< Joda 1 >

1 Joda, mpanompon’ i Jesosy Kristy sady rahalahin’ i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin’ Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’ i Jesosy Kristy;
Yuda, mtumwa wa Yesu Kristo na nduguye Yakobo: Kwa wale walioitwa, wapendwa katika Mungu Baba na kuhifadhiwa salama ndani ya Yesu Kristo:
2 hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
Rehema, amani na upendo viwe kwenu kwa wingi.
3 Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masìna.
Wapendwa, ingawa nilikuwa ninatamani sana kuwaandikia kuhusu wokovu ambao tunaushiriki sisi sote, niliona imenipasa kuwaandikia na kuwasihi kwamba mwitetee imani iliyokabidhiwa watakatifu kwa nafasi moja itoshayo.
4 Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’ izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’ Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Kwa kuwa kuna watu waliojipenyeza kwa siri katikati yenu, watu walioandikiwa tangu zamani hukumu hii, waovu, wapotoshao neema ya Mungu wetu kuwa ufisadi wakimkana yeye aliye Bwana wetu wa pekee, Bwana Yesu Kristo.
5 Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’ izany izay tsy nino.
Ingawa mmekwisha kujua haya yote, nataka niwakumbushe kuwa Bwana akiisha kuwaokoa watu wake kutoka nchi ya Misri, baadaye aliwaangamiza wale ambao hawakuamini.
6 Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe. (aïdios g126)
Nao malaika ambao hawakulinda nafasi zao, lakini wakayaacha makao yao, hawa amewaweka katika giza, wakiwa wamefungwa kwa minyororo ya milele kwa ajili ya hukumu Siku ile kuu. (aïdios g126)
7 Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ ny iaretany fijaliana amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios g166)
Vivyo hivyo, Sodoma na Gomora na pia ile miji iliyokuwa kandokando, ambayo kwa jinsi moja na hao, walijifurahisha kwa uasherati na kufuata tamaa za mwili zisizo za asili, waliwekwa wawe mfano kwa kuadhibiwa katika moto wa milele. (aiōnios g166)
8 Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.
Vivyo hivyo, hawa waotao ndoto huutia mwili unajisi, hukataa kuwa chini ya mamlaka na kunena mabaya juu ya wenye mamlaka.
9 Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ ny devoly ka nifanditra ny amin’ ny fatin’ i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah”.
Lakini hata malaika mkuu Mikaeli alipokuwa anashindana na ibilisi juu ya mwili wa Mose, hakuthubutu kumlaumu, bali alimwambia, “Bwana na akukemee!”
10 Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.
Lakini watu hawa hunena mabaya dhidi ya mambo wasiyoyafahamu. Na katika mambo yale wanayoyafahamu kwa hisia kama wanyama wasio na akili, hayo ndiyo hasa yanayowaharibu.
11 Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ ny lalan’ i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’ i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ ny fiodinan’ i Kora izy.
Ole wao! Kwa kuwa wanaifuata njia ya Kaini, wamekimbilia faida katika kosa la Balaamu na kuangamia katika uasi wa Kora.
12 Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
Watu hawa ni dosari katika karamu zenu za upendo, wakila pamoja nanyi bila hofu, wakijilisha pasipo hofu. Wao ni mawingu yasiyokuwa na maji, yakichukuliwa na upepo, miti isiyo na matunda wakati wa mapukutiko, ambayo hunyauka, iliyokufa mara mbili na kungʼolewa kabisa.
13 onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ ny maizina. (aiōn g165)
Wao ni mawimbi makali ya bahari, yakitoa povu la aibu yao wenyewe, ni nyota zipoteazo, ambao weusi wa giza ndio akiba waliowekewa milele. (aiōn g165)
14 Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’ i Adama, dia efa naminany ny amin’ ireny olona ireny ka nanao hoe: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina
Enoki, mtu wa saba kuanzia Adamu alitoa unabii kuhusu watu hawa, akisema: “Tazama, Bwana anakuja pamoja na maelfu kwa maelfu ya watakatifu wake,
15 hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.”
ili kumhukumu kila mmoja na kuwapatiliza wote wasiomcha Mungu kwa matendo yao yote ya uasi waliyoyatenda, pamoja na maneno yote ya kuchukiza ambayo wenye dhambi wamesema dhidi yake.”
16 Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
Watu hawa ni wenye kunungʼunika na wenye kutafuta makosa; wao hufuata tamaa zao mbaya, hujisifu kwa maneno makuu kuhusu wao wenyewe na kuwasifu mno watu wenye vyeo kwa ajili ya kujipatia faida.
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ ny Apostolin’ i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
Lakini ninyi wapenzi, kumbukeni yale mitume wa Bwana Yesu Kristo waliyonena zamani.
18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.
Kwa kuwa waliwaambia, “Siku za mwisho kutakuwa na watu wenye kudhihaki, watakaofuata tamaa zao wenyewe za upotovu.”
19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.
Hawa ndio watu wanaowagawa ninyi, wafuatao tamaa zao za asili, wala hawana Roho.
20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masìna indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masìna;
Lakini ninyi wapendwa, jijengeni katika imani yenu iliyo takatifu sana tena ombeni katika Roho Mtakatifu.
21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Jilindeni katika upendo wa Mungu mkitazamia kwa furaha rehema ya Bwana wetu Yesu Kristo ili awalete katika uzima wa milele. (aiōnios g166)
22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
Wahurumieni walio na mashaka;
23 ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.
wengine waokoeni kwa kuwanyakua kutoka kwenye moto; nao wengine wahurumieni mkiwa na hofu, mkichukia hata vazi lenye mawaa na kutiwa unajisi na mwili.
24 Ary ho an’ izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana,
Kwake yeye awezaye kuwalinda ninyi msianguke na kuwaleta mbele za utukufu wake mkuu bila dosari na kwa furaha ipitayo kiasi:
25 ho an’ Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
kwake yeye Mungu pekee Mwokozi wetu, kwa Yesu Kristo Bwana wetu, utukufu, ukuu, uweza na mamlaka ni vyake tangu milele, sasa na hata milele! Amen. (aiōn g165)

< Joda 1 >