< Mpitsara 1 >
1 Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny Kananita ho anay?
After the death of Josue the children of Israel consulted the Lord, saying: Who shall go up before us against the Chanaanite, and shall be the leader of the war?
2 Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
And the Lord said: Juda shall go up: behold I have delivered the land into his hands.
3 Ary hoy Joda tamin’ i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin’ ny lovako, ka aoka isika hiady amin’ ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin’ ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
And Juda said to Simeon his brother: Come up with me into my lot, and fight against the Chanaanite, that I also may go along with thee into thy lot. And Simeon went with him.
4 Dia niakatra Joda, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
And Juda went up, and the Lord delivered the Chanaanite, and the Pherezite into their hands: and they slew of them in Bezec ten thousand men.
5 Ary nahita an’ i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
And they found Adonibezec in Bezec, and fought against him, and they defeated the Chanaanite, and the Pherezite.
6 Nefa nandositra Adoni-bezeka; ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
And Adonibezec fled: and they pursued after him and took him, and cut off his fingers and toes.
7 Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin’ ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’ Andriamanitra ahy! Ary nentin’ ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
And Adonibezec said: Seventy kings having their fingers and toes cut off, gathered up the leavings of the meat under my table: as I have done, so hath God requited me. And they brought him to Jerusalem, and he died there.
8 Ary namely an’ i Jerosalema ny taranak’ i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
And the children of Juda besieging Jerusalem, took it, and put it to the sword, and set the whole city on fire.
9 Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak’ i Joda hiady amin’ ny Kananita izay nonina tany amin’ ny tany havoana sy tany amin’ ny tany atsimo ary tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
And afterwards they went down and fought against the Chanaanite, who dwelt in the mountains, and in the south, and in the plains.
10 Dia nandeha Joda hiady amin’ ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran’ i Hebrona taloha), ka namono an’ i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
And Juda going forward against the Chanaanite, that dwelt in Hebron (the name whereof was in former times Cariath-Arbe) slew Sesai, and Ahiman, and Tholmai:
11 Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).
And departing from thence he went to the inhabitants of Dabir, the ancient name of which was Cariath-Sepher, that is, the city of letters.
12 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
And Caleb said: He that shall take Cariath-Sepher, and lay it waste, to him will I give my daughter Axa to wife.
13 Ary Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
And Othoniel the son of Cenez, the younger brother of Caleb, having taken it, he gave him Axa his daughter to wife.
14 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
And as she was going on her way her husband admonished her to ask a field of her father. And as she sighed sitting on her ass, Caleb said to her: What aileth thee?
15 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen’ i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
But she answered: Give me a blessing, for thou hast given me a dry land: give me also a watery land. So Caleb gave her the upper and the nether watery ground.
16 Ary ny taranak’ ilay Kenita, zaodahin’ i Mosesy dia niara-niakatra tamin’ ny taranak’ i Joda niala tao amin’ ny tanàna be rofia hankany an-efitr’ i Joda, atsimon’ i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin’ ny Isiraely.
And the children of the Cinite, the kinsman of Moses, went up from the city of palms, with the children of Juda into the wilderness of his lot, which is at the south side of Arad, and they dwelt with him.
17 Ary Joda nandeha niaraka tamin’ i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Horma.
And Juda went with Simeon his brother, and they together defeated the Chanaanites that dwelt in Sephaath, and slew them. And the name of the city was called Horma, that is, Anathema.
18 Dia afak’ i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
And Juda took Gaza with its confines, and Ascalon and Accaron with their confines.
19 Ary Jehovah nomba an’ i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin’ ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
And the Lord was with Juda, and he possessed the hill country: but was not able to destroy the inhabitants of the valley, because they had many chariots armed with scythes.
20 Ary Hebrona dia nomeny an’ i Kaleba, araka izay efa nolazain’ i Mosesy, ka noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
And they gave Hebron to Caleb, as Moses had said, who destroyed out of it the three sons of Enac.
21 Ary ny taranak’ i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ ny taranak’ i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
But the sons of Benjamin did not destroy the Jebusites that inhabited Jerusalem: and the Jebusite hath dwelt with the sons of Benjamin in Jerusalem until this present day.
22 Ary ny taranak’ i Josefa dia niakatra koa hamely an’ i Betela; ary Jehovah nomba azy.
The house of Joseph also went up against Bethel, and the Lord was with them.
23 Dia naniraka hisafo an’ i Betela ny taranak’ i Josefa (Lozy no anaran’ ny tanàna taloha);
For when they were besieging the city, which before was called Luza,
24 ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
They saw a man coming out of the city, and they said to him: Shew us the entrance into the city, and we will shew thee mercy.
25 Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
And when he had shewn them, they smote the city with the edge of the sword: but that man and all his kindred they let go:
26 Ary nandeha ho any amin’ ny tanin’ ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany.
Who being sent away, went into the land of Hethim, and built there a city, and called it Luza: which is so called until this day.
27 Ary Manase tsy nahafaka an’ i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian’ ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
Manasses also did not destroy Bethsan, and Thanac with their villages, nor the inhabitants of Dor, and Jeblaam, and Mageddo with their villages. And the Chanaanite began to dwell with them.
28 Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita, fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
But after Israel was grown strong he made them tributaries, and would not destroy them.
29 Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita, izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.
Ephraim also did not slay the Chanaanite that dwelt in Gazer, but dwelt with him.
30 Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
Zabulon destroyed not the inhabitants of Cetron, and Naalol: but the Chanaanite dwelt among them, and became their tributaries.
31 Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika, na ny tany Rehoba;
Aser also destroyed not the inhabitants of Accho, and of Sidon, of Ahalab, and of Achazib, and of Helba, and of Aphec, and of Rohob:
32 fa nonina teo amin’ ny Kananita tompon-tany ny taranak’ i Asera, fa tsy nandroaka azy.
And he dwelt in the midst of the Chanaanites the inhabitants of that land, and did not slay them.
33 Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin’ ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.
Nephtali also destroyed not the inhabitants of Bethsames, and of Bethanath: and he dwelt in the midst of the Chanaanites the inhabitants of the land, and the Bethsamites and Bethanites were tributaries to him.
34 Ary ny Amorita nanesika ny taranak’ i Dana ho any amin’ ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin’ ny tany lemaka,
And the Amorrhite straitened the children of Dan in the mountain, and gave them not place to go down to the plain:
35 fa tian’ ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan’ ny taranak’ i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.
And he dwelt in the mountain Hares, that is, of potsherds, in Aialon and Salebim. And the hand of the house of Joseph was heavy upon him, and he became tributary to him.
36 Ary ny fari-tanin’ ny Amorita dia hatramin’ ny fiakarana Akrabima ka hatramin’ ilay harambato no ho mankany.
And the border of the Amorrhite was from the ascent of the scorpion, the rock, and the higher places.