< Josoa 7 >

1 Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
Amma Isra’ilawa ba su yi aminci game da kayan da aka hallaka ba; Akan ɗan Karmi, ɗan Zabdi, ɗan Zera, na kabilan Yahuda ya kwashi waɗansu abubuwa, saboda haka fushin Ubangiji ya sauka a kan Isra’ilawa.
2 Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan’ i Betavena, atsinanan’ i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an’ i Ay.
Sai Yoshuwa ya aika mutane daga Yeriko zuwa Ai kusa da Bet-Awen gabas da Betel, ya ce musu, “Ku je ku leƙo ku ga yadda yankin yake.” Sai mutanen suka je suka leƙo asirin ƙasar Ai.
3 Ary niverina tany amin’ i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’ i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
Da suka dawo wurin Yoshuwa suka ce, “Ba lalle dukan jama’a su je yaƙi da Ai ba, ka aika mutum dubu biyu ko dubu uku su je su ciwo ƙasar da yaƙi, ba sai ka dami mutane duka ba, gama mutanen wurin kaɗan ne.”
4 Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan’ ny mponina tao Ay ireo.
Saboda haka sai kimanin mutum duba uku suka haura; amma mutanen Ai suka fatattake su,
5 Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon’ ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
suka kashe Isra’ilawa wajen mutum talatin da shida, suka fafari Isra’ilawa tun daga bakin ƙofar birnin har zuwa wurin da ake fasa duwatsu. Suka karkashe su a gangare. Wannan ya sa zuciyar Isra’ilawa ta narke suka zama kamar ruwa.
6 Dia notriarin’ i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro izy sy ny loholon’ ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
Sai Yoshuwa ya yaga tufafinsa ya fāɗi rubda ciki a gaban akwatin alkawarin Ubangiji, yana can har yamma. Dattawan Isra’ila ma suka yi haka, suka zuba toka a kawunansu.
7 Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan’ ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin’ i Jordana ihany!
Yoshuwa kuma ya ce, “Ya Ubangiji Mai Iko Duka, me ya sa ka sa mutanen nan suka ƙetare Urdun don ka bari mu shiga hannun Amoriyawa su hallaka mu? Kila da mun haƙura mun zauna a ɗaya gefen Urdun da ya fi mana!
8 Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan’ ny fahavalony?
Ya Ubangiji me zan ce, yanzu da abokan gāban Isra’ilawa suka ci ƙarfinsu?
9 Ary ho ren’ ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
Yanzu Kan’aniyawa da sauran jama’a za su ji, za su zo su kewaye mu su share sunanmu daga duniya. To, yanzu me za ka yi don girman sunanka?”
10 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
Ubangiji ya ce wa Yoshuwa, “Ka tashi! Me kake yi kwance rubda ciki?
11 Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin’ ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin’ ny entany.
Isra’ilawa sun yi zunubi, sun karya sharaɗin da na yi musu. Sun ɗauki waɗansu abubuwan da aka keɓe; sun yi sata, sun yi ƙarya, sun ɓoye su cikin kayansu.
12 Koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalony ny Zanak’ Isiraely; miamboho eo anoloan’ ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
Shi ne ya sa Isra’ilawa suka kāsa yin tsayayya da abokan gābansu; suka juya suka gudu domin za a hallaka su. Ba zan sāke kasancewa tare da ku ba sai in kun hallaka duk abin da aka keɓe don hallaka.
13 Mitsangana, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
“Tashi, ka je ka tsarkake mutane. Ka ce musu su tsarkake kansu, su yi shiri domin gobe; gama ga abin da Ubangiji, Allah na Isra’ila ya ce, a cikinku akwai abubuwan da aka keɓe, ya Isra’ilawa. Ba za ku iya yin tsayayya da abokan gābanku ba sai in kun rabu da abubuwan nan da aka haramta.
14 Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan’ i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-batan’ olona.
“‘Da safe ku zo kabila-kabila. Kabilar da Ubangiji ya ware, za tă zo gaba gida-gida; gidan da Ubangiji ya ware, za su zo gaba iyali-iyali. Iyalin kuma da Ubangiji ya ware, za su zo gaba mutum bayan mutum.
15 Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin’ ny afo izy mbamin’ izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken’ i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely.
Mutumin da aka same shi da haramtattun abubuwan kuwa za a ƙone shi, duk da mallakarsa domin ya karya sharaɗin da Ubangiji ya yi muku, ya yi abin kunya a Isra’ila!’”
16 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen’ i Joda no notanana.
Kashegari da sassafe Yoshuwa ya sa Isra’ilawa suka fito kabila-kabila, aka ware kabilar Yahuda.
17 Dia nitondra ireo fokon’ i Joda izy; ka ny fianakavian’ i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian’ i Zera indray isam-batan’ olona izy, ka Zabdy no notanana;
Gidan Yahuda suka zo gaba, sai aka ware gidan Zera, aka sa suka fito iyali-iyali, sai aka ware Zabdi.
18 dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, no notanana.
Yoshuwa kuwa ya sa iyalin Zabdi suka fito mutum-mutum, sai kuwa aka ware Akan ɗan Karmi, ɗan Zimri, ɗan Zera na kabilar Yahuda.
19 Dia hoy Josoa tamin’ i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
Sai Yoshuwa ya ce wa Akan, “Ɗana, sai ka ba Ubangiji, Allah na Isra’ila ɗaukaka, ka yi masa yabo. Ka gaya mini abin da ka yi; kada ka ɓoye mini.”
20 Ary Akana namaly an’ i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ary izao ka izao no nataoko:
Akan kuwa ya amsa ya ce, “Gaskiya ne! Na yi wa Ubangiji, Allah na Isra’ila zunubi. Ga abin da na yi.
21 Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin’ ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin’ ny tany ao amin’ ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
A cikin ganimar, na ga doguwar riga mai kyau irin ta Babilon, da shekel ɗari biyu na azurfa, da kuma sandan zinariya mai nauyin shekel hamsin, sai raina ya so su, na kuwa kwashe su. Na tona rami a cikin ƙasa a tentina; na ɓoye.”
22 Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin’ ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin’ ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
Sai Yoshuwa ya aiki’yan aika suka tafi da gudu zuwa tenti ɗin, haka kuwa suka same su a ɓoye a tentinsa, da azurfa a ƙarƙashi.
23 Dia nalainy avy ao amin’ ny lay ireny ka nentiny teo amin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan’ i Jehovah
Suka kwashe kayan daga tenti ɗin suka kawo wa Yoshuwa da sauran Isra’ilawa, suka baza su a gaban Ubangiji.
24 Dia nalain’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak’ i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman’ osiny ary ny lainy mbamin’ izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
Sai Yoshuwa da dukan Isra’ilawa suka ɗauki Akan ɗan Zera, da azurfar, doguwar rigar, sandan zinariya,’ya’yansa maza da mata, shanunsa, jakuna da tumaki, tentinsa da duk abin da yake da shi, suka kai su Kwarin Akor.
25 Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin’ ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
Yoshuwa ya ce, “Me ya sa ka jawo mana wahala haka? Ubangiji zai kawo maka wahala kai ma a yau.” Sai dukan Isra’ilawa suka jajjefe shi, bayan da suka gama jifarsa sai suka ƙone sauran.
26 Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’ izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
Suka tara manyan duwatsu a kan Akan, tarin duwatsun na nan a can har wa yau. Sa’an nan Ubangiji ya huce daga fushinsa mai zafi. Saboda haka ake kiran wurin Kwarin Akor.

< Josoa 7 >