< Mpitsara 12 >
1 Ary nivory ny lehilahy amin’ ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin’ i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ ny afo ny tranonao sy ianao.
Gulu la nkhondo la fuko la Efereimu linayitanidwa ndipo anawolokera ku Zafoni nakafunsa Yefita kuti, “Nʼchifukwa chiyani unawoloka kukachita nkhondo ndi Aamoni osatiyitana kuti tipite nawe? Ife tikutenthera mʼnyumba mwakomu.”
2 Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin’ ny taranak’ i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin’ ny tànany ianareo.
Yefita anayankha kuti, “Ine ndi anthu anga tinakangana kwambiri ndi Aamoni. Ndinakuyitanani koma inu simunandipulumutse mʼmanja mwawo.
3 Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
Nditaona kuti simundithandiza, ndinayika moyo wanga pa chiswe ndipo ndinawoloka kukachita nkhondo ndi a Aamoni. Yehova anandithandiza ndipo ndinawagonjetsa. Nanga nʼchifukwa chiyani mwabwera kwa ine lero kuti muchite nane nkhondo?”
4 Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin’ ny Gileada ka niady tamin’ ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin’ ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin’ ny Efraima ao amin’ ny taranak’ i Efraima sy Manase.
Choncho Yefita anasonkhanitsa anthu a ku Giliyadi ndi kuchita nkhondo ndi Aefereimu. Ndipo Agiliyadi anagonjetsa Aefereimu chifukwa Aefereimuwo amati, “Inu a Giliyadi ndinu othawa kuchokera ku Efereimu ndi pakati pa Amanase.”
5 Dia novonjen’ ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin’ ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin’ ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin’ ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
Choncho Agiliyadi analanda Aefereimu madooko a mtsinje wa Yorodani. Munthu aliyense wothawa ku Efereimu amati akanena kuti, “Ndiloleni ndiwoloke,” Agaliyadi ankafunsa kuti, “Kodi ndiwe mu Efurati?” Ngati iye ayankha kuti, “Ayi”
6 dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin’ ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’ izany andro izany.
Ndiye amamuwuza kuti, “Nena kuti ‘Shiboleti.’” Tsono munthuyo akanena kuti Siboleti popeza samatha kutchula bwino mawuwa, ankamugwira ndi kumupha pomwepo pa madooko a mtsinje wa Yorodani. Nthawi imeneyo anaphedwa Aefereimu 42,000.
7 Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin’ ny tanana anankiray any Gileada.
Yefita anatsogolera Israeli zaka zisanu ndi chimodzi. Kenaka Yefita wa ku Giliyadi anamwalira, ndipo anayikidwa mu mzinda wake ku Giliyadi.
8 Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an’ i Jefta.
Atamwalira Yefita, Ibizani wa ku Betelehemu anatsogolera Israeli.
9 Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an’ ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
Iye anali ndi ana aamuna makumi atatu ndi ana aakazi makumi atatu. Anakwatitsa ana ake akaziwo kwa anthu a fuko lina, ndipo ana ake aamuna aja anawabweretsera atsikana makumi atatu kuti awakwatire amenenso anali a fuko lina. Ibizani anatsogolera Israeli kwa zaka zisanu ndi ziwiri.
10 Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
Kenaka Ibizani anamwalira, ndipo anayikidwa mu Betelehemu.
11 Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
Iye atamwalira, Eloni wa fuko la Zebuloni anakhala mtsogoleri wa Aisraeli, ndipo anatsogolera Aisraeli kwa zaka khumi.
12 Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ ny tanin’ ny Zebolona.
Kenaka Eloni anamwalira ndipo anayikidwa ku Ayaloni mʼdziko la Zebuloni.
13 Ary Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
Iye atamwalira, Abidoni mwana wa Hilelo wochokera ku Piratoni, anatsogolera Israeli.
14 Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
Iye anali ndi ana aamuna makumi anayi ndi zidzukulu makumi atatu, amene ankakwera pa abulu 70. Iye anatsogolera Israeli kwa zaka zisanu ndi zitatu.
15 Dia maty Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ ny tanin’ ny Efraima any amin’ ny tany havoan’ ny Amalekita.
Ndipo Abidoni mwana wa Hilelo Mpiratoni uja anamwalira, nayikidwa ku Piratoni, mʼdziko la Efereimu, dziko lamapiri la Aamaleki.