< Mpitsara 16 >
1 Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
三松往迦薩去,在那裏看見一個妓女,便去走近了她。
2 Ary nolazaina tamin’ ny Gazita hoe: Tonga atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin’ ny tanàna ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy.
有人告訴迦薩人說:「三松到這裏來了。」他們就把他圍住,終夜派人埋伏在城門口,整夜靜悄悄地等待他,說:「等到早晨天亮,我們纔殺他。」
3 Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin’ ny tanàna mbamin’ ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin’ ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon’ ny tendrombohitra izay tandrifin’ i Hebrona.
三松睡到半夜,半夜醒來,抓緊城門,連兩個門框帶門閂,一起拔起,放在肩上,背到赫特龍對面的山頂上。三松與德里拉
4 Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy.
此後,他在芍勒克平原又愛上一個女人,名叫德里拉。
5 Ary ireo andrianan’ ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran’ ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.
培肋舍特的酋長上到她那裏,對她說:「請你引誘他,看看他這樣大的力量是從那裏來的,我們怎樣能制勝他,將他捆起,而制伏他;我們每人給你一千一百銀子。」
6 Dia hoy Delila tamin’ i Samsona: Masìna ianao, lazao amiko izay itoeran’ ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao hahafolaka anao.
德里拉問三松說:「請你告訴我,你這樣大的力量是從那裏來的﹖人怎樣纔能將你捆起,而制伏你﹖」
7 Dia hoy Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
三松回答說:「人若用七根未乾的新牛筋繩將我捆起,我就像別人一樣軟弱。」
8 Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan’ ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin’ ireny ravehivavy.
培肋舍特人的酋長就給她送來七根未乾的新牛筋繩,她便用這些繩子將他捆起。
9 Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an’ efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin’ i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton’ ny taretra rongony, raha lelafin’ ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.
當時有埋伏的人暗藏在她的內室裏;德里拉向他喊說:「三松,培肋舍特人來捉你哩! 」他就掙斷牛筋繩,如同麻線被火燒斷一樣;於是人們仍不知他力量的所在。
10 Ary hoy Delila tamin’ i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.
德里拉遂對三松說:「看,你戲弄我,對我說謊。如今請你告訴我,怎樣纔能捆綁你﹖」
11 Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
他回答她說:「人若用從未用過的新繩將我捆起,我就像別人一樣軟弱。」
12 Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an’ efi-trano. Dia notosan’ i Samsona ho afaka amin’ ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton’ ny taretra.
德里拉就拿新繩將他捆起,對他喊說:「三松,培肋舍特人來捉你哩! 」當時仍有埋伏的人暗藏在內室裏;但他掙斷手臂上的繩子,好像一根絲線一樣。
13 Dia hoy Delila tamin’ i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin’ ny tenona ny foto-bolo fito amin’ ny lohako.
德里拉對三松說:「到現在你仍戲弄我,對我說謊;你告訴我,人怎樣纔能捆綁你﹖」他回答她說:「你若把我頭上的七條髮辮與織布的經線編在一起,然後用木橛釘住,我就像別人一樣軟弱。」
14 Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.
德里拉使他睡了,然後把他頭上的七條髮辮與織布的經線編在一起,再用木橛釘住,向他喊說:「三松,培肋舍特人來捉你哩! 」他從夢中醒來,把織布機的木橛連織布的經線都拔了出來。
15 Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ ny herinao lehibe.
德里拉就對他說:「你心裏既沒有我,你怎能說:我愛你呢﹖你已三次戲弄我,還沒有告訴我你這樣大的力量是從那裏來的! 」
16 Ary rehefa nitorikisina taminy isan’ andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.
因為她天天用話來逼他,催他,致使他的精神苦惱的要死。
17 Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’ Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,
三松遂把心中的一切全透露給她,對她說:「剃刀從未接觸過我的頭,因為我在母胎時就是獻於天主的;人若剃去我的頭髮,我的力量就離開了我,我就像眾人一樣軟弱。」
18 Ary rehefa hitan’ i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan’ ny Filistina nanao hoe: Miakara amin’ izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Ary ireo andrianan’ ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.
德里拉一見他把心中的一切全給她透露了,便打發人召培肋舍特的酋長來說:「這一次你們上來罷! 因為他把心中的一切全透露給我。」於是培肋舍特人的酋長手中帶著銀子,來到德里拉那裏。
19 Ary ravehivavy nanondana an’ i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin’ ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.
德里拉使三松睡在自己的膝上,又叫來一個人,剃去他頭上的七條髮辮,他就開始軟弱無力,他的力量全離開了他。
20 Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
她於是喊說:「三松,培肋舍特人來捉你哩! 」他由夢中醒來,心想:「這一次和前幾次一樣,我一掙扎,必能脫身。」他卻不知道上主已離棄了他。
21 Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
培肋舍特人便把他捉住,剜去他的眼睛,帶他下到迦薩,用銅鍊鎖了他,叫他在監獄裏推磨。
22 Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.
但是他的頭髮在剃了以後,又漸漸長起來。三松殉身復仇
23 Ary nivory ireo andrianan’ ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an’ i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
培肋舍特人的酋長聚集起來,為給他們的神達貢舉行祭獻大典,表示慶祝;他們說:「我們的神把我們的仇人三松交在我們手中。」
24 Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.
民眾一見三松,就讚頌他們的神說:「我們的神把破壞過我們的田地,殺害過我們多人的仇人,交在我們的手中了。」
25 Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an’ i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan’ ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan’ ny andry izy.
當他們興高采烈的時候,就喊說:「讓三松給我們表演把戲。」他們就從監獄裏叫出三松來,在他們面前耍把戲;以後把他放在兩根柱子中間。
26 Ary hoy Samsona tamin’ ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy.
三松對牽他手的僮僕說:「讓我摸摸支殿的柱子,好能靠一靠。」
27 Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan’ ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an’ i Samsona nanao laolao.
那時殿內滿了男女,培肋舍特人的酋長也在裏面,在天台上約有三千男女,都在看三松表演把戲。
28 Ary Samsona niantso an’ i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin’ ny masoko roa.
三松呼求上主說:「吾主上主,求你眷念我! 天主,求你再賜我力量,只要這一次! 以報培肋舍特人剜我雙眼的仇。」
29 Dia notanan’ i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin’ ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin’ ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.
三松就抱住正中支殿的兩根柱子,右手抱一根,左手抱一根;
30 Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin’ ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin’ ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin’ ny andro niainany.
然後三松說:「讓我的性命和培肋舍特人同歸於盡! 」於是他奮力屈身,大殿隨之倒塌,壓在酋長和裏面所有的民眾身上;這樣他在臨死時所殺死的人,比一生所殺死的人還多。
31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan’ i Zora sy Estaola tao amin’ ny fasan’ i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
此後,他的兄弟和父親的全家下來,把他抬上去,葬在祚辣和厄市陶耳之間,他父親瑪諾亞的墳墓裏。他作以色列民長二十年。