< Josoa 1 >
1 Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Mosesy:
Après la mort de Moïse, serviteur de Yahweh, Yahweh parla à Josué, fils de Nun, serviteur de Moïse, en ces termes:
2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’ Isiraely.
« Moïse, mon serviteur, est mort; maintenant lève-toi, passe ce Jourdain, toi et tout ce peuple, pour entrer dans le pays que je donne aux enfants d’Israël.
3 Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin’ i Mosesy.
Tout lieu que foulera la plante de votre pied, je vous l’ai donné, comme je l’ai dit à Moïse.
4 Hatramin’ ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ ny Hetita, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
Depuis le désert et depuis ce Liban jusqu’au grand fleuve, le fleuve d’Euphrate, — tout le pays des Hittites, — et jusqu’à la grande mer vers le soleil couchant, tout cela sera votre territoire.
5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
Nul ne tiendra devant toi pendant tous les jours de ta vie; comme j’ai été avec Moïse, je serai avec toi; je ne te délaisserai, ni ne t’abandonnerai.
6 Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
Fortifie-toi et prends courage; car c’est toi qui mettras ce peuple en possession du pays que j’ai juré à leurs pères de leur donner.
7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba hambinina ianao amin’ izay rehetra alehanao.
Seulement fortifie-toi et aie bon courage, en t’appliquant à agir selon toute la loi que Moïse, mon serviteur, t’a prescrite. Ne t’en détourne ni à droite ni à gauche, afin que tu réussisses en tout ce que tu entreprendras.
8 Aoka tsy hiala amin’ ny vavanao ity bokin’ ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’ alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’ izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.
Que ce livre de la loi ne s’éloigne pas de ta bouche; médite-le jour et nuit, en t’appliquant à agir selon tout ce qui y est écrit; car alors tu prospéreras dans tes voies et tu réussiras.
9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
Ne te l’ai-je pas commandé: Fortifie-toi et prends courage? Sois sans crainte et sans peur, car Yahweh, ton Dieu, est avec toi partout où tu iras. »
10 Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
Josué donna cet ordre aux officiers du peuple:
11 Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
« Parcourez le camp, et donnez au peuple ce commandement: Préparez-vous des provisions, car dans trois jours vous passerez ce Jourdain pour aller occuper le pays que Yahweh, votre Dieu, vous donne en possession. »
12 Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nilazan’ i Josoa hoe:
Et aux Rubénites, aux Gadites et à la demi-tribu de Manassé, Josué parla ainsi:
13 Tsarovy ny teny izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.
« Rappelez-vous ce que vous a prescrit Moïse, serviteur de Yahweh, en disant: Yahweh, votre Dieu, vous a accordé du repos et vous a donné ce pays.
14 Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ ny tany izay nomen’ i Mosesy anareo etỳ an-dafin’ i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ ny rahalahinareo hanampy azy,
Vos femmes, vos petits enfants et vos troupeaux resteront dans le pays que Moïse vous a donné au delà du Jourdain; mais vous passerez en armes devant vos frères, vous tous, les hommes forts et vaillants; et vous les aiderez,
15 mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana.
jusqu’à ce que Yahweh ait donné du repos à vos frères comme à vous, et qu’ils soient en possession, eux aussi, du pays que leur donne Yahweh, votre Dieu. Puis vous reviendrez au pays qui vous appartient et vous le posséderez, ce pays que Moïse, serviteur de Yahweh, vous a donné au delà du Jourdain, vers le soleil levant. »
16 Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.
Ils répondirent à Josué, en disant: « Tout ce que tu nous as commandé, nous le ferons, et partout où tu nous enverras, nous irons.
17 Araka ny nihainoanay an’ i Mosesy tamin’ ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’ i Mosesy.
Comme nous avons obéi en toutes choses à Moïse, ainsi nous t’obéirons. Daigne seulement Yahweh, ton Dieu, être avec toi, comme il a été avec Moïse!
18 Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’ izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
Quiconque sera rebelle à tes ordres et n’obéira pas à tout ce que tu lui commanderas, sera mis à mort. Seulement, fortifie-toi et prends courage! »