hand of the Egyptians, and out of the hand of all that oppressed you, and drove them out from before you, and gave you their land,
10 ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon’ ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo.
and I said to you, I am Jehovah your God; fear not the gods of the Amorites, in whose land ye dwell. But ye have not hearkened to my voice.
11 Dia tonga Ilay Anjelin’ i Jehovah ka nipetraka teo ambanin’ ny hazo terebinta teo Ofra, izay an’ i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin’ ny fantàka teo anilan’ ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin’ ny Midiana.
And an angel of Jehovah came and sat under the terebinth that was in Ophrah, that [belonged] to Joash the Abi-ezrite. And his son Gideon threshed wheat in the winepress, to secure [it] from the Midianites.
12 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.
And the Angel of Jehovah appeared to him, and said to him, Jehovah is with thee, thou mighty man of valour.
13 Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’ izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain’ ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan’ ny Midiana.
And Gideon said to him, Ah my Lord, if Jehovah be with us, why then is all this befallen us? and where are all his miracles that our fathers told us of, saying, Did not Jehovah bring us up from Egypt? And now Jehovah hath cast us off, and given us into the hand of Midian.
14 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin’ izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin’ ny tanan’ ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?
And Jehovah looked upon him, and said, Go in this thy might, and thou shalt save Israel from the hand of Midian. Have not I sent thee?
15 Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ ny ankohonan’ ny raiko.
And he said to him, Ah Lord, wherewith shall I save Israel? behold, my thousand is the poorest in Manasseh, and I am the least in my father's house.
16 Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.
And Jehovah said to him, I will certainly be with thee; and thou shalt smite Midian as one man.
17 Dia hoy izy taminy: Masìna Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko.
And he said to him, If now I have found favour in thine eyes, shew me a sign that it is thou who talkest with me.
18 Masìna Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.
Depart not hence, I pray thee, until I come unto thee, and bring forth my present, and set it before thee. And he said, I will tarry until thou come again.
19 Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak’ osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin’ ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin’ ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin’ ilay hazo terebinta ka natolony Azy.
And Gideon went in, and made ready a kid of the goats, and an ephah of flour in unleavened cakes: the flesh he put in a basket, and he put the broth in a pot, and brought it out to him under the terebinth, and presented it.
20 Ary hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin’ ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.
And the Angel of God said to him, Take the flesh and the unleavened cakes, and lay them upon this rock, and pour out the broth. And he did so.
21 Ary naroson’ Ilay Anjelin’ i Jehovah ny lohan’ ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin’ ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia lasa niala teo imasony.
And the Angel of Jehovah put forth the end of the staff that was in his hand, and touched the flesh and the unleavened cakes; and there rose up fire out of the rock, and consumed the flesh and the unleavened cakes. And the Angel of Jehovah departed out of his sight.
22 Dia hitan’ i Gideona fa Anjelin’ i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nifanatrika aho.
And Gideon perceived that he was an angel of Jehovah; and Gideon said, Alas, Lord Jehovah! for because I have seen an angel of Jehovah face to face...
23 Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.
And Jehovah said to him, Peace be unto thee: fear not; thou shalt not die.
24 Ary Gideona nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah-saloma; mbola ao Ofran’ ny Abiezrita izany mandraka androany.
And Gideon built there an altar to Jehovah, and called it Jehovah-shalom. To this day it is yet in Ophrah of the Abi-ezrites.
25 Ary tamin’ izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran’ i Bala, izay an’ ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;
And it came to pass the same night, that Jehovah said to him, Take the young bullock, which thy father hath, even the second bullock of seven years old, and throw down the altar of Baal that thy father hath, and cut down the Asherah that is by it;
26 dia manorena alitara eto an-tampon’ ity fiarovana ity ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin’ ny hazon’ ny Aseraha izay hokapainao.
and build an altar to Jehovah thy God upon the top of this strong place in the ordered manner, and take the second bullock, and offer up a burnt-offering with the wood of the Asherah that thou shalt cut down.
27 Ary Gideona naka folo lahy tamin’ ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain’ i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin’ ny antoandro, fa tamin’ ny alina no nanaovany azy.
And Gideon took ten men of his servants, and did as Jehovah had said to him. And it came to pass, because he feared his father's house, and the men of the city, if he did it by day, that he did it by night.
28 Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran’ i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin’ ny alitara izay natao,
And when the men of the city arose early in the morning, behold, the altar of Baal was broken down, and the Asherah was cut down that was by it, and the second bullock was offered up upon the altar that was built.
29 dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak’ i Joasy, no nanao izany zavatra izany.
And they said one to another, Who has done this thing? And when they inquired and asked, they said, Gideon the son of Joash has done this thing.
30 Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’ i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran’ i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
And the men of the city said to Joash, Bring out thy son, that he may die, because he has broken down the altar of Baal, and because he has cut down the Asherah that was by it.
31 Ary hoy Joasy tamin’ izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an’ i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an’ i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an’ ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.
And Joash said to all that stood near him, Will ye contend for Baal? or will ye save him? he that contends for him, let him be put to death whilst it is yet morning. If he be a god, let him plead for himself, because they have broken down his altar.
32 Ary tamin’ izany andro izany ny anaran’ ny Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.
And on that day they called him Jerubbaal, saying, Let Baal plead with him, because he has broken down his altar.
33 Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin’ ny tany lemaka Jezirela.
And all Midian and Amalek and the children of the east were gathered together, and went over, and encamped in the valley of Jezreel.
34 Ary notsindrian’ ny Fanahin’ i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
And the Spirit of Jehovah came upon Gideon, and he blew the trumpet, and the Abi-ezrites were gathered after him.
35 Ary naniraka olona nankany amin’ ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin’ ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.
And he sent messengers throughout Manasseh, and they also were gathered after him; and he sent messengers to Asher, and to Zebulun, and to Naphtali; and they came up to meet them.
36 Ary hoy Gideona tamin’ Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,
And Gideon said to God, If thou wilt save Israel by my hand, as thou hast said,
37 indro, hapetrako eo amin’ ny famoloana ity volon’ ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon’ ondry ihany no lenan’ ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.
behold, I put a fleece of wool on the threshing-floor; if dew shall be on the fleece only, and it be dry upon all the ground, then shall I know that thou wilt save Israel by my hand, as thou hast said.
38 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon’ ondry, ary nisy ranon’ ando eran’ ny lovia.
And it was so. And when he rose up early on the morrow, he pressed the fleece together, and wrung dew out of the fleece, a bowl-full of water.
39 Ary hoy koa Gideona tamin’ Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin’ ny volon’ ondry: aoka ny volon’ ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan’ ny ando.
And Gideon said to God, Let not thine anger be hot against me, and I will speak but this once! Let me prove, I pray thee, but this once with the fleece; let it, I pray thee, be dry upon the fleece only, and upon all the ground let there be dew.
40 Dia nataon’ Andriamanitra izany tamin’ ny alin’ iny, ka ny volon’ ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan’ ny ando.
And God did so that night, and it was dry upon the fleece only, but on all the ground there was dew.