< Mpitsara 15 >

1 Ary nony afaka kelikely, tamin’ ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak’ osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin’ ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
Emva kwalokho, ngesikhathi sokuvuna ingqoloyi, uSamsoni wathatha izinyane lembuzi wethekelela umkakhe. Wathi, “Ngiya endlini yomkami.” Kodwa uyisezala wamalela ukuba angene.
2 fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an’ ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masìna ianao, aoka izy halainao ho solony.
Wathi, “Ngangileqiniso lokuthi wawusumzonda kakhulu, ngasengimendisela kumkhaphi wakho. Umnawakhe kamuhle kulaye na? Thatha yena.”
3 Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
USamsoni wathi kubo, “Khathesi sengilelungelo lokuphindisela okubi kumaFilistiya. Ngizawalimaza impela.”
4 Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon’ ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan’ ny rambony ilay hatao fanilo.
Ngakho wasuka wabamba amakhanka angamakhulu amathathu wawabophanisa imisila ngambilimbili. Wasebophela uluthi lomlilo emisileni yonke ayeyibophanisile,
5 Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin’ ny varin’ ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
walumathisa izinti zomlilo wawayekela amakhanka angena emabeleni amiyo amaFilistiya. Watshisa ayesezizeni lamabele amiyo, lezivini kanye lezivande zama-oliva.
6 Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton’ ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an’ ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin’ ny afo.
Kwathi amaFilistiya ebuza ukuthi, “Ngubani owenze lokhu na?” atshelwa ukuthi, “NguSamsoni, umkhwenyana womThimina ngoba umkakhe wendiselwa kumkhaphi wakhe.” Ngakho amaFilistiya ahamba ayatshisa umkaSamsoni kanye loyise, bafa.
7 Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
USamsoni wathi kubo, “Njengoba selenze lokhu, angiyikukhawula engikwenzayo ngize ngiphindisele kini.”
8 Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak’ ilay harambato mitresaka any Etama.
Wabahlasela kakubi wabulala abanengi babo. Emva kwalokho wahamba wayahlala ebhalwini edwaleni lase-Ethamu.
9 Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin’ ny Joda ka niely tany Lehy.
AmaFilistiya ahamba ayamisa koJuda, asabalala eduze leLehi.
10 Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an’ i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
Abantu bakoJuda babuza bathi, “Lizesihlaselelani na?” Bona baphendula bathi, “Silande ukuzabopha uSamsoni, senze kuye lokhu akwenzayo kithi.”
11 Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin’ ny Joda nankany amin’ ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin’ i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
Abantu bakoJuda abazinkulungwane ezintathu baya ebhalwini edwaleni lase-Ethamu bathi kuSamsoni, “Kawazi yini ukuthi amaFilistiya ayasibusa? Kuyini osusenzele khona ngempela?” Waphendula wathi, “Ngimane ngenza kuwo lokho akwenza kimi.”
12 Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan’ ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
Bathi kuye, “Thina silande ukuzakubopha sikunikele kuwo.” USamsoni wathi, “Fungani kimi ukuthi kaliyikungibulala lina ngokwenu.”
13 Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin’ ilay harambato.
Baphendula bathi, “Siyavuma. Thina sizakubopha nje kuphela besesikunikela kuwo. Kasiyikukubulala.” Ngakho bambopha ngemichilo emibili emitsha, basebesuka laye edwaleni.
14 Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’ i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ ny afo ny mahazaka teny amin’ ny sandriny ary afaka tamin’ ny tànany ny fatorana.
Esebanga eLehi, amaFilistiya amhlangabeza eklabalala. UMoya kaThixo wehlela phezu kwakhe ngamandla. Imichilo ezingalweni zakhe yaba njengesikusha esitshileyo, izibopho zawa ezandleni zakhe.
15 Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
Esethole ithambo lomhlathi kababhemi elitsha, walithatha wabulala ngalo abantu abayinkulungwane.
16 Ary hoy Samsona: Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
USamsoni wasesithi, “Ngethambo lomhlathi kababhemi, ngibenze baba ngobabhemi. Ngethambo lomhlathi kababhemi ngibulele amadoda ayinkulungwane.”
17 Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.
Eseqedile ukukhuluma walilahla ithambo lomhlathi; indawo leyo yasithiwa yiRamathi-Lehi.
18 Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ ny tanan’ ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ ny tsy mifora!
Ngenxa yokuthi wayesome kakhulu, wakhala kuThixo wathi, “Uyiphile inceku yakho ukunqoba okukhulu. Pho sekumele ngibulawe yikoma yini njalo ngiwele ezandleni zabangasokanga na?”
19 Dia nampitresahin’ Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.
UNkulunkulu wasevula umthonjana eLehi, kwaphuma amanzi kuwo. USamsoni esenathile, amandla akhe aphenduka, wavuseleleka. Ngakho umthombo lowo wathiwa yi-Eni Hakhore, njalo ulokhu ukhona eLehi.
20 Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin’ ny andron’ ny Filistina izy.
USamsoni wakhokhela abako-Israyeli iminyaka engamatshumi amabili ngesikhathi samaFilistiya.

< Mpitsara 15 >