< Mpitsara 11 >

1 Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
Gileadni Yefta yɛ ɔkofoɔ kɛseɛ. Nʼagya din de Gilead. Nanso ne maame yɛ ɔbaa dwamanfoɔ.
2 Ary ny vadin’ i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an’ i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin’ ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
Gilead yere woo mmammarima bebree, na saa mmammarima no nyinyiniiɛ no, wɔpamoo Yefta firii asase no so. Wɔka kyerɛɛ no sɛ, “Worennya yɛn agya agyapadeɛ biara, ɛfiri sɛ, woyɛ ɔbaa dwamanfoɔ bi ba.”
3 Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin’ ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin’ i Jefta ka niaraka taminy.
Enti Yefta dwane firii ne nuanom nkyɛn kɔtenaa Tob asase so. Ankyɛre, ɔnyaa atuatefoɔ bebree bɛdii nʼakyi.
4 Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.
Ɛberɛ korɔ yi ara, Amonfoɔ de ɔko bɛkaa Israel.
5 Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak’ i Amona, dia nandeha ny loholon’ i Gileada haka an’ i Jefta hiala any amin’ ny tany Toba.
Ɛberɛ a Amonfoɔ to hyɛɛ Israelfoɔ so, Gilead mpanimfoɔ soma kɔfaa Yefta firii Tob asase so baeɛ. Wɔka kyerɛɛ no sɛ,
6 Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin’ ny taranak’ i Amona.
“Bra na bɛyɛ yɛn so ɔsahene! Boa yɛn ma yɛne Amonfoɔ nko.”
7 Fa hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
Yefta bisaa wɔn sɛ, “Ɛnyɛ mo na motane me, pamoo me firii mʼagya fie no? Adɛn enti na afei a mowɔ ɔhaw mu no, morebɛfrɛ me?”
8 Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin’ ny taranak’ i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
Gilead mpanimfoɔ no ka kyerɛɛ Yefta sɛ, “Wo ho hia yɛn. Sɛ wodi yɛn anim ma yɛko tia Amonfoɔ a, yɛbɛyɛ wo Gileadfoɔ nyinaa sodifoɔ.”
9 Dia hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin’ ny taranak’ i Amona, ka hatolotr’ i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
Yefta buaa sɛ, “Sɛ me ne mo kɔ na Awurade ma medi Amonfoɔ so nkonim a, ampa ara sɛ mode me bɛyɛ nnipa no nyinaa sodifoɔ anaa?”
10 Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
Gilead ntuanofoɔ no buaa no sɛ, “Awurade ne yɛn danseni. Yɛbɛyɛ sɛdeɛ woka biara.”
11 Dia nandeha Jefta niaraka tamin’ ny loholon’ i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’ i Jehovah tao Mizpa.
Enti, Yefta ne ntuanofoɔ no kɔɔ Gilead. Na wɔde no yɛɛ wɔn sodifoɔ ne ɔsahene. Na Yefta tii nsɛm no nyinaa mu wɔ Mispa wɔ Awurade anim.
12 Dia naniraka olona Jefta nankamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin’ ny taniko ianao?
Afei, Yefta somaa abɔfoɔ kɔɔ Amonfoɔ ɔhene nkyɛn sɛ wɔnkɔbisa no deɛ enti a ɔrebɛto ahyɛ Israel so.
13 Dia hoy ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona tamin’ ny irak’ i Jefta: Satria nalain’ ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin’ ny fihavanana ary izany ankehitriny.
Amonfoɔ ɔhene buaa Yefta abɔfoɔ no sɛ, “Ɛberɛ a Israel firii Misraim baeɛ no, wɔfaa mʼasase a ɛfiri Asubɔnten Arnon de kɔsi Asubɔnten Yabok, toaso kɔsi Yordan. Enti, sane fa mʼadeɛ ma me asomdwoeɛ mu.”
14 Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin’ ny mpanakan’ ny taranak’ i Amona
Na Yefta sane somaa abɔfoɔ kɔɔ Amonfoɔ ɔhene hɔ sɛ,
15 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin’ i Moaba na ny tanin’ ny taranak’ i Amona.
