< Mpitsara 5 >

1 Ary Debora sy Baraka, zanak’ i Abinoama, dia nihira tamin’ izany andro izany ka nanao hoe:
那時,底波拉和亞比挪菴的兒子巴拉作歌,說:
2 Noho ny fitarihan’ ny lehibe tamin’ ny Isiraely sy ny fahazotoan’ ny vahoaka nanolotena, dia miderà an’ i Jehovah.
因為以色列中有軍長率領, 百姓也甘心犧牲自己, 你們應當頌讚耶和華!
3 Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an’ i Jehovah; hankalaza an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
君王啊,要聽! 王子啊,要側耳而聽! 我要向耶和華歌唱; 我要歌頌耶和華-以色列的上帝。
4 Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin’ ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.
耶和華啊,你從西珥出來, 由以東地行走。 那時地震天漏, 雲也落雨。
5 Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan’ i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
山見耶和華的面就震動, 西奈山見耶和華-以色列上帝的面也是如此。
6 Tamin’ ny andron’ i Samgara, zanak’ i Anata, sy tamin’ ny andron’ i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ ny mpandeha.
在亞拿之子珊迦的時候, 又在雅億的日子, 大道無人行走, 都是繞道而行。
7 Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin’ ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ ny Isiraely.
以色列中的官長停職, 直到我底波拉興起, 等我興起作以色列的母。
8 Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’ izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ ny olona efatra alina tamin’ ny Isiraely?
以色列人選擇新神, 爭戰的事就臨到城門。 那時,以色列四萬人中 豈能見盾牌槍矛呢?
9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin’ ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin’ ny vahoaka, miderà an’ i Jehovah ianareo.
我心傾向以色列的首領, 他們在民中甘心犧牲自己。 你們應當頌讚耶和華!
10 Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin’ ny lalana, samia milaza.
騎白驢的、坐繡花毯子的、行路的, 你們都當傳揚!
11 Lavitra ny feon’ ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin’ ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon’ i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin’ ny tany Isily; Tamin’ izany dia nidina ny olon’ i Jehovah ho any am-bavahady.
在遠離弓箭響聲打水之處, 人必述說耶和華公義的作為, 就是他治理以色列公義的作為。 那時耶和華的民下到城門。
12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin’ i Abinoama.
底波拉啊,興起!興起! 你當興起,興起,唱歌。 亞比挪菴的兒子巴拉啊,你當奮興, 擄掠你的敵人。
13 Tamin’ izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin’ ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.
那時有餘剩的貴冑和百姓一同下來; 耶和華降臨,為我攻擊勇士。
14 Ny avy amin’ i Efraima, izay miorina amin’ i Amaleka, dia nomba anao teo amin’ ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan’ ny mpanao lalàna, ary avy tamin’ i Zebolona ireo mitana ny tehin’ ny mpifehy.
有根本在亞瑪力人的地, 從以法蓮下來的; 便雅憫在民中跟隨你。 有掌權的從瑪吉下來; 有持杖檢點民數的從西布倫下來;
15 Ary ny andrianan’ Isakara niaraka tamin’ i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ ny sakeli-dranon’ i Robena!
以薩迦的首領與底波拉同來; 以薩迦怎樣,巴拉也怎樣。 眾人都跟隨巴拉衝下平原; 在呂便的溪水旁有心中定大志的。
16 Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan’ ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin’ ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ ny sakeli-dranon’ i Robena!
你為何坐在羊圈內 聽群中吹笛的聲音呢? 在呂便的溪水旁有心中設大謀的。
17 Gileada nitoetra tany an-dafin’ i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin’ ny fitodiany no nipetrahany.
基列人安居在約旦河外。 但人為何等在船上? 亞設人在海口靜坐, 在港口安居。
18 Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin’ ny fitoerana avo any an-tsaha.
西布倫人是拚命敢死的; 拿弗他利人在田野的高處也是如此。
19 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’ i Kanana, dia teo anilan’ ny ranon’ i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
君王都來爭戰。 那時迦南諸王在米吉多水旁的他納爭戰, 卻未得擄掠銀錢。
20 Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin’ ny nalehany niady tamin’ i Sisera.
星宿從天上爭戰, 從其軌道攻擊西西拉。
21 Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko!
基順古河把敵人沖沒; 我的靈啊,應當努力前行。
22 Tamin’ izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.
那時壯馬馳驅, 踢跳,奔騰。
23 Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an’ i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an’ i Jehovah hamely ny mahery.
耶和華的使者說: 應當咒詛米羅斯, 大大咒詛其中的居民; 因為他們不來幫助耶和華, 不來幫助耶和華攻擊勇士。
24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.
願基尼人希百的妻雅億比眾婦人多得福氣, 比住帳棚的婦人更蒙福祉。
25 Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian’ andriana no nitondrany rononomandry.
西西拉求水, 雅億給他奶子, 用寶貴的盤子給他奶油。
26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan’ ny mpiasa, dia namely an’ i Sisera tamin’ ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
雅億左手拿着帳棚的橛子, 右手拿着匠人的錘子, 擊打西西拉, 打傷他的頭, 把他的鬢角打破穿通。
27 Teo amin’ ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin’ ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin’ izay niondrehany no niamparan’ ny fatiny.
西西拉在她腳前曲身仆倒, 在她腳前曲身倒臥; 在那裏曲身,就在那裏死亡。
28 Tao amin’ ny varavarankely no nitsirihan’ ny renin’ i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin’ ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian’ ny kalesiny?
西西拉的母親從窗戶裏往外觀看, 從窗櫺中呼叫說: 他的戰車為何耽延不來呢? 他的車輪為何行得慢呢?
29 Izay hendry tamin’ ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:
聰明的宮女安慰她, 她也自言自語地說:
30 Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon’ i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ ny nahazo babo.
他們莫非得財而分? 每人得了一兩個女子? 西西拉得了彩衣為擄物, 得繡花的彩衣為掠物。 這彩衣兩面繡花, 乃是披在被擄之人頸項上的。
31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
耶和華啊, 願你的仇敵都這樣滅亡! 願愛你的人如日頭出現,光輝烈烈! 這樣,國中太平四十年。

< Mpitsara 5 >