< Josoa 5 >

1 Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita any an-dafy andrefan’ i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ ny Kananita any amoron’ ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’ i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’ Isiraely.
А когато всичките аморейски царе, които бяха оттатък Иордан на запад, и всичките ханаански царе, които бяха при морето, чуха, че Господ пресуши водата на Иордан пред израилтяните догде преминаха, сърцата им се стопиха, и душа не остана в тях поради израилтяните.
2 Tamin’ izany andro izany no nilazan’ i Jehovah tamin’ i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak’ Isiraely.
В това време Господ рече на Исуса: Направи си кремъчни ножове и обрежи пак израилтяните, втори път.
3 Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak’ Isiraely teo an-kavoana Haralota.
И тъй, Исус си направи кремъчни ножове и обряза израилтяните на мястото Хълм на краекожията.
4 Ary izao no anton’ ny namoran’ i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta.
А ето причината, по която Исус извърши обрязването: всичките мъжки, които излязоха из Египет, всичките военни мъже, измряха в пустинята по пътя, след като бяха излезли из Египет;
5 Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
и всичките люде, които излязоха, бяха обрязани; а всичките люде, които се родиха в пустинята по пътя, след като бяха излезли из Египет, не бяха обрязани.
6 Fa efa-polo taona no nandehanan’ ny Zanak’ Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran’ ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah izy; dia ireo no nianianan’ i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Защото израилтяните ходиха четиридесет години по пустинята, догде се изтребиха всичките люде, излезли из Египет военни мъже, които не послушаха Господния глас, на които Господ се кле, че не ще ги остави да видят земята, за която Господ беше се клел на бащите им, че ще ни я даде, земя гдето текат мляко и мед.
7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan’ i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
А вместо тях Той издигна синовете им, които Исус обряза; защото бяха необрязани, понеже не бяха ги обрязали по пътя.
8 Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin’ ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
И като се обрязаха всичките люде, седяха на местата си в стана догде оздравяха.
9 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan’ i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany.
Тогава Господ рече на Исуса: Днес отнех от вас египетския позор. За това онова място се нарича Галгал, както се казва и до днес.
10 Ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana, teo amin’ ny tani-hay any Jeriko.
А израилтяните разположиха стан в Галгал, и направиха пасхата на четиринадесетия ден от месеца, привечер, на ерихонските полета.
11 Ary nony ampitson’ ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin’ izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
И на сутринта на пасхата, в същия ден, ядоха безквасни хлябове от житото на земята и изпържено жито.
12 Ary nitsahatra ny mana tamin’ iny andro ampitso iny, dia tamin’ ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ ny Zanak’ Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’ izany taona izany.
А на сутринта, като ядоха от житото на земята, манната престана; и израилтяните нямаха вече манна, но през тая година ядяха от рожбите на Ханаанската земя.
13 Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?
И когато беше Исус при Ерихон, подигна очи и видя, и, ето, насреща му стоеше човек с измъкнат нож в ръка; и Исус пристъпи при него и му рече: Наш ли си, или от неприятелите ни?
14 Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin’ ny mpanomponao, Tompokolahy?
А той рече: Не; но за Военачалник на Господното войнство сега дойдох аз. И Исус падна с лицето си на земята и се поклони; и рече му: Що заповяда Господарят ми на слугата си?
15 Dia hoy Ilay Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah tamin’ i Josoa: Esory amin’ ny tongotrao ny kapanao; fa masìna io tany ijanonanao io. Dia nataon’ i Josoa izany.
А военачалникът на Господното войнство рече на Исуса: Изуй обущата си от нозете, защото мястото, на което стