< Mpitsara 4 >

1 Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
А Ізраїлеві сини ще більше чинили зло в Господніх оча́х, а Егуд умер.
2 Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan’ ny Jentilisa, no komandin’ ny miaramilany.
І передав їх Господь у руку Явіна, царя ханаанського, що царював у Гацорі. А зверхником його війська був Сісе́ра, і він сидів у Харошет-Ґаґґоїмі.
3 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak’ Isiraely roa-polo taona izy.
І кли́кали Ізраїлеві сини до Господа, бо той мав дев'ятсо́т залізних колесни́ць, і він сильно утискав Ізраїлевих синів двадцять літ.
4 Ary Debora mpaminanivavy, vadin’ i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin’ izany andro izany.
А Дево́ра пророчиця, жінка Лаппідота, — вона судила Ізраїля того ча́су.
5 Ary izy nipetraka teo ambanin’ ny hazo rofian’ i Debora, teo anelanelan’ i Rama sy Betela, tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak’ Isiraely hatsaraina.
І сиділа вона під Дево́риною Па́льмою, між Рамою та між Бет-Елом в Єфре́мових гора́х, а Ізраїлеві сини прихо́дили до неї на суд.
6 Ary Debora naniraka ka niantso an’ i Baraka, zanak’ i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ ny taranak’ i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
І вона послала й покликала Бара́ка, Авіноамового сина, з Кедешу Нефтали́мового. І сказала до нього: „Ось наказав Господь, Бог Ізраїлів: Іди, зі́йдеш на го́ру Фаво́р, і ві́зьмеш з собою десять тисяч чоловіка з синів Нефтали́мових та з синів Завуло́нових.
7 Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron’ ny ony Kisona, Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Jabina, mbamin’ ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
А я приведу́ до тебе, до Кішонської долини, Сісе́ру, начальника Явінового ві́йська, і колесни́ці його, і натовп його, та й дам його в твою руку“.
8 Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
І сказав до неї Бара́к: „Якщо ти пі́деш зо мною, то піду́, а якщо не пі́деш зо мною, — не піду́“.
9 Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’ i Jehovah an’ i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin’ i Baraka hankany Kadesy
А вона відказала: „Піти — піду́ з тобою, тільки не буде твоя слава на тій дорозі, якою ти пі́деш, бо в руку жінки Господь передасть Сісе́ру“. І встала Дево́ра, і пішла з Бара́ком до Кеде́шу.
10 Ary nantsoin’ i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
І скликав Бара́к Завуло́на та Нефтали́ма до Кеде́шу, і пішло за ним десять тисяч чоловіка. І пішла з ним Дево́ра.
11 Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin’ ny Kenita izay avy amin’ ny taranak’ i Hobaba, zaodahin’ i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin’ ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan’ i Kadesy.
А кенеянин Хевер відділився від Каїна, з Ховавових синів, Мойсеєвого те́стя, і розклав намета свого аж до Елону в Цаананімі, що при Кедеші.
12 Ary nisy nilaza tamin’ i Sisera fa Baraka, zanak’ i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
І доне́сли Сісері, що Бара́к, син Авіноамів, зійшов на го́ру Фаво́р.
13 Dia nangonin’ i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan’ ny Jentilisa, hankany amin’ ny ony Kisona.
І скликав Сісе́ра всі свої колесни́ці, дев'ятсо́т залізних колесни́ць, та ввесь народ, що з ним, з Харошет-Ґаґґоїму до кішонської долини.
14 Ary hoy Debora tamin’ i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’ i Jehovah an’ i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
І сказала Дево́ра до Барака: „Уставай, бо це той день, коли Господь дав Сісе́ру в твою руку. Ось Господь вийшов перед тобою“. І зійшов Барак з гори Фаво́р, а за ним десять тисяч чоловіка.
15 Dia nampifanaritahin’ i Jehovah tamin’ ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan’ i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin’ ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
I Господь привів у замі́шання Сісе́ру, і всі колесни́ці та ввесь той та́бір ві́стрям меча перед Бараком. І зійшов Сісера з колесни́ці, і побіг пі́шки.
16 Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’ i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
А Бара́к гнався за колесни́цями та за табо́ром аж до Харошет-Ґаґґоїму. І впав увесь та́бір Сісерин від ві́стря меча, — не позосталось ані одно́го.
17 Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin’ ny lain’ i Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan’ i Hazora, sy ny mpianakavin’ i Hebera Kenita.
А Сісе́ра втік пі́шки до намету Яїли, жінки кенеянина Хевера, бо був мир між Явіном, царем Гацору, та між домом кенеянина Хевера.
18 Dia nivoaka Jaela hitsena an’ i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
І вийшла Яїл навпроти Сісе́ри, і сказала до нього: „Зайди, пане мій, зайди до ме́не, — не бійся!“І він зайшов до неї до наме́ту, і вона накрила його ки́лимом.
19 Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
І сказав він до неї: „Напій мене трохи водою, бо я спра́гнений“. І відкрила вона молочного бурдюка́, і напоїла його, та й накрила його.
20 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
І сказав він до неї: „Стань при вході наме́ту. І якщо хто вві́йде й запитає тебе та скаже: Чи є тут хто? то ти відповіси: Нема“.
21 Dia naka tsima-day Jaela, vadin’ i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin’ ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
І взяла́ Яїл, жінка Хеверова, наме́тового кілка́, і взяла́ в свою руку молотка́, і підійшла тихо до нього, та й всадила того кілка́ в його скро́ню, аж у землю. А він спав, зму́чений, — і він помер.
22 Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an’ i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin’ i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin’ ny fihirifany.
А ось Барак женеться за Сісерою. І вийшла Яїл навпроти нього й сказала йому: „Іди, і я покажу́ тобі того чоловіка, що ти шукаєш“. І ввійшов він до неї, а ось Сісе́ра лежить мертвий, а кіло́к у скро́ні його!
23 Dia naetrin’ Andriamanitra teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany Jabina, mpanjakan’ i Kanana.
Так приборкав Бог того дня Явіна, царя ханаанського, перед Ізраїлевими синами.
24 Ary ny tanan’ ny Zanak’ Isiraely nihahery tamin’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, mandra-pandringany azy.
А рука Ізраїлевих синів була все тяжча над Явіном, царем ханаанським, аж поки вони вигубили Явіна, царя ханаанського.

< Mpitsara 4 >