< Mpitsara 14 >

1 Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina.
Samsoni akateremkia Timna, akamwona mwanamke wa Kifilisti.
2 Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
Alipopanda kutoka huko, akawaambia baba yake na mama yake, “Nimemwona mwanamke wa Kifilisti huko Timna; basi mnipe ili awe mke wangu.”
3 Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ ny zana-kavanao, na ato amin’ ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin’ ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
Baba yake na mama yake wakamjibu, “Je, hakuna mwanamke miongoni mwa jamaa yako au miongoni mwa ndugu zako, hata ulazimike kwenda kujitwalia mwanamke kutoka kwa hawa Wafilisti wasiotahiriwa?” Lakini Samsoni akamwambia baba yake, “Nipatieni huyo kwa maana ndiye alinipendeza.”
4 Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’ i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin’ ny Filistina Izy; fa tamin’ izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
(Baba yake na mama yake hawakujua kuwa jambo hili limetoka kwa Bwana, kwani alikuwa akitafuta sababu ya kukabiliana na Wafilisti; kwa kuwa wakati huo walikuwa wakiwatawala Waisraeli.)
5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
Samsoni akateremkia Timna pamoja na baba yake na mama yake. Walipofika kwenye mashamba ya mizabibu huko Timna, ghafula mwana simba akamjia akimngurumia.
6 Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak’ osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin’ ny rainy na tamin’ ny reniny izay efa nataony.
Roho wa Bwana akaja juu yake kwa nguvu, naye akampasua yule simba kwa mikono yake bila silaha yoyote kama vile mtu ampasuavyo mwana-mbuzi, wala hakumwambia baba yake wala mama yake aliyoyafanya.
7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an’ i Samsona izy.
Basi akateremka na kuongea na yule mwanamke, naye akampendeza Samsoni.
8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin’ ilay fatin’ ny liona.
Baada ya muda aliporudi ili akamwoe, akatazama kando ili kuutazama mzoga wa yule simba, na tazama, kulikuwa na kundi la nyuki ndani ya ule mzoga wa simba na kulikuwa na asali;
9 Ary nalain’ i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin’ ny fatin’ ilay liona no nangalany ny tantely.
akachukua asali mkononi mwake akaendelea huku akila. Alipowafikia baba yake na mama yake, akawapa ile asali nao wakala. Lakini hakuwaambia kuwa alitwaa asali kutoka kwenye mzoga wa simba.
10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain’ i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon’ ny zatovo.
Basi baba yake akateremka kumwona huyo mwanamke. Samsoni akafanya karamu huko, kama ilivyokuwa desturi ya vijana.
11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
Watu walipomwona, wakaleta vijana wenzake thelathini ili kuwa pamoja naye.
12 Ary hoy Samsona tamin’ ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin’ ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.
Samsoni akawaambia, “Niwape kitendawili, mkiweza kunipa jibu katika muda wa siku hizi saba za karamu, nitawapa mavazi thelathini ya kitani na mavazi mengine mivao thelathini.
13 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
Lakini msipoweza kufumbua, ndipo ninyi mtanipa mavazi thelathini ya kitani na mavazi mengine mivao thelathini.” Wakamwambia, “Tuambie hicho kitendawili, hebu na tukisikie.”
14 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin’ ny mpihinana no nivoahan’ ny hanina; Ary avy tao amin’ ny mahery no nivoahan’ ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin’ ny hateloana.
Akawaambia, “Ndani ya mlaji, kulitoka kitu cha kuliwa, ndani ya mwenye nguvu, kulitoka kitu kitamu.” Kwa muda wa siku tatu hawakuweza kutoa jibu.
15 Ary nony tamin’ ny andro fahafito, dia hoy izy tamin’ ny vadin’ i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin’ ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?
Siku ya saba, wakamwambia mkewe Samsoni, “Mbembeleze mumeo ili atueleze hicho kitendawili, la sivyo tutakuchoma moto wewe na wa nyumba ya baba yako. Je, mmetualika ili mpate kutunyangʼanya kile tulicho nacho?”
16 Ary ny vadin’ i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?
Basi mke wa Samsoni akalia mbele yake na kumwambia, “Unanichukia! Hunipendi kabisa. Umewategea watu wangu kitendawili, lakini mimi hujaniambia jibu.” Samsoni akamwambia, “Wala sijamweleza baba yangu wala mama yangu, kwa nini nikufumbulie?”
17 Dia nitomany teo anatrehany tamin’ ny hafitoana izay nisian’ ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin’ ny andro fahafito dia nolazain’ i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneny.
Mkewe akalia kwa muda wa zile siku zote saba za karamu. Hivyo siku ile ya saba Samsoni akamweleza, kwa kuwa aliendelea kumsisitiza sana. Naye akawaeleza watu wake kile kitendawili.
18 Ary nony tamin’ ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’ i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.
Siku ya saba kabla ya jua kutua, watu wa mji wakamwambia Samsoni, “Ni nini kitamu kama asali? Ni nini chenye nguvu kama simba?” Samsoni akawaambia, “Kama hamkulima na mtamba wangu, hamngeweza kufumbua kitendawili changu.”
19 Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ ireo ka nomeny ho an’ izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Samsona, ka niakatra nankany amin’ ny tranon-drainy izy.
Ndipo Roho wa Bwana akamjia Samsoni kwa nguvu. Akateremka mpaka Ashkeloni, akawaua watu waume thelathini miongoni mwa watu wa mji, akatwaa mali zao na nguo zao, akawapa watu wale waliofumbua kile kitendawili. Akiwa na hasira, akakwea kurudi nyumbani kwa baba yake.
20 Ary ny vadiny dia lasan’ ny namany, izay efa nataony sakaizany.
Lakini huyo mke wa Samsoni akakabidhiwa kwa rafiki yake Samsoni ambaye alikuwa rafiki yake msaidizi siku ya arusi.

< Mpitsara 14 >