< Mpitsara 20 >

1 Dia nivoaka ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa.
Sa’an nan dukan Isra’ilawa daga Dan zuwa Beyersheba kuma daga ƙasar Gileyad mutane kamar mutum guda suka fito suka taru a gaban Ubangiji a Mizfa.
2 Ary ny loholona rehetra tamin’ ny firenen’ Isiraely niseho teo amin’ ny fiangonan’ ny olon’ Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
Shugabanni dukan kabilan mutane na kabilan Isra’ila suka zazzauna a wurarensu a taron jama’ar Allah, mayaƙa dubu ɗari huɗu masu ɗamara da takuba.
3 Ary ren’ ny taranak’ i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak’ Isiraely. Dia hoy ny Zanak’ Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
(Mutanen Benyamin suka ji cewa Isra’ilawa sun haura zuwa Mizfa.) Sa’an nan Isra’ilawa suka ce, “Gaya mana yadda wannan mugun abu ya faru.”
4 Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an’ ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
Sai Balawen, mijin matar da aka kashe ya ce, “Ni da ƙwarƙwarata mun zo Gibeya a Benyamin don mu kwana.
5 Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin’ ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
Da dad dare mutanen Gibeya suka bi ni suka kewaye gidan da niyya su kashe ni. Suka yi wa ƙwarƙwarata fyaɗe, har ta mutu.
6 Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin’ ny tany rehetra izay lovan’ ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin’ ny Isiraely ireo.
Na ɗauki ƙwarƙwarata na yayyanka gunduwa-gunduwa na aika da shi ga kowane yankin gādon Isra’ila, domin sun aikata mugu abu da abin kunya a Isra’ila.
7 Koa indreto ianareo Zanak’ Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
To, dukanku Isra’ilawa, sai ku yi magana ku kuma yanke hukuncinku.”
8 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin’ ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.
Dukan mutane suka tashi kamar mutum ɗaya, suna cewa “Ba waninmu da zai tafi gida. Sam, babu ko ɗayanmu da zai koma gidansa.
9 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’ i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.
Amma yanzu ga abin da za mu yi wa Gibeya. Za mu haura mu fāɗa yadda ƙuri’a ta nunar.
10 Ary haka folo lahy isan-jato amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra isika, dia zato amin’ ny arivo, ary arivo amin’ ny iray alina, mba haka vatsy ho an’ ny olona, ka rehefa tonga any Gibean’ ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin’ ny Isiraely no hataony aminy.
Za mu ɗauko mutum goma a kowane mutum ɗari daga dukan kabilan Isra’ila, da ɗari a dubu, da kuma dubu a dubu goma, domin a tanada wa mayaƙan. Sa’an nan, sa’ad da mayaƙan suka iso Geba a Benyamin, za su yi da su daidai bisa ga muguntar da suka yi a Isra’ila.”
11 Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
Saboda haka dukan mutane Isra’ilawa suka taru suka kuma haɗu kamar mutum guda don su fāɗa wa birnin da yaƙi.
12 Ary ny firenen’ Isiraely dia naniraka olona tany amin’ ny firenen’ i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
Kabilan Isra’ila suka aika jakadu a ko’ina a cikin kabilar Benyamin cewa, “Wace irin mugunta ce wannan da kuka aikata?
13 Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak’ i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny.
Yanzu fa sai ku fitar da waɗannan’yan iskan da suka aikata wannan abu na Gibeya don mu kashe su mu kawar da mugunta daga Isra’ila!” Amma mutanen Benyamin ba su saurari’yan’uwansu Isra’ilawa ba.
14 Ary nivory ny taranak’ i Benjamina avy tamin’ ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Daga biranensu suka tattaru a Gibeya don su yaƙi Isra’ilawa.
15 Dia voalamina tamin’ izany andro izany ny taranak’ i Benjamina avy tamin’ ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
Nan da nan mutanen Benyamin suka tattara mayaƙa dubu ashirin da shida masu takuba daga biranensu, ban da mayaƙa ɗari bakwai da aka zaɓa daga mazauna a Gibeya.
16 Ary teo amin’ izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin’ ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
Cikin dukan mayaƙan nan akwai zaɓaɓɓu mutane ɗari bakwai waɗanda su bahagwai ne, kowanne yana iya harbin gashin guda na kai da majajjawa ba kuskure.
