< Josoa 8 >

1 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’ i Ay mbamin’ ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
OLELO mai la o Iehova ia Iosua, Mai makau oe, aole hoi e weliweli. E lawe pu oe i na kanaka kaua a pau me oe, a e ku iluna, a e pii aku ia Ai. E nana hoi, ua haawi aku au iloko o kou lima, i ke alii o Ai a me kona kanaka a me kona kulanakauhale, a me kona aina.
2 Dia tahaka ny nataonao tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’ i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
A e hana oe ia Ai, a me kona alii, me oe i hana'i ia Ieriko a me kona alii. Aka, o ko laila waiwai pio, a me ko laila bipi, e lawe ia mau mea i waiwai pio no oukou. E hoomoe oe i kou poe hoohalua ma ke kua o ua kulanakauhale la.
3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin’ ny alina.
Ku ae la o Iosua a me na kanaka kaua a pau e pii aku i Ai. Wae mai la o Iosua i kanakolu tausani kanaka, he poe koa loa, a hoouna ia lakou i ka po.
4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon’ ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
Kauoha aku la oia ia lakou, i aku la, Aia hoi, e hoohalua oukou i kela kulanakauhale, ma ke kua o ke kulanakauhale, mai hele i kahi loihi e aku o ua kulanakauhale la, e noho makaukau hoi oukou a pau.
5 Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
A owau a me na kanaka a pau pu me au, e hookokoke aku makou i ke kulanakauhale; a hiki i ka wa e puka mai ai lakou iwaho, e hoouka e like me ka wa mamua, a e hee makou imua o lakou,
6 Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
(E puka mai no lakou iwaho, mahope o makou, ) a e kai mai no makou ia lakou, ma kahi loihi loa mai o ia kulanakauhale; no ka mea, e olelo auanei lakou, Ua hee lakou imua o kakou e like mamua; a e hee no makou imua o lakou.
7 Ary dia hiroatra avy ao amin’ ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
Alaila, e ku mai oukou, mai kahi a oukou i hoohalua ai, a e lawe i ua kulanakauhale la. Ua haawi mai no o Iehova ia wahi iloko o ko oukou lima.
8 Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin’ ny afo; araka ny didin’ i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.
A loaa ia oukou ua kulanakauhale la, alaila, e puhi i na hale i ke ahi. E like me ka olelo a Iehova, pela oukou e hana'i. E nana hoi, ua kauoha aku au ia oukou.
9 Dia nampandehanin’ i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan’ i Ay, teo anelanelan’ i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin’ ny vahoaka ihany tamin’ izany alina izany.
Alaila, hoouna aku la o Iosua ia lakou, a hele aku la lakou e hoohalua; a noho lakou mawaena o Betela a me Ai, ma ke komohana o Ai. Ia po, moe pu iho la o Iosua me na kanaka.
10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan’ ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ ny Isiraely.
Ala mai la o Iosua i ke kakahiaka, a helu iho la i na kanaka, a pii aku la oia a me na lunakahiko o ka Iseraela, imua o na kanaka i Ai.
11 Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin’ i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’ i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan’ izy sy Ay.
Pii pu aku la me ia kona poe a pau i makaukau i ke kaua, a neenee aku la, a hiki ma ke alo o ia kulanakauhale, a hoomoana iho la ma ka aoao akau o Ai. He awawa hoi mawaena o lakou a me Ai.
12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan’ i Betela sy Ay, andrefan’ ny tanàna.
Lawe ae la oia i elima paha tausani kanaka, a hoonoho iho la ia lakou e hoohalua mawaena o Betela a me Ai, ma ke komohana o ke kulanakauhale.
13 Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan’ ny tanàna, dia nandeha nankeo amin’ ny lohasaha Josoa tamin’ izany alina izany.
Hoonoho iho la lakou i kanaka, o ka poe a pau, ma ka aoao akau o ke kulanakauhale, a me ka poe hope, ma ke komohana o ke kulanakauhale, alaila, i kela po no, iho aku la o Iosua ilalo o ke awawa.
14 Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin’ ny Isiraely, teo amin’ ny tany nifamotoanany tandrifin’ ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.
A ike mai la ke alii o Ai, wikiwiki ae la lakou, a ala koke iho la, a puka mai la na kanaka o ke kulanakauhale iwaho e kaua me ka Iseraela, oia a me kona kanaka a pau, ma kahi i olelo mua ia, ma ke kula; aole hoi i ike he poe hoohalua kekahi, ma ke kua o ke kulanakauhale.
15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
Hana iho la o Iosua a me ka Iseraela me he poe hee la imua o lakou, a holo aku la ma ke ala e hiki aku ai i ka waonahele.
16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an’ i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.
Hoakoakoa mai la na kanaka a pau o Ai e hahai ia lakou, a hahai no lakou ia Iosua, a kaiia'ku la lakou, mao aku o ke kulanakauhale.
17 Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
Aole i koe kekahi kanaka ma Ai, a me Betela, i hahai ole aku i ka Iseraela. Waiho hamama wale lakou i ke kulanakauhale, a hahai aku la i ka Iseraela.
18 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Atondroy an’ i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron’ i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.
I mai la o Iehova ia Iosua, E o aku oe i ka ihe ma kou lima ia Ai, a na'u no e haawi aku ia wahi iloko o kou lima. O aku la no o Iosua i kana ihe, ma kona lima i ke kulanakauhale.
19 Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin’ ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin’ ny afo.
Ku koke mai la ka poe hoohalua, mai ko lakou wahi mai, a i ka o ana aku o kona lima, holo kiki aku la a komo iloko o ke kulanakauhale, hoopio iho la, a wikiwiki a puhi aku la i ke kanhale i ke ahi.
20 Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory, na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
Alawa ae la na kanaka o Ai, a nana aku la mahope o lakou, aia hoi! punohu aku la i ka lani ka uwahi o ia kulanakauhale; aole o lakou wahi e pee aku ai, io, a io ae. A o ka poe e pee ana ma ka waonahele, huli mai la lakou e alo i ka poe hahai.
21 Fa rehefa hitan’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon’ ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
A ike aku la o Iosua, a me ka Iseraela a pau, ua pio ke kulanakauhale i ka poe hoohalua, a ua punohu aku la ka uwahi o ke kulanakauhale, alaila huli hou lakou a luku aku la i kanaka no Ai.
22 Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan’ ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran’ ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
A puka mai la hoi kela poe, mailoko mai o ke kulanakauhale, e alo ia lakou, nolaila ua puni lakou i ka Iseraela ma kela aoao kekahi poe a ma keia aoao kekahi poe. A luku aku la o Iosua ma ia lakou, aole i waiho aku i kekahi o lakou e holo a pakele aku.
23 Ary ny mpanjakan’ i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin’ i Josoa.
A loaa ola ia lakou ke alii o Ai, a kai mai la lakou ia ia io Iosua la.
24 Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin’ ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin’ ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra.
A pau ae la na kanaka o Ai i ka lukuia e ka Iseraela ma ke kula, a ma ka waonahele, ma kahi a lakou i hahai aku ai. A haule iho la lakou a pau i ka maka o ka pahikaua a make. Alaila, hoi aku la ka Iseraela a pau i Ai, a luku aku la, me ka maka o ka pahikaua.
25 Ary izay rehetra maty tamin’ izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
A o ka poe a pau i haule ia la, o ua kane a me na wahine, he umikumamalua tausani o lakou, o na kanaka hoi a pau o Ai.
26 Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin’ ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.
Aole i hoihoi mai o Iosua i kona lima, ana i o aku ai me ka ihe, a pau na kanaka o Ai i ka lukuia e ia.
27 Nefa ny biby fiompy mbamin’ ny fananana rehetra tao amin’ izany tanàna izany dia nalain’ ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nandidiany an’ i Josoa.
Aka o na holoholona, a me ka waiwai pio o ia kulanakauhale, oia ka Iseraela mea i lawe, i waiwai pio no lakou, e like me ka olelo a Iehova, ana i kauoha mai ai ia Iosua.
28 Ary Ay dia nodoran’ i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
Puhi iho la o Iosua ia Ai, a hoolilo iho la ia wahi i puu mau loa, i wahi olohelohe wale, a hiki mai i keia la.
29 Ary ny mpanjakan’ i Ay nahantony tamin’ ny hazo mandra-paharivan’ ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
Kaawe no hoi ia i ke alii o Ai ma ka laau a hiki i ke ahiahi; a napoo ka la, kauoha ae la o Iosua e kuu i kona kupapau mailuna mai o ka laau, a e kiola ma ka ipuka e komo aku ai i ke kulanakauhale; a hoahu iho la lakou i ahu pohaku nui, a hiki mai i neia la.
30 Ary tamin’ izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Alaila, hana iho la o Iosua i kuahu no Iehova, no ke Akua o ka Iseraela, ma ka mauna ma Ebala,
31 araka izay nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah, ny Zanak’ Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’ i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
E like me ka Mose, ke kauwa a Iehova i kauoha mai ai i na mamo a Iseraela, e like hoi me ka mea i palapalaia iloko o ka buke o ke kanawai o Mose, he kuahu pohaku i kalai ole ia; aole hoi i kauia ka hao maluna iho. Kaumaha aku la lakou maluna iho i na mohaikuni ia Iehova, a kalua iho la i na mohaihoomalu.
32 Dia nosoratany teo amin’ ny vato ny dikan’ ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
Palapala hou iho la ia malaila, ma na pohaku, i ke kanawai a Mose, ana i palapala ai imua i ke alo o na mamo a Iseraela.
33 Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ ny fiara, teo anatrehan’ ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
Ku mai la ka Iseraela a pau, a me na lunakahiko, a me na'lii, a me na lunakanawai o lakou, ma keia aoao a ma kela aoao o ka pahu, imua o ke alo o na kahuna o na mamo a Levi, ka poe i lawe i ka pahuberita o Iehova, o ka malihini a me ke keikipapa: o ka hapalua o lakou ma ke alo o ka mauna o Gerizima, a o ka hapalua ma ke alo o ka mauna o Ebala; e like me ke kauoha mua ana mai a Mose, ke kauwa a Iehova, e hoomaikai lakou i kanaka o ka Iseraela.
34 Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin’ ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàna.
A mahope iho, heluhelu iho la ia i ka olelo a pau o ke kanawai, o ka hoomaikai ana a me ka hoino ana, e like me na mea a pau i palapalaia ma ka buke o ke kanawai.
35 Tsy nisy teny tamin’ izay rehetra nandidian’ i Mosesy, izay tsy novakin’ i Josoa teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
Aole i koe kekahi o na olelo a pau, a Mose i kauoha mai ai; ua pau i ka heluheluia e Iosua, imua o ke anaina a pau o ka Iseraela, a me na wahine pu, a me na kamalii, a me na malihini, i hele pu me lakou.

< Josoa 8 >