< Joda 1 >

1 Joda, mpanompon’ i Jesosy Kristy sady rahalahin’ i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin’ Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’ i Jesosy Kristy;
예수 그리스도의 종이요 야고보의 형제인 유다는 부르심을 입은 자 곧 하나님 아버지 안에서 사랑을 얻고 예수 그리스도를 위하여 지키심을 입은 자들에게 편지하노라
2 hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
긍휼과 평강과 사랑이 너희에게 더욱 많을지어다
3 Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masìna.
사랑하는 자들아 내가 우리의 일반으로 얻은 구원을 들어 너희에게 편지하려는 뜻이 간절하던 차에 성도에게 단번에 주신 믿음의 도를 위하여 힘써 싸우라는 편지로 너희를 권하여야 할 필요를 느꼈노니
4 Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’ izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’ Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
이는 가만히 들어온 사람 몇이 있음이라 저희는 옛적부터 이 판결을 받기로 미리 기록된 자니 경건치 아니하여 우리 하나님의 은혜를 도리어 색욕거리로 바꾸고 홀로 하나이신 주재 곧 우리 주 예수 그리스도를 부인하는 자니라
5 Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’ izany izay tsy nino.
너희가 본래 범사를 알았으나 내가 너희로 다시 생각나게 하고자 하노라 주께서 백성을 애굽에서 구원하여 내시고 후에 믿지 아니하는 자들을 멸하셨으며
6 Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe. (aïdios g126)
또 자기 지위를 지키지 아니하고 자기 처소를 떠난 천사들을 큰 날의 심판까지 영원한 결박으로 흑암에 가두셨으며 (aïdios g126)
7 Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ ny iaretany fijaliana amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios g166)
소돔과 고모라와 그 이웃 도시들도 저희와 같은 모양으로 간음을 행하며 다른 색을 따라 가다가 영원한 불의 형벌을 받음으로 거울이 되었느니라 (aiōnios g166)
8 Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.
그러한데 꿈꾸는 이 사람들도 그와 같이 육체를 더럽히며 권위를 업신여기며 영광을 훼방하는도다
9 Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ ny devoly ka nifanditra ny amin’ ny fatin’ i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah”.
천사장 미가엘이 모세의 시체에 대하여 마귀와 다투어 변론할 때에 감히 훼방하는 판결을 쓰지 못하고 다만 말하되 주께서 너를 꾸짖으시기를 원하노라 하였거늘
10 Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.
이 사람들은 무엇이든지 그 알지 못하는 것을 훼방하는도다 또 저희는 이성 없는 짐승 같이 본능으로 아는 그것으로 멸망하느니라
11 Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ ny lalan’ i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’ i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ ny fiodinan’ i Kora izy.
화 있을진저 이 사람들이여, 가인의 길에 행하였으며 삯을 위하여 발람의 어그러진 길로 몰려갔으며 고라의 패역을 좇아 멸망을 받았도다
12 Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
저희는 기탄 없이 너희와 함께 먹으니 너희 애찬의 암초요 자기 몸만 기르는 목자요 바람에 불려가는 물 없는 구름이요 죽고 또 죽어 뿌리까지 뽑힌 열매 없는 가을 나무요
13 onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ ny maizina. (aiōn g165)
자기의 수치의 거품을 뿜는 바다의 거친 물결이요 영원히 예비된 캄캄한 흑암에 돌아갈 유리하는 별들이라 (aiōn g165)
14 Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’ i Adama, dia efa naminany ny amin’ ireny olona ireny ka nanao hoe: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina
아담의 칠세 손 에녹이 사람들에게 대하여도 예언하여 이르되 보라 주께서 그 수만의 거룩한 자와 함께 임하셨나니
15 hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.”
이는 뭇사람을 심판하사 모든 경건치 않은 자의 경건치 않게 행한 모든 경건치 않은 일과 또 경건치 않은 죄인의 주께 거스려 한 모든 강퍅한 말을 인하여 저희를 정죄하려 하심이라 하였느니라
16 Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
이 사람들은 원망하는 자며 불만을 토하는 자며 그 정욕대로 행하는 자라 그 입으로 자랑하는 말을 내며 이를 위하여 아첨하느니라
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ ny Apostolin’ i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
사랑하는 자들아 너희는 우리 주 예수 그리스도의 사도들의 미리 한 말을 기억하라
18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.
그들이 너희에게 말하기를 마지막 때에 자기의 경건치 않은 정욕대로 행하며 기롱하는 자들이 있으리라 하였나니
19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.
이 사람들은 당을 짓는 자며 육에 속한 자며 성령은 없는 자니라
20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masìna indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masìna;
사랑하는 자들아 너희는 너희의 지극히 거룩한 믿음 위에 자기를 건축하며 성령으로 기도하며
21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
하나님의 사랑 안에서 자기를 지키며 영생에 이르도록 우리 주 예수 그리스도의 긍휼을 기다리라 (aiōnios g166)
22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
어떤 의심하는 자들을 긍휼히 여기라
23 ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.
또 어떤 자를 불에서 끌어내어 구원하라 또 어떤 자를 그 육체로 더럽힌 옷이라도 싫어하여 두려움으로 긍휼히 여기라
24 Ary ho an’ izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana,
능히 너희를 보호하사 거침이 없게 하시고 너희로 그 영광 앞에 흠이 없이 즐거움으로 서게 하실 자
25 ho an’ Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
곧 우리 구주 홀로 하나이신 하나님께 우리 주 예수 그리스도로 말미암아 영광과 위엄과 권력과 권세가 만고 전부터 이제와 세세에 있을지어다 아멘 (aiōn g165)

< Joda 1 >