< Mpitsara 10 >

1 Ary taorian’ i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak’ i Dodo, lehilahy avy tamin’ ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin’ ny tany havoan’ i Efraima izy.
A MAHOPE iho o Abimeleka, ku mai o Tola, ke keiki a Pua, ke keiki a Dodo, he kanaka no ka Isakara, nana i hoola i ka Iseraela. A noho no ia ma Samira, ma ka mauna o Eperaima.
2 Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
Nana i hooponopono i ka Iseraela, he iwakaluakumamakolu makahiki, a make ia, kanuia iho la ia ma Samira.
3 Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.
Mahope iho ona, ku mai o Iaira, he kanaka no Gileada, nana i hooponopono i ka Iseraela, he iwakaluakumamalua makahiki.
4 Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin’ ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.
He kanakolu ana mau keikikane, a holo lakou maluna o na hoki keiki, he kanakolu; he kanakolu ko lakou poe kulanakauhale, i kapaia Havote-iaira, a hiki mai i neia la; aia no ma ka aina o Gileada.
5 Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.
Make iho la o Iaira, a kanuia iho la ma Kamona.
6 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’ i Syria sy ny andriamanitr’ i Sidona sy ny andriamanitr’ i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’ i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’ i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
Hana hewa hou aku la na mamo a Iseraela, imua o Iehova, a malama aku la i na Baala, a me na Asetarota, a me na'kua o Suria, a me na'kua o Sidona, a me na'kua o Moaba, a me na'kua o na mamo a Amora, a me na'kua o ko Pilisetia, a haalele ia Iehova, aole i malama ia ia.
7 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ ny Filistina sy ho eo an-tànan’ ny taranak’ i Amona Izy.
Wela iho la ka huhu o Iehova i ka Iseraela, a hoolilo aku la ia lakou i ka lima o ko Pilisetia, a i ka lima o na mamo a Amona.
8 Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak’ Isiraely ireo tamin’ izany taona izany: valo ambin’ ny folo taona no nampahoriany ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay tany an-dafin’ i Jordana, tany amin’ ny tanin’ ny Amorita any Gileada.
Ia kau, hoino mai la lakou, a hookaumaha loa i na mamo a Iseraela, he umikumamawalu makahiki, i na mamo a pau a Iseraela, ma ia aoao o Ioredane, ma ka aina o ka Amora, oia hoi ma Gileada.
9 Ary nita an’ i Jordana ny taranak’ i Amona mba hiady koa amin’ ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak’ i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.
Hele ae no hoi na mamo a Amona i kela aoao o Ioredane, a kaua ae la i ka Iuda, a i ka Beniamina, a i ko ka hale a Eperaima; no ia mea, kaumaha loa ka Iseraela.
10 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an’ Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.
Hea aku la na mamo a Iseraela ia Iehova, i aku la, Ua hana hewa makou ia oe, no ka mea, ua haalele makou i ko makou Akua, a ua malama i na Baala.
11 Ary hoy Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak’ i Amona ary ny Filistina va Aho?
I mai la o Iehova i na mamo a Iseraela, Aole anei na'u oukou i hoopakele, mai ko Aigupita mai? a mai ka Amora mai, a mai na mamo a Amona mai, a mai ko Pilisetia mai?
12 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin’ ny tànany.
Hookaumaha mai no hoi o ko Zidona ia oukou, a me ka Ameleka, a me ka Maona, a hea mai oukou ia'u, a hoola mai au ia oukou; mai ko lakou lima mai.
13 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.
Aka, ua haalele oukou ia'u, a ua malama i na'kua e; nolaila, aole au e hoola hou ia oukou.
14 Mandehana, ka mitaraina amin’ ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin’ ny andron’ ny fahantranareo.
E hele oukou, e hea aku i na'kua a oukou i koho ai; na lakou e hoola mai ia oukou, i ka manawa o ko oukou kaumaha.
15 Ary hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.
I aku la na mamo o Iseraela ia Iehova, Ua hana hewa makou, o ka mea i pono i kou mau maka, pela oe e hana mai ai ia makou. Ke noi aku nei makou ia oe, e hoola mai ia makou i keia la wale no.
16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’ i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ ny Isiraely.
Kiola aku la lakou i na'kua e, mai o lakou aku, a malama iho la ia Iehova; a menemene iho la kona uhane, no ke kaumaha nui o ka Iseraela.
17 Dia nivory ny taranak’ i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak’ Isiraely ka nitoby tany Mizpa.
Akoakoa mai la na mamo a Amona, a hoomoana iho la ma Gileada; a akoakoa mai la na mamo a Iseraela, a hoomoana iho la ma Mizepa.
18 Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan’ i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Amona? dia ho lohany amin’ ny mponina rehetra any Gileada izy.
I ae la na kanaka, ka poe luna o Gileada hoi, kekahi i kekahi, Owai ke kanaka e hoomaka i ke kaua aku i na mamo a Amona? E lilo ia i luna maluna o na kanaka a pau o Gileada.

< Mpitsara 10 >