< Josoa 7 >
1 Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
И прегрешиша сынове Израилевы прегрешением великим, и взяша от клятвы: взя бо Ахар сын Хармии, сына Замврии, сына Зары, от племене Иудина, от клятвы. И разгневася Господь яростию на сыны Израилевы.
2 Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan’ i Betavena, atsinanan’ i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an’ i Ay.
И посла Иисус мужы от Иерихона в Гай, иже есть противу Вифавн на восток Вефиля, и рече им, глаголя: шедше соглядайте землю. И идоша мужие и соглядаша Гай.
3 Ary niverina tany amin’ i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’ i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
И возвратишася ко Иисусу и рекоша ему: да не идут вси людие, но яко две тысящы или три тысящы мужей да идут и да воюют Гай: да не ведеши тамо всех людий, мало бо есть их (тамо).
4 Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan’ ny mponina tao Ay ireo.
И идоша от людий тамо, аки три тысящы мужей, и побегоша от лица мужей Гайских:
5 Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon’ ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
и убиша от них мужие Гайстии яко тридесять и шесть мужей, и отгнаша их от врат, дондеже сокрушиша их на стремнине: и ужасеся сердце людий, и бысть яко вода.
6 Dia notriarin’ i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro izy sy ny loholon’ ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
И растерза Иисус ризы своя, и паде на земли на лице свое пред Господем даже до вечера, сам и старцы Израилевы: и посыпаша персть на главы своя.
7 Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan’ ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin’ i Jordana ihany!
И рече Иисус: молюся, Господи Господи, вскую преведе раб Твой люди сия чрез Иордан предати их Аморреом на погубление? От, да быхом пребыли и вселилися у Иордана:
8 Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan’ ny fahavalony?
Господи, что реку? Понеже отврати Израиль выю свою пред враги своими:
9 Ary ho ren’ ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
и услышав Хананей и вси живущии на земли обыдут нас и потребят нас от земли: и что сотвориши имени Твоему великому?
10 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
И рече Господь ко Иисусу: востани, вскую ты пал еси на лице твое?
11 Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin’ ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin’ ny entany.
Согрешиша людие и преступиша завет Мой, егоже завещах к ним, и украдше от клятвы, скрыша в сосудех своих:
12 Koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalony ny Zanak’ Isiraely; miamboho eo anoloan’ ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
сего ради не могут сынове Израилевы стати пред лицем врагов своих, но хребет обратят пред враги своими, яко клятвою сташася: не приложу ксему быти с вами, аще не измете клятвы от себе самих:
13 Mitsangana, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
востав очисти люди и рцы: очиститеся на утро: яко сия глаголет Господь Бог Израилев: клятва есть в вас, не возможете стати пред враги вашими, дондеже измете от себе самих клятву:
14 Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan’ i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-batan’ olona.
и соберитеся вси заутра по племеном (вашым), и будет племя, еже покажет Господь, да приведете по сонмом: и сонм, егоже покажет Господь, да приведете по домом: и дом, егоже покажет Господь, да приведете по мужем:
15 Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin’ ny afo izy mbamin’ izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken’ i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely.
и иже обличится, да сожжется огнем, сам и вся елика суть его, яко преступи завет Господень и сотвори беззаконие во Израили.
16 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen’ i Joda no notanana.
И воста Иисус заутра, и приведе людий по племеном: и обличися племя Иудино.
17 Dia nitondra ireo fokon’ i Joda izy; ka ny fianakavian’ i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian’ i Zera indray isam-batan’ olona izy, ka Zabdy no notanana;
И приведеся по сонмом, и обличися сонм Зараин: и приведеся сонм Зараин по мужем, и обличися дом Замвриин.
18 dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, no notanana.
И приведеся дом его по мужем, и обличися Ахар сын Хармиин сына Замвриина, сына Зараня, от племене Иудина.
19 Dia hoy Josoa tamin’ i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
И рече Иисус Ахару: сыне мой, даждь славу днесь Господу Богу Израилеву, и даждь Ему исповедание, и исповеждь ми, что сотворил еси, и не утай от мене.
20 Ary Akana namaly an’ i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ary izao ka izao no nataoko:
И отвеща Ахар Иисусу и рече: поистинне аз согреших пред Господем Богом Израилевым: сице и сице сотворих:
21 Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin’ ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin’ ny tany ao amin’ ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
видех в плене ризу красну и добру и двести дидрахм сребра, и сосуд един злат, пятьдесят дидрахм вес его: и помыслив на ня взях: и се, сия сокровенна суть в земли в кущи моей, и сребро сокровенно под ними.
22 Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin’ ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin’ ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
И посла Иисус послы, и идоша в кущу в полк: и сия бяху сокровенна в кущи его, и сребро под ними,
23 Dia nalainy avy ao amin’ ny lay ireny ka nentiny teo amin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan’ i Jehovah
и изнесоша я из кущи, и принесоша ко Иисусу и к старцем Израилевым, и положиша я пред Господем.
24 Dia nalain’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak’ i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman’ osiny ary ny lainy mbamin’ izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
И взя Иисус Ахара сына Зараня, и сребро и ризу и сосуд златый, и возведе его в дебрь Ахор, и сыны его и дщери его, и телцы его и ослята его и вся овцы его, и кущу его и вся имения его, и весь Израиль по нем: и возведе я (со всем) во емек Ахор.
25 Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin’ ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
И рече Иисус Ахару: почто потребил еси нас? Да потребит тя Господь, якоже и днесь. И побиша его камением весь Израиль, и сожгоша вся огнем, и наметаша их камением,
26 Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’ izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
и наметаша на нем громаду камения велику. И преста Господь от ярости гнева Своего. Сего ради прозвася имя месту тому емек Ахор даже до дне сего.