< Mpitsara 3 >

1 Ary ny firenena navelan’ i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
Haya ndiyo mataifa Bwana aliyoyaacha ili kuwajaribu Waisraeli wote ambao hawakujua vita vyovyote vya Kanaani
2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’ Isiraely izany amin’ ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
(alifanya hivi ili tu kuwafundisha wazao wa Waisraeli ambao hawakuwa wamejua vita hapo awali):
3 dia ireo andriana dimy tamin’ ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’ i Bala-hermona ka hatramin’ ny lalana mankany Hamata.
wafalme watano wa Wafilisti, Wakanaani wote, Wasidoni, Wahivi waishio katika milima ya Lebanoni kuanzia Mlima wa Baal-Hermoni hadi Lebo-Hamathi.
4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin’ i Jehovah, izay nasainy nandidian’ i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
Waliachwa ili kuwajaribu Waisraeli kuona kama wangetii amri za Bwana, alizokuwa amewapa baba zao kwa mkono wa Mose.
5 Ary ny Zanak’ Isiraely nonina teo amin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Waisraeli wakaishi miongoni mwa Wakanaani, Wahiti, Waamori, Waperizi, Wahivi na Wayebusi.
6 Ary naka ny zanakavavin’ ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ ny zanakalahin’ ireny ka nanompo ny andriamaniny.
Wakawaoa binti zao, nao wakawatoa binti zao waolewe na wana wa hayo mataifa, na kuitumikia miungu yao.
7 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.
Waisraeli wakafanya maovu machoni pa Bwana, wakamsahau Bwana Mungu wao na kutumikia Mabaali na Maashera.
8 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
Hasira ya Bwana ikawaka dhidi ya Israeli, hivyo akawauza na kuwatia mikononi mwa Kushan-Rishathaimu mfalme wa Aramu-Naharaimu ambaye Israeli walikuwa chini yake wakimtumikia kwa muda wa miaka minane.
9 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ ny Zanak’ Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba.
Waisraeli walipomlilia Bwana, yeye akawainulia mwokozi, Othnieli mwana wa Kenazi, ndugu mdogo wa Kalebu, ambaye aliwaokoa.
10 Ary ny Fanahin’ i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’ i Kosan-risataima.
Roho wa Bwana akaja juu yake, hivyo akawa mwamuzi wa Israeli, akaenda vitani. Bwana akamtia Kushan-Rishathaimu mfalme wa Aramu mikononi mwa Othnieli, naye akamshinda.
11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak’ i Kenaza.
Hivyo nchi ikawa na amani kwa muda wa miaka arobaini, mpaka Othnieli mwana wa Kenazi alipofariki.
12 Fa nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ny zanak’ Isiraely ary i Jehovah nampahery an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, hiady amin’ ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
Waisraeli wakafanya maovu mbele za Bwana tena, kwa kuwa walifanya maovu hayo Bwana akamtia nguvu Egloni mfalme wa Moabu dhidi ya Israeli.
13 Dia nampiangona ny taranak’ i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.
Egloni akawataka Waamoni na Waamaleki waungane naye, akaja kuishambulia Israeli, nao wakatwaa Mji wa Mitende
14 Dia nanompo an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, valo ambin’ ny folo taona ny Zanak’ Isiraely.
Waisraeli wakawa chini ya Egloni mfalme wa Moabu kwa muda wa miaka kumi na minane.
15 Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely.
Waisraeli wakamlilia tena Bwana, naye akawapa mwokozi: Ehudi, mtu wa shoto, mwana wa Gera, Mbenyamini. Waisraeli wakatuma kwa Egloni mfalme wa Moabu ushuru kwa mkono wa Ehudi.
16 Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin’ ny fehin-kibony ambanin’ ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
Basi Ehudi alikuwa ametengeneza upanga wenye ukatao kuwili, urefu wake ni kama dhiraa moja, akaufunga upanga huo ndani ya nguo yake kwenye paja lake la mkono wa kuume.