17 Ary ny lehilahy voalamina tamin’ ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.
Isra’ila kuwa, ban da Benyamin, sun tara mayaƙa masu takobi dubu ɗari huɗu, dukansu gwanayen yaƙi ne.
18 Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
Sai Isra’ilawa suka haura zuwa Betel suka nemi nufin Allah, suka ce, “Wane ne a cikinmu zai fara fāɗa wa mutanen Benyamin?” Ubangiji ya ce, “Yahuda ce za tă fara.”
19 Dia niainga maraina koa ny Zanak’ Isiraely ka nitoby tandrifin’ i Gibea.
Kashegari sai Isra’ilawa suka tashi suka kafa sansani kusa da Gibeya.
20 Ary nivoaka ny lehilahy amin’ ny Isiraely hiady amin’ ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an’ i Gibea.
Mutanen Isra’ila suka fita yaƙi da mutane Benyamin suka kuma ja dāgār yaƙi a Gibeya.
21 Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak’ i Benjamina ka naharingana ny Zanak’ Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany tamin’ izany andro izany.
Mutanen Benyamin suka fito daga Gibeya suka kashe mutum dubu ashirin da biyu na Isra’ilawa a dāgār yaƙi a ranar.
22 Fa nifanome toky ny lehilahy amin’ ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin’ ilay nilaharany tamin’ ny andro voalohany.
Amma mutanen Isra’ila suka ƙarfafa juna, suka sāke koma inda suka ja dāgā a rana ta farko.
23 Ary niakatra ny Zanak’ Isiraely ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro, dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.
Isra’ilawa suka haura suka yi kuka a gaban Ubangiji, har yamma, suka nemi nufin Ubangiji. Suka ce, “Mu sāke koma yaƙi da mutanen Benyamin,’yan’uwanmu?” Ubangiji ya ce, “Ku haura ku fāɗa musu.”
24 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nandroso tamin’ ny andro faharoa hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina.
Sai Isra’ilawa suka matsa kusa da Benyamin a rana ta biyu.
25 Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin’ ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak’ Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
A wannan lokaci, da mutanen Benyamin suka fito daga Gibeya don su yaƙe su, sai suka sāke kashe Isra’ilawa dubu goma sha takwas, dukansu ɗauke da takuba.
26 Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nifady hanina tamin’ izany andro izany mandra-paharivan’ ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah izy.
Sa’an nan Isra’ilawa, dukan mutane, suka haura zuwa Betel, a can suka zauna suna kuka a gaban Ubangiji. Suka yi azumi a wannan rana har yamma suka miƙa hadayun ƙonawa da hadayun salama ga Ubangiji.
27 Dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely (fa tao ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany,
Isra’ilawa suka nemi nufin Ubangiji (A kwanakin nan akwatin alkawarin Allah yana can,
28 ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona, nijanona teo anoloany tamin’ izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
Finehas ɗan Eleyazar, ɗan Haruna, kuwa yana hidima a gabansa.) Suka ce, “Mu sāke haura mu yi yaƙi da mutanen Benyamin’yan’uwanmu, ko a’a?” Ubangiji ya ce, “Ku je, gama gobe zan ba da su a hannuwanku.”
29 Ary nasian’ ny Isiraely otrika manodidina an’ i Gibea.
Sa’an nan Isra’ila ta yi kwanto kewaya da Gibeya.
30 Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny andro fahatelo hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ka nilahatra tandrifin’ i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.
Suka haura su kara da mutanen Benyamin a rana ta uku suka ja dāgā a Gibeya kamar dā.
31 Dia nivoaka ny taranak’ i Benjamina hiady tamin’ ny olona ka voatarika niala tamin’ ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin’ ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
Mutanen Benyamin suka fito su same su aka kuma jawo su nesa da birnin. Suka fara karkashe Isra’ilawa kamar dā, har aka kashe wajen mutum talatin a filaye da kuma a hanyoyi, wadda take zuwa Betel da kuma wadda take zuwa Gibeya.
32 Ary hoy ny taranak’ i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’ Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ ny tanàna ho any an-dalambe.
Yayinda mutanen Benyamin suna cewa, “Muna cin nasara a kansu kamar dā,” Isra’ilawa kuwa suna cewa, “Mu yi ta jan da baya mu janye su daga birni zuwa kan hanyoyi.”
