< Mpitsara 2 >

1 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ ny tany izay nianianako tamin’ ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
Malaika wa Bwana akakwea kutoka Gilgali hadi Bokimu, naye akasema, “Niliwapandisha kutoka Misri na kuwaingiza katika nchi niliyoapa kuwapa baba zenu. Nikasema, ‘Kamwe sitalivunja Agano langu nanyi.
2 koa aza manao fanekena amin’ ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
Nanyi msifanye agano na watu wa nchi hii, bali mtazibomoa madhabahu yao.’ Lakini ninyi hamkunitii mimi. Kwa nini mmefanya jambo hili?
3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin’ ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
Sasa basi ninawaambia kuwa sitawafukuza watoke katikati yenu ila watakuwa miiba kwenu, nao miungu yao itakuwa tanzi kwenu.”
4 Ary nony niteny izany teny izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
Malaika wa Bwana alipomaliza kusema mambo haya kwa Waisraeli wote, watu wakalia kwa sauti kuu.
5 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
Wakapaita mahali pale Bokimu. Nao wakamtolea Bwana sadaka.
6 Ary rehefa nampodin’ i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin’ ny lovany avy ny Zanak’ Isiraely rehetra handova ny tany.
Baada ya Yoshua kuwapa watu ruhusa waende zao, Waisraeli wakaenda kwenye urithi wao wenyewe ili kumiliki nchi yao.
7 Ary nanompo an’ i Jehovah ny vahoaka tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely.
Watu wakamtumikia Bwana siku zote za maisha ya Yoshua, na za hao wazee walioishi baada ya Yoshua kufa, waliokuwa wameona mambo makuu ambayo Bwana alikuwa ametenda kwa ajili ya Israeli.
8 Ary maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
Yoshua mwana wa Nuni, mtumishi wa Bwana, akafa akiwa na umri wa miaka 110.
9 Dia nalevina tao anatin’ ny fari-tanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
Wakamzika katika nchi ya urithi wake, huko Timnath-Heresi katika nchi ya vilima ya Efraimu, kaskazini ya Mlima Gaashi.
10 Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’ i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
Baada ya kizazi kile chote kukusanywa pamoja na baba zao, kikainuka kizazi kingine baada yao ambacho hakikumjua Bwana, wala matendo yale aliyokuwa ametenda kwa ajili ya Waisraeli.
11 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, fa nanompo ireo Bala
Kwa hiyo Waisraeli wakatenda maovu machoni pa Bwana na kuwatumikia Mabaali.
12 ka nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin’ ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
Wakamwacha Bwana, Mungu wa baba zao, aliyekuwa amewatoa katika nchi ya Misri. Wakaifuata na kuiabudu miungu mbalimbali ya mataifa yanayowazunguka. Wakamkasirisha Bwana,
13 Eny, nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanampo an’ i Bala sy Astarta.
kwa sababu walimwacha na kutumikia Baali na Maashtorethi.
14 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
Hivyo hasira ya Bwana ikawaka juu ya Israeli, naye akawatia mikononi mwa wavamizi waliowateka nyara. Akawauza katika mikono ya adui zao pande zote, hivyo hawakuweza tena kuwazuia adui zao.
15 Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan’ i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
Popote Israeli walipotoka kwenda kupigana, mkono wa Bwana ulikuwa kinyume nao ili kuwashinda, kama vile alivyokuwa amewaapia. Nao wakawa katika taabu kubwa.
16 Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ ny tànan’ ireo namabo azy.
Ndipo Bwana akawainua waamuzi, ambao waliwaokoa katika mikono ya hao watu waliowashambulia.
17 Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin’ ny lalana izay nandehanan’ ny razany nanaraka ny didin’ i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
Lakini hawakuwasikiliza hata waamuzi wao, bali walifanya uasherati kwa kuifuata miungu mingine na kuiabudu. Waligeuka mara na kuiacha njia ambayo baba zao waliiendea, yaani, njia ya kutii amri za Bwana.
18 Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ ny tanan’ ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’ izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
Kila mara Bwana alipowainulia mwamuzi, Bwana alikuwa pamoja na huyo mwamuzi, naye aliwaokoa kutoka mikononi mwa adui zao kwa kipindi chote alichoishi yule mwamuzi. Kwa kuwa Bwana aliwahurumia kwa sababu ya kilio chao cha huzuni kwa ajili ya wale waliokuwa wakiwatesa na kuwataabisha.
19 Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon’ ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin’ ny fanaony na tamin’ ny lalana nanaovany ditra izy.
Lakini kila mara mwamuzi alipofariki, watu walirudia katika hali mbaya ya uovu zaidi kuliko baba zao, wakiifuata miungu mingine kuitumikia na kuiabudu. Walikataa kuacha matendo yao maovu na njia zao za ukaidi.
20 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
Kwa hiyo Bwana akawakasirikia sana Israeli na kusema, “Kwa kuwa taifa hili limevunja Agano lile nililofanya na baba zao na hawakunisikiliza,
21 dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin’ ny firenena izay tsy mbola resy hatramin’ ny andro nahafatesan’ i Josoa,
mimi nami sitafukuza taifa lolote ambalo Yoshua aliliacha alipofariki.
22 mba hizahako toetra ny Isiraely amin’ ireny, na hitandrina ny lalan’ i Jehovah ka handeha amin’ izany araka izay nitandreman’ ny razany izany izy, na tsia.
Nitayatumia ili nipate kuwapima Israeli na kuona kama wataishika njia ya Bwana na kuenenda katika hiyo kama njia baba zao walivyofanya.”
23 Dia navelan’ i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan’ i Josoa ireny.
Bwana alikuwa ameyaacha hayo mataifa yabaki; hakuyaondoa mara moja kwa kuyatia mikononi mwa Yoshua.

< Mpitsara 2 >