< Josoa 5 >

1 Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita any an-dafy andrefan’ i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ ny Kananita any amoron’ ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’ i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’ Isiraely.
Mafumu onse a Aamori, a kummawa kwa Yorodani ndi mafumu onse a Akanaani a mʼmbali mwa Nyanja anamva momwe Yehova anawumitsira Yorodani pamene Aisraeli ankawoloka. Choncho anachita mantha ndi kutayiratu mtima chifukwa cha Aisraeliwo.
2 Tamin’ izany andro izany no nilazan’ i Jehovah tamin’ i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak’ Isiraely.
Tsono Yehova anati kwa Yoswa, “Panga mipeni ya miyala ndipo uchitenso mwambo wa mdulidwe pa Aisraeli.”
3 Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak’ Isiraely teo an-kavoana Haralota.
Choncho Yoswa anapanga mipeni ya miyala ndi kuchita mdulidwe Aisraeli ku Gibeyati Haaraloti.
4 Ary izao no anton’ ny namoran’ i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta.
Chifukwa chimene Yoswa anachitira izi ndi ichi: Onse amene anatuluka mʼdziko la Igupto, amuna onse amene anali oyenera kumenya nkhondo anatha kufa mʼchipululu atatuluka mʼdziko la Igupto.
5 Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
Anthu onse amene anatuluka mʼdziko la Igupto anali atachita mwambo wa mdulidwe, koma onse amene anabadwira mʼchipululu, pa ulendo wochoka ku Igupto, sanachite.
6 Fa efa-polo taona no nandehanan’ ny Zanak’ Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran’ ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah izy; dia ireo no nianianan’ i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Aisraeli anakhala akuyenda mʼchipululu kwa zaka makumi anayi mpaka amuna onse amene potuluka mʼdziko la Igupto anali a msinkhu woyenera kupita ku nkhondo anamwalira. Iwo anafa chifukwa sanamvere mawu a Yehova. Yehova anawalumbirira kuti sadzalowa konse mʼdziko loyenda mkaka ndi uchi limene analonjeza kwa makolo awo kuti adzatipatsa.
7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan’ i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
Koma ana awo amene analowa mʼmalo mwawo ndiwo amene Yoswa anawachita mdulidwe popeza sanachite pamene anali pa ulendo wawo mʼchipululu muja.
8 Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin’ ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
Atamaliza kuchita mdulidwe uja, anthu onse anakakhala ku misasa yawo kudikira kuti zilonda zipole.
9 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan’ i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany.
Kenaka Yehova anati kwa Yoswa, “Kuyambira tsopano anthu a ku Igupto sadzakunyozaninso.” Nʼchifukwa chake malowa anatchedwa Giligala mpaka lero.
10 Ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana, teo amin’ ny tani-hay any Jeriko.
Akupumulabe ku Giligala kuja mʼchigwa cha Yeriko, Aisraeli anachita chikondwerero cha Paska madzulo pa tsiku la 14 la mwezi woyamba womwewo.
11 Ary nony ampitson’ ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin’ izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
Mmawa mwake ndi pamene anayamba kudya zakudya za mʼdziko la Kanaani. Anaphika buledi wopanda yisiti ndi kukazinga tirigu tsiku lomwelo.
12 Ary nitsahatra ny mana tamin’ iny andro ampitso iny, dia tamin’ ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ ny Zanak’ Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’ izany taona izany.
Atangodya chakudya cha mʼdzikomo, mana anasiya kugwa, ndipo sanapezekenso. Kuyambira nthawi imeneyo Aisraeli anayamba kudya chakudya cha mʼdziko la Kanaani.
13 Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?
Tsiku lina pamene Yoswa anali pafupi ndi Yeriko, anakweza maso ake ndipo mwadzidzidzi anaona munthu atayima patsogolo pake ndi lupanga losolola mʼdzanja lake. Yoswa anapita pamene panali munthuyo ndipo anamufunsa kuti, “Kodi uli mbali yathu kapena ya adani athu?”
14 Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin’ ny mpanomponao, Tompokolahy?
Iye anayankha kuti “Sindili mbali iliyonse. Ndabwera monga mkulu wa asilikali a Yehova.” Pomwepo Yoswa anadzigwetsa chafufumimba kupereka ulemu, ndipo anamufunsa, “Kodi mbuye wanga muli ndi uthenga wotani kwa mtumiki wanu?”
15 Dia hoy Ilay Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah tamin’ i Josoa: Esory amin’ ny tongotrao ny kapanao; fa masìna io tany ijanonanao io. Dia nataon’ i Josoa izany.
Mkulu wa asilikali a Yehova uja anayankha kuti, “Vula nsapato zako, pakuti wayima pa malo wopatulika.” Ndipo Yoswa anachitadi zimene anawuzidwazo.

< Josoa 5 >