“Sɛdeɛ Yefta seɛ nie: Israel amfa Moab asase anaa Amonfoɔ asase biara.
16 Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin’ ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
Ɛberɛ a Israelfoɔ tuu kwan firii Misraim, twaa Ɛpo Kɔkɔɔ na wɔduruu Kades no,
17 Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan’ i Edoma. Ary naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
wɔsomaa abɔfoɔ kɔɔ Edomhene hɔ sɛ ɔmma wɔn ɛkwan na wɔmfa nʼasase no so. Nanso Edomhene ampene. Wɔsoma ma wɔkɔɔ Moabhene hɔ, nanso ɔno nso ampene. Enti, Israelfoɔ tenaa Kades.
18 Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’ i Moaba, ka nitoby teo an-dafin’ i Arnona, fa tsy niditra teo anatin’ ny faritanin’ i Moaba; fa Arnona no fari-tanin’ i Moaba.
“Ne korakora ne sɛ, wɔnam ɛserɛ so twa faa Edom ne Moab ho hyiaeɛ. Wɔfaa Edom apueeɛ fam hyeɛ so kyeree sraban wɔ Asubɔnten Arnon fa hɔ. Nanso, wɔantwa Asubɔnten Arnon ankɔ Moab asase so.
19 Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay mpanjakan’ i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin’ ny fonenanay.
“Afei, Israelfoɔ somaa abɔfoɔ kɔɔ Amorifoɔhene Sihon a ɔdii adeɛ firi Hesbon na wɔbisaa ɛkwan sɛ wɔpɛ sɛ wɔfa nʼasase so kɔ baabi a wɔrekɔ.
20 Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin’ ny Isiraely.
Nanso, ɛsiane sɛ na ɔhene Sihon nni Israelfoɔ mu gyidie enti ɔboaboaa ne dɔm ano wɔ Yahas maa wɔto hyɛɛ wɔn so.
21 Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an’ i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan’ ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon’ ny Isiraely ny tanin’ ny Amorita rehetra, mponina tany amin’ izany tany izany.
“Na Awurade, Israel Onyankopɔn, maa ne nkurɔfoɔ dii ɔhene Sihon so. Enti, Israelfoɔ faa Amorifoɔ asase a na wɔte so wɔ ɔmantam no mu
22 Dia nahazo ny tanin’ ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin’ ny efitra ka hatrany Jordana.
firi Asubɔnten Arnon de kɔsi Asubɔnten Yabok, firi ɛserɛ no so de kɔsi Yordan nyinaa dii so.
23 Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
“Enti, moahunu, ɛyɛ Awurade, Israel Onyankopɔn na ɔgyee asase no firii Amorifoɔ nsam na ɔde maa Israel. Enti, adɛn na ɛsɛ sɛ yɛde ma mo?
24 Moa tsy hotananao izay tany omen’ i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen’ i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
Deɛ mo nyame Kemos de maa mo no momfa, na yɛn nso, deɛ Awurade, yɛn Onyankopɔn de maa yɛn biara no yɛafa.
25 Moa tsara noho Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
Mosene Sipor babarima Balak a na ɔyɛ Moabhene no? Ɔne Israel twee asase bi so manso anaa? Ɔkɔɔ ɔko anaa? Dabi.
26 Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin’ ny tanàna rehetra eny amoron’ i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’ izany andro izany?
Na afei, mfeɛ ahasa akyi, na woama saa asɛm yi so? Israel atena ha saa ɛberɛ tenten yi, wɔatrɛ afiri Hesbon asase so, akɔsi Aroer ne nkuro no nyinaa so, akɔfa Asubɔnten Arnon ano. Adɛn enti na dadaada yi moanyɛ mo adwene sɛ mobɛgye asase yi?
27 Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
Menyɛɛ mo bɔne. Mmom, mo na moayɛ me bɔne sɛ moto hyɛɛ me so. Momma Awurade a ɔyɛ ɔtemmufoɔ no mmua ɛnnɛ, sɛ yɛn mu hwan na nʼasɛm yɛ dɛ? Israel anaa Amon.”