33 Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely nitsangana niala tamin’ ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin’ fitoerany, avy tao an-tsahan’ i Gibea.
Dukan mutanen Isra’ila suka taso daga wurarensu suka ja dāgā a Ba’al-Tamar, Isra’ilawan da suka yi kwanto a yammancin Geba kuwa suka fito.
34 Ary tonga tandrifin’ i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
Sa’an nan jarumai Isra’ila dubu goma suka yi gaba suka kai wa Gibeya hari. Yaƙi kuwa ya yi zafi har mutane Benyamin ba su san masifa tana dab da su ba.
35 Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan’ ny Isiraely, ary tamin’ izany andro izany ny taranak’ i Benjamina dia nahafatesan’ ny Zanak’ Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Ubangiji kuwa ya fatattake mutanen Benyamin a gaban Isra’ila; a ranar kuwa Isra’ilawa sun kashe mutum 25,100 na mutanen Benyamin, dukansu ɗauke da takuba.
36 Ary hitan’ ny taranak’ i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely nanao tari-dositra tamin’ ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin’ i Gibea izy.
Sa’an nan Benyamin suka ga an ci su. To, mutanen Isra’ila sun yi ta ja da baya daga mutanen Benyamin domin suna dogara ga waɗanda sa su yi kwanto kusa da Gibeya ne.
37 Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin’ ny lelan-tsabatra.
Mutanen da suke kwanto suka yi wuf suka ruga cikin Gibeya, suka bazu suka kuma karkashe dukan waɗanda suke a birnin.
38 Ary ny famantarana nifaneken’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan’ afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.
Mutanen Isra’ila sun riga sun shirya da’yan kwanton cewa su murtuke hayaƙi daga birnin,
39 Ary nirona tamin’ ny ady ny lehilahy amin’ ny Isiraely (ny taranak’ i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin’ ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin’ ny ady voalohany;
a sa’an nan ne mutanen Isra’ila za su juya su fāɗa wa mutane Benyamin da yaƙi. Mutanen Benyamin sun fara karkashe mutum talatin na Isra’ila, sai suka ce, “Muna cin nasara a kansu kamar dā.”
40 fa raha vao niakatra avy tao amin’ ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak’ i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin’ ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
Amma da alamar hayaƙi ya fara murtukewa daga birnin, sai mutanen Benyamin suka juya suka ga hayaƙi yana murtukewa ko’ina a cikin birnin zuwa sararin sama.
41 Ary raha niverina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.
Sa’an nan mutanen Isra’ila suka juyo musu, mutanen Benyamin kuwa suka tsorata domin sun gane masifa ta zo musu.
42 Dia niamboho teo anoloan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely hankany amin’ ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin’ ny tanàna koa dia novonoiny teo.
Saboda haka suka tsere a gaban Isra’ila zuwa wajen hamada, amma ba su iya tsere wa yaƙin ba. Mutanen Isra’ila da suka fito daga cikin birnin suka karkashe su a can.
43 Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin’ i Gibea atsinanany.
Suka kewaye mutanen Benyamin, suka kore su, suka fatattake su a wajajen Gibeya a gabashi.
44 Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
Mutum dubu goma sha takwas na mutanen Benyamin suka mutu dukansu kuwa jarumai ne.
45 Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
Da suka juya suka juya suka tsere zuwa wajajen hamada zuwa dutsen Rimmon, Isra’ilawa suka kashe mutum dubu biyar a kan hanyoyi. Suka yi ta matsa wa mutanen Benyamin har zuwa Gidom suka kashe mutum dubu biyu kuma.
46 Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin’ izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
A ranar kuwa mutanen Benyamin dubu ashirin da biyar ne aka kashe, dukansu jarumai.
47 Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.
Amma mutane ɗari shida suka juya suka tsere wajajen hamada zuwa dutsen Rimmon, inda suka zauna wata huɗu.
48 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely niverina indray tany amin’ ny taranak’ i Benjamina ka namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra, hatramin’ ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
Mutanen Isra’ila suka koma wurin mutanen Benyamin suka kashe dukan waɗanda suke a birnin, tare da dabbobi da kome da suka samu. Dukan garuruwan da suka samu sun ƙone su ƙaf.

< Mpitsara 20 >