< Joda 1 >
1 Joda, mpanompon’ i Jesosy Kristy sady rahalahin’ i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin’ Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’ i Jesosy Kristy;
这封信函来自耶稣基督的仆人、雅各的兄弟犹大,写给那些被蒙招之人,那些被父上帝所爱、由受耶稣基督保护之人。
2 hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
愿你们感受到上帝更多的怜悯、平安和慈爱。
3 Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masìna.
我的朋友们,我非常期待在信中讲述我们所分享的救赎。但现在我需要通过信函紧急告诉你们,鼓励你们大力捍卫关于上帝的真理,这些真理已经一次性且永远地全部赐给上帝的圣徒。
4 Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’ izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’ Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
因为有些人悄悄混入你们中间。很久以前就有人写到他们,对他们进行谴责,因为他们是邪恶之人,歪曲上帝的恩典,将其变成不道德的放纵行为,同时否认我们的主和主耶稣基督。
5 Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’ izany izay tsy nino.
尽管你们已经知道了,但我还是要提醒你们,主虽然把他的百姓从埃及的土地上救了出来,但后来他还是毁灭了那些不信之人。
6 Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe. (aïdios )
即使是那些不满足于上帝所赐地位、放弃其应有位置的天使,上帝也会将其置于永恒的黑暗锁链中,直到那伟大的审判日。 (aïdios )
7 Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ ny iaretany fijaliana amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios )
同样,所多玛、蛾摩拉和附近那些追逐不道德和变态淫乱的城镇,也是将遭受永恒之火惩罚的例子。 (aiōnios )
8 Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.
同样,这些梦想家污染了自己的身体藐视权威,毁谤神圣之人。
9 Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ ny devoly ka nifanditra ny amin’ ny fatin’ i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah”.
即使是天使长米迦勒,当他为了摩西的尸体与魔鬼争论时,也不敢用毁谤的语言定他的罪,只说:“愿主责备你!”
10 Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.
但这些人嘲笑他们不理解的东西;而他们理解的东西却像不思考的动物一样本能地追随--这就是摧毁他们的原因。。
11 Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ ny lalan’ i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’ i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ ny fiodinan’ i Kora izy.
他们现在面对可怕的灾祸,因为他们走上了该隐的道路,就像巴兰和他的妄想,他们出于利益的动机而放弃了自己。就像可拉和他的叛乱,他们毁灭了自己。
12 Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
这些人破坏其他人的饭菜,因为他们是自私的牧羊人,没有丝毫羞耻心,只顾自己。它们是被风吹走的云,不会带来雨水。它们是光秃秃的树,不会结果——两次死亡,连根拔起。
13 onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ ny maizina. (aiōn )
它们是汹涌的海浪,溅起耻辱的泡沫。他们是虚假的星辰,注定永远陷入黑暗。 (aiōn )
14 Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’ i Adama, dia efa naminany ny amin’ ireny olona ireny ka nanao hoe: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina
亚当第七世孙以诺也曾对这些人做出预言:“看!主正在与他千万圣者降临,
15 hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.”
审判众人,揭露世人所做的一切恶事,以及敌对的罪人对其说的所有可怕之语。”
16 Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
这样的人总是在发牢骚,总是在抱怨。他们追随自己的邪恶欲望,自吹自擂,通过奉承他人获得他们想要的东西。
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ ny Apostolin’ i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
但你们呢,亲爱朋友们,请记住我们主耶稣基督的使徒从前所说的话。
18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.
他们曾向你们解释:在末世,必有喜欢嘲弄之人,追随自己的邪恶欲望。
19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.
这些人会分裂,他们是没有灵的世俗之人。
20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masìna indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masìna;
但我的朋友们,你们要通过对上帝的信任来成就自己。以圣灵的名义进行祈祷,
21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. (aiōnios )
在上帝的爱中保护自己,等候带来永生之主耶稣基督的怜悯。 (aiōnios )
22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
向心里疑惑之人予以怜悯;
23 ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.
在你力所能及的情况下,把他们从火中抢救出来。显示你的怜悯,但要非常小心,甚至要憎恨那些被罪恶人性污染的“衣服。”
24 Ary ho an’ izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana,
现在,通过我们的主耶稣基督,愿那可以保护你们不会坠落的主,那能以无可挑剔的方式带来极大喜乐、将你们带到其荣耀之地的主,
25 ho an’ Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. (aiōn )
那唯一的上帝、我们的救世主, 愿他在过去、现在和未来,拥有所有荣耀、威严、能力和权威。 阿门。 (aiōn )