< Mpitsara 19 >

1 Ary tamin’ izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
Na mikolo oyo mokonzi azalaki te kati na Isalaele, Molevi moko oyo azalaki kovanda na suka ya etuka ya bangomba ya Efrayimi azwaki lokola makangu mwasi ya mboka Beteleemi kati na Yuda.
2 Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
Kasi makangu yango atambolaki na ekobo liboso na ye, alongwaki na libala mpe azongaki na ndako ya tata na ye, na Beteleemi kati na Yuda. Sima na basanza minei wuta azongaki na ndako ya tata na ye,
3 Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan’ ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
mobali na ye ayaki epai na ye mpo na kobondela ye ete azonga na libala. Mobali ayaki elongo na mosali na ye mpe amemaki ba-ane mibale. Mwasi yango akotisaki mobali na ye kati na ndako ya tata na ye; mpe tango tata na ye amonaki mobali yango, asepelaki koyamba ye.
4 Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
Tata-bokilo na ye, tata ya mwana mwasi, akangaki ye mpo ete avanda mwa moke. Boye avandaki na ye mikolo misato, aliaki, amelaki mpe alalaki kuna.
5 Ary nony tamin’ ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
Na mokolo ya minei, balamukaki na tongo-tongo, mpe Molevi abongamaki mpo na kokende. Kasi tata ya mwana mwasi alobaki na bokilo na ye: « Lia mwa eloko mpo ete ozwa makasi; bongo sima, okoki na yo kokende. »
6 Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
Boye, bango mibale bavandaki esika moko mpo na kolia mpe komela. Sima na yango, tata ya mwana mwasi alobaki: « Nabondeli yo, vanda lisusu, na butu ya lelo, mpo ete motema na yo esepela. »
7 Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
Mobali atelemaki mpo na kokende; kasi lokola tata-bokilo na ye abondelaki ye makasi ete avanda, avandaki kuna na butu yango.
8 Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin’ ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan’ ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
Na tongo ya mokolo ya mitano, tango mobali alamukaki, tata ya mwana mwasi alobaki: « Lia mwa eloko mpo ete ozwa makasi, zela kino na sima ya midi. » Boye, bango mibale baliaki mesa moko.
9 Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian’ ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
Tango mobali elongo na makangu na ye mpe mosali na ye batelemaki mpo na kokende, tata-bokilo na ye, tata ya mwana mwasi, alobaki na ye: « Tala, pokwa esili koya! Nabondeli yo: lekisa lisusu butu awa; mokolo esili, vanda mpe sepelisa motema na yo. Bongo lobi, na tongo-tongo, bokoki kotelema mpo na kokende, mpe okozonga na ndako na yo. »
10 Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin’ izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin’ i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
Kasi mosali asepelaki te kolekisa butu mosusu; alongwaki mpe, elongo na ba-ane na ye mibale mpe makangu na ye, akendeki na Yebusi oyo ezali Yelusalemi. Ba-ane na ye ezalaki na bivandelo ya malamu penza.
11 Ary rehefa mby teo akaiky an’ i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin’ ny tompony: Andeha hiakatra ato amin’ ity tanànan’ ny Jebosita ity isika ka handry ato.
Tango bakomaki pembeni ya Yebusi mpe mokolo ekomaki pene ya kosila, mosali alobaki na nkolo na ye: — Nabondeli yo, tokota na engumba oyo ya bato ya Yebusi mpe tolekisa kuna butu.
12 Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin’ ny tanànan’ ny olona hafa firenena izay tsy isan’ ny Zanak’ Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
Nkolo azongiselaki ye: — Te, tokotelema te na engumba oyo ya bapaya, epai wapi ata mwana moko te ya Isalaele azali; tokokoma kino na Gibea.
13 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Andeha isika hankamin’ ny anankiray amin’ ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
Alobaki lisusu na mosali na ye: — Yaka, topusana pene na moko ya bamboka oyo; bongo tokolekisa butu kati na Gibea to na Rama.
14 Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an’ i Gibea, izay an’ ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
Boye bakobaki kotambola, mpe moyi ebungaki tango bakomaki pene ya Gibea, kati na mokili ya Benjame.
15 Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin’ ny kianjan’ ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
Batelemaki na Gibea mpo na kolekisa butu. Bakotaki mpe bavandaki na esika oyo bato ebele ya engumba bakutanaka, kasi moto moko te ayambaki bango na ndako na ye mpo na kolekisa butu.
16 Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin’ izany tanana izany dia Benjamita.
Na pokwa, mobali moko ya mobange awutaki na mosala na ye ya bilanga; azalaki moto ya etuka ya bangomba ya Efrayimi mpe azalaki kovanda na Gibea. Nzokande bato ya esika wana bazalaki bato ya libota ya Benjame.
17 Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
Tango atombolaki miso, amonaki moto ya mobembo na esika oyo bato ebele ya engumba bakutanaka. Mobange yango atunaki ye: — Okeyi wapi mpe owuti wapi?
18 Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon’ i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
Moto ya mobembo azongiselaki ye: — Towuti na Beteleemi ya Yuda; tozali kokende na esika oyo navandaka, na suka ya mboka ya etuka ya bangomba ya Efrayimi. Nazalaki na Beteleemi, na Yuda, sik’oyo nazali kokende na Ndako ya Yawe. Moto moko te ayambi ngai kati na ndako na ye.
19 kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an’ ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an’ ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
Nzokande tozali na matiti mpe biloko mpo na ba-ane na biso mibale, tozali lisusu na lipa mpe vino mpo na ngai, mwasi na ngai mpe mosali na ngai moko oyo nazali na ye elongo; tozangi eloko moko te.
20 Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
Mobange yango alobaki: — Tika ete kimia ezala na yo! Bosenga na yo nyonso ekozala na moto na ngai. Kasi kolekisa butu te na esika oyo bato ebele ya engumba bakutanaka.
21 Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
Akotisaki bango na ndako na ye mpe apesaki ba-ane na ye matiti. Sima, basukolaki makolo, baliaki mpe bamelaki.
22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
Wana bazalaki nanu kolia mpe komela, ndambo ya mibali ya engumba, ya mitema mabe, bazingelaki ndako; babetaki na ekuke mpe balobaki na mobange oyo azalaki nkolo ndako: — Bimisa mosali oyo ayei na ndako na yo; tolingi kosangisa na ye nzoto ndenge basangisaka nzoto na basi.
23 Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo.
Nkolo ndako abimaki libanda mpe alobaki na bango: — Te, bandeko na ngai, bozala mabe boye te! Lokola mobali oyo azali kati na ndako na ngai, bosala ye mabe oyo te.
24 Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
Botala mwana na ngai ya mwasi oyo ayebi nanu nzoto ya mibali te mpe makangu ya mobali oyo azali kati na ndako! Nazali kobimisa bango sik’oyo libanda mpo na bino mpo ete bokoka kosala bango nyonso oyo bolingi. Kasi mpo na mobali oyo, bosala likambo ya soni ya boye te.
25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain’ ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
Kasi mibali yango baboyaki koyokela ye. Boye mobali azwaki makangu na ye mpe abimisaki ye libanda epai na bango. Bakangaki ye mpe basangisaki na ye nzoto na makasi, butu mobimba; mpe tango tongo ekomaki pene ya kotana, batikaki ye akende.
26 Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran’ ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran’ ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan’ ny andro.
Tango tongo ezali kotana, mwasi azongaki na ndako epai wapi mobali na ye azalaki, akweyaki na ekuke mpe alelaki wana kino tongo etanaki malamu.
27 Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran’ ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran’ ny trano, ary ny tanany eo amin’ ny tokonana.
Na tongo, tango mobali na ye alamukaki, afungolaki ekuke ya ndako mpo na kobima libanda mpe kokoba mobembo na ye; amonaki makangu na ye alali na ekuke ya ndako, maboko liboso ya ekuke.
28 Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin’ ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin’ ny fonenany.
Alobaki na ye: « Telema; tokende! » Kasi azwaki eyano te. Bongo mobali yango atiaki makangu na ye na likolo ya ane na ye, akobaki mobembo na ye mpo na kozonga na ndako na ye.
29 Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin’ ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin’ ny taolana ho roa ambin’ ny folo toko, ka nampitondrainy eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra.
Tango akomaki na ndako na ye, azwaki mbeli, akataki nzoto ya makangu na ye na biteni zomi na mibale mpe atindaki yango na etando nyonso ya Isalaele.
30 Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin’ ny andro niakaran’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
Moto nyonso oyo amonaki yango alobaki: « Likambo ya boye nanu namona yango te mpe nanu esalema te, wuta mokolo oyo bana ya Isalaele babimaki na Ejipito. Bokanisa na tina na yango, botala yango malamu mpe boyebisa biso nini tosengeli kosala. »

< Mpitsara 19 >