17 Dia nitondra ny fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.
Akamkabidhi ushuru Egloni mfalme wa Moabu, ambaye alikuwa mtu mnene sana.
18 Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
Baada ya Ehudi kumkabidhi ule ushuru, wale watu waliokuwa wameubeba huo ushuru aliwaruhusu waende zao.
19 Fa nony tonga teo amin’ ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.
Yeye mwenyewe akafuatana nao hadi kwenye sanamu ya kuchora kwenye mawe karibu na Gilgali, ndipo yeye akarudi, akafika kwa Egloni na kusema, “Ee Mfalme, ninao ujumbe wa siri kwa ajili yako.” Mfalme akasema, “Nyamazeni kimya!” Nao wale waliomhudumia wote wakamwacha, wakatoka nje.
20 Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’ Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianana Eglona.
Ndipo Ehudi akamsogelea alipokuwa ameketi peke yake kwenye chumba cha juu cha jumba lake la kifalme la majira ya kiangazi, na kusema, “Ninao ujumbe kutoka kwa Mungu kwa ajili yako.” Mfalme alipokuwa anainuka kutoka kwenye kiti chake,
21 Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin’ ny kibon’ i Eglona izany;
Ehudi akaunyoosha mkono wake wa kushoto na kuufuta ule upanga aliokuwa ameufunga kwenye paja lake la kulia, akamdunga Mfalme Egloni tumboni mwake.
22 ary difotra mbamin’ ny zarany, ka voasaron’ ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ ny vodiny izany.
Hata mpini nao ukazama tumboni pamoja na upanga wenyewe, nao upanga ukatokea mgongoni mwake. Ehudi hakuuchomoa huo upanga, nayo mafuta yakashikamana juu ya upanga.
23 Dia nivoaka teo amin’ ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran’ ny trano ka nanidy azy tao.
Ehudi akatoka nje barazani; akamfungia milango ya chumba cha juu na kuifunga kwa funguo.
24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’ i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
Baada ya kuondoka, watumishi wakaja na kukuta milango ya chumba cha juu imefungwa kwa funguo. Wakasema, “Bila shaka amejipumzisha kwenye chumba cha ndani cha nyumba yake ya majira ya kiangazi.”
25 Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran’ ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin’ ny rihana ny tompony
Wakangoja hata wakawa na fadhaa, basi wakati hakufungua milango ya chumba, wakachukua funguo na kuifungua. Tazama wakaona bwana wao amelala sakafuni, amekufa.
26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seïrata.
Walipokuwa wangali wanangoja, Ehudi akatoroka, akapita hapo kwenye sanamu ya kuchora kwenye mawe na kukimbilia Seira.
27 Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
Alipofika huko, akapiga tarumbeta katika nchi ya vilima ya Efraimu, nao Waisraeli wakateremka pamoja naye kutoka vilimani, yeye akiwa anawaongoza.
28 Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
Akawaagiza, “Nifuateni, kwa kuwa Bwana amewatia Moabu, adui zenu, mikononi mwenu.” Kwa hiyo wakateremka wakamfuata, wakavishika vivuko vya Yordani kuelekea Moabu, wala hawakuacha mtu yeyote kuvuka.
29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’ izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
Wakati huo wakawaua Wamoabu watu waume wapatao 10,000 ambao wote walikuwa wenye nguvu na mashujaa; hakuna mtu yeyote aliyetoroka.
30 Dia resin’ ny tanan’ ny Isiraely ny Moabita tamin’ izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
Siku ile Moabu wakashindwa na Israeli, nayo nchi ikawa na amani kwa miaka themanini.
31 Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak’ i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin’ ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.
Baada ya Ehudi akaja Shamgari mwana wa Anathi, aliyewapiga Wafilisti 600 kwa fimbo iliyochongoka ya kuongozea ngʼombe. Naye pia akawaokoa Waisraeli.

< Mpitsara 3 >