< Mpitsara 12 >

1 Ary nivory ny lehilahy amin’ ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin’ i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ ny afo ny tranonao sy ianao.
А људи од племена Јефремовог скупише се, и прешавши на север рекоше Јефтају: Зашто си ишао у бој на синове Амонове а нас ниси позвао да идемо с тобом? Спалићемо огњем дом твој и тебе.
2 Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin’ ny taranak’ i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin’ ny tànany ianareo.
А Јефтај им рече: Имах велику распру са синовима Амоновим ја и мој народ, и позвах вас, али ме не избависте из руку његових.
3 Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
Па видећи да ме не избависте, ставих душу своју у руку своју и отидох на синове Амонове, и Господ ми их даде у руке; па што сте сада дошли к мени да се бијете са мном?
4 Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin’ ny Gileada ka niady tamin’ ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin’ ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin’ ny Efraima ao amin’ ny taranak’ i Efraima sy Manase.
Тада Јефтај скупи све људе од Галада, и удари на Јефрема; и људи од Галада побише Јефрема; јер говораху: Бегунци сте Јефремови ви, људи од Галада, који се бавите међу Јефремом и међу Манасијом.
5 Dia novonjen’ ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin’ ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin’ ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin’ ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
И Галад узе Јефрему бродове јорданске. И кад који од Јефрема добеже и рече: Пусти ме да пређем, рекоше му они од Галада: Јеси ли од Јефрема? И кад он рече: Нисам,
6 dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin’ ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’ izany andro izany.
Онда му рекоше: Реци: Шиболет. А он рече: Сиболет, не могући добро изговорити. Тада га ухватише и заклаше на броду јорданском. И погибе у оно време из племена Јефремовог четрдесет и две хиљаде.
7 Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin’ ny tanana anankiray any Gileada.
И Јефтај би судија Израиљу шест година; и умре, и би погребен у граду галадском.
8 Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an’ i Jefta.
А после њега би судија Израиљу Авесан из Витлејема.
9 Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an’ ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
И имаше тридесет синова и тридесет кћери, које разуда из куће, а тридесет девојака доведе синовима својим из других кућа; и би судија Израиљу седам година.
10 Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
И потом умре Авесан, и би погребен у Витлејему.
11 Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
А после њега би судија Израиљу Елон о д Завулона; он би судија Израиљу десет година.
12 Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ ny tanin’ ny Zebolona.
Потом умре Елон од Завулона и би погребен у Ајалону у земљи Завулоновој.
13 Ary Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
После њега би судија у Израиљу Авдон син Елилов Фаратоњанин.
14 Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
Он имаше четрдесет синова и тридесет унука, који јахаху седамдесеторо магаради. И би судија Израиљу осам година.
15 Dia maty Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ ny tanin’ ny Efraima any amin’ ny tany havoan’ ny Amalekita.
Потом умре Авдон син Елилов Фаратоњанин, и би погребен у Фаратону у земљи Јефремовој на гори амаличкој.

< Mpitsara 12 >