28 Nefa tsy nohenoin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona ny tenin’ i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
Nanso, Amonhene amfa Yefta asɛm no asɛmhia.
29 Ary tonga tao amin’ i Jefta ny Fanahin’ i Jehovah, dia nandeha nitety an’ i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an’ i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
Saa ɛberɛ no, Awurade Honhom baa Yefta so ma ɔkɔɔ Gilead ne Manase nsase nyinaa so a, Mispa a ɛwɔ Gilead ka ho. Na ɔdii akodɔm anim to hyɛɛ Amonfoɔ so.
30 Ary Jefta nivoady tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak’ i Amona,
Na Yefta hyɛɛ Awurade bɔ. Ɔkaa sɛ, “Sɛ woma medi Amonfoɔ so a,
31 dia ho an’ i Jehovah Izay mivoaka amin’ ny varavaran’ ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ ny taranak’ i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
mede adeɛ a ɛbɛdi ɛkan afiri me fie abɛhyia me ɛberɛ a mede nkonimdie reba no, bɛma Awurade. Mede bɛma no sɛ ɔhyeɛ afɔdeɛ.”
32 Dia nandeha Jefta nankany amin’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ireo.
Ɛnna Yefta dii nʼakodɔm anim tiaa Amonfoɔ, na Awurade ma ɔdii nkonim.
33 Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin’ i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.
Ɔdii Amonfoɔ so pasaa, sɛee nkuro bɛyɛ aduonu, firii Aroer de kɔsii baabi a ɛbɛn Minit, kɔeɛ ara kɔsii Abel-Keramim. Saa ɛkwan yi na Israelfoɔ faa so kaa Amonfoɔ hyɛeɛ.
34 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
Ɛberɛ a Yefta firi akono kɔɔ ne fie wɔ Mispa no, ne babaa, a ɔyɛ ne ba korɔ no, tuu mmirika bɛhyiaa no a ɔrebɔ akasaeɛ, na anigyeɛ enti, ɔresa.
35 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin’ i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
Yefta hunuu no no, ɔde awerɛhoɔ sunsuanee ne ntadeɛ mu, teaam sɛ, “Ao, me ba, mʼakoma rete! Ɛdeɛn ahometesɛm sɛ woaba, rebɛhyia me. Na maka Awurade ntam na merentumi mmu so.”
36 Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’ i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak’ i Amona fahavalonao ho anao.
Ne babaa no buaa sɛ, “Mʼagya, woahyɛ Awurade bɔ. Yɛ me sɛdeɛ woahyɛ bɔ no, ɛfiri sɛ Awurade ama woadi wʼatamfoɔ a wɔyɛ Amonfoɔ no so nkonim.
37 Dia hoy koa izy tamin’ ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin’ ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin’ ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
Nanso, deɛ ɛdi ɛkan no, ma memforo mmepɔ nkɔkyinkyini so na me ne me nnamfonom nsu abosome mmienu, ɛfiri sɛ, mɛwu sɛ ababaawa a menhunuu ɔbarima da.”
38 Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin’ ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
Yefta ka kyerɛɛ no sɛ, “Wotumi kɔ.” Enti, ɔmaa no kɔ kɔdii abosome mmienu. Ɔne ne nnamfonom kɔɔ mmepɔ no so kɔsuiɛ, ɛfiri sɛ, ɔrennya mma.
39 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin’ ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin’ ny Isiraely
Ɛberɛ a ɔsane baa fie no, nʼagya dii ne bɔhyɛ so. Enti ɔwuu sɛ ababaawa a ɔnhunuu ɔbarima da. Yei abɛyɛ amanneɛ wɔ Israel
40 ny fandehanan’ ny zazavavin’ ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’ i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.
ama Israel mmaabunu sɛ afe biara wɔbɛkɔ baabi akɔdi nna ɛnan na wɔakɔsu Yefta babaa no nkrabea.

< Mpitsara 11 >