< Josoa 8 >

1 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’ i Ay mbamin’ ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
The LORD said to Joshua, “Don’t be afraid, and don’t be dismayed. Take all the warriors with you, and arise, go up to Ai. Behold, I have given into your hand the king of Ai, with his people, his city, and his land.
2 Dia tahaka ny nataonao tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’ i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
You shall do to Ai and her king as you did to Jericho and her king, except you shall take its goods and its livestock for yourselves. Set an ambush for the city behind it.”
3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin’ ny alina.
So Joshua arose, with all the warriors, to go up to Ai. Joshua chose thirty thousand men, the mighty men of valour, and sent them out by night.
4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon’ ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
He commanded them, saying, “Behold, you shall lie in ambush against the city, behind the city. Don’t go very far from the city, but all of you be ready.
5 Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
I and all the people who are with me will approach the city. It shall happen, when they come out against us, as at the first, that we will flee before them.
6 Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
They will come out after us until we have drawn them away from the city; for they will say, ‘They flee before us, like the first time.’ So we will flee before them,
7 Ary dia hiroatra avy ao amin’ ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
and you shall rise up from the ambush, and take possession of the city; for the LORD your God will deliver it into your hand.
8 Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin’ ny afo; araka ny didin’ i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.
It shall be, when you have seized the city, that you shall set the city on fire. You shall do this according to the LORD’s word. Behold, I have commanded you.”
9 Dia nampandehanin’ i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan’ i Ay, teo anelanelan’ i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin’ ny vahoaka ihany tamin’ izany alina izany.
Joshua sent them out; and they went to set up the ambush, and stayed between Bethel and Ai on the west side of Ai; but Joshua stayed amongst the people that night.
10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan’ ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ ny Isiraely.
Joshua rose up early in the morning, mustered the people, and went up, he and the elders of Israel, before the people to Ai.
11 Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin’ i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’ i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan’ izy sy Ay.
All the people, even the men of war who were with him, went up and came near, and came before the city and encamped on the north side of Ai. Now there was a valley between him and Ai.
12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan’ i Betela sy Ay, andrefan’ ny tanàna.
He took about five thousand men, and set them in ambush between Bethel and Ai, on the west side of the city.
13 Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan’ ny tanàna, dia nandeha nankeo amin’ ny lohasaha Josoa tamin’ izany alina izany.
So they set the people, even all the army who was on the north of the city, and their ambush on the west of the city; and Joshua went that night into the middle of the valley.
14 Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin’ ny Isiraely, teo amin’ ny tany nifamotoanany tandrifin’ ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.
When the king of Ai saw it, they hurried and rose up early, and the men of the city went out against Israel to battle, he and all his people, at the time appointed, before the Arabah; but he didn’t know that there was an ambush against him behind the city.
15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
Joshua and all Israel made as if they were beaten before them, and fled by the way of the wilderness.
16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an’ i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.
All the people who were in the city were called together to pursue after them. They pursued Joshua, and were drawn away from the city.
17 Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
There was not a man left in Ai or Bethel who didn’t go out after Israel. They left the city open, and pursued Israel.
18 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Atondroy an’ i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron’ i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.
The LORD said to Joshua, “Stretch out the javelin that is in your hand towards Ai, for I will give it into your hand.” Joshua stretched out the javelin that was in his hand towards the city.
19 Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin’ ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin’ ny afo.
The ambush arose quickly out of their place, and they ran as soon as he had stretched out his hand and entered into the city and took it. They hurried and set the city on fire.
20 Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory, na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
When the men of Ai looked behind them, they saw, and behold, the smoke of the city ascended up to heaven, and they had no power to flee this way or that way. The people who fled to the wilderness turned back on the pursuers.
21 Fa rehefa hitan’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon’ ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
When Joshua and all Israel saw that the ambush had taken the city, and that the smoke of the city ascended, then they turned back and killed the men of Ai.
22 Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan’ ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran’ ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
The others came out of the city against them, so they were in the middle of Israel, some on this side, and some on that side. They struck them, so that they let none of them remain or escape.
23 Ary ny mpanjakan’ i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin’ i Josoa.
They captured the king of Ai alive, and brought him to Joshua.
24 Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin’ ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin’ ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra.
When Israel had finished killing all the inhabitants of Ai in the field, in the wilderness in which they pursued them, and they had all fallen by the edge of the sword until they were consumed, all Israel returned to Ai and struck it with the edge of the sword.
25 Ary izay rehetra maty tamin’ izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
All that fell that day, both of men and women, were twelve thousand, even all the people of Ai.
26 Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin’ ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.
For Joshua didn’t draw back his hand, with which he stretched out the javelin, until he had utterly destroyed all the inhabitants of Ai.
27 Nefa ny biby fiompy mbamin’ ny fananana rehetra tao amin’ izany tanàna izany dia nalain’ ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nandidiany an’ i Josoa.
Israel took for themselves only the livestock and the goods of that city, according to the LORD’s word which he commanded Joshua.
28 Ary Ay dia nodoran’ i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
So Joshua burnt Ai and made it a heap forever, even a desolation, to this day.
29 Ary ny mpanjakan’ i Ay nahantony tamin’ ny hazo mandra-paharivan’ ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
He hanged the king of Ai on a tree until the evening. At sundown, Joshua commanded, and they took his body down from the tree and threw it at the entrance of the gate of the city, and raised a great heap of stones on it that remains to this day.
30 Ary tamin’ izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Then Joshua built an altar to the LORD, the God of Israel, on Mount Ebal,
31 araka izay nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah, ny Zanak’ Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’ i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
as Moses the servant of the LORD commanded the children of Israel, as it is written in the scroll of the Torah of Moses: an altar of uncut stones, on which no one had lifted up any iron. They offered burnt offerings on it to the LORD and sacrificed peace offerings.
32 Dia nosoratany teo amin’ ny vato ny dikan’ ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
He wrote there on the stones a copy of Moses’ law, which he wrote in the presence of the children of Israel.
33 Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ ny fiara, teo anatrehan’ ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
All Israel, with their elders, officers, and judges, stood on both sides of the ark before the Levitical priests, who carried the ark of the LORD’s covenant, the foreigner as well as the native; half of them in front of Mount Gerizim, and half of them in front of Mount Ebal, as Moses the servant of the LORD had commanded at the first, that they should bless the people of Israel.
34 Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin’ ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàna.
Afterward he read all the words of the law, the blessing and the curse, according to all that is written in the scroll of the Torah.
35 Tsy nisy teny tamin’ izay rehetra nandidian’ i Mosesy, izay tsy novakin’ i Josoa teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
There was not a word of all that Moses commanded which Joshua didn’t read before all the assembly of Israel, with the women, the little ones, and the foreigners who were amongst them.

< Josoa 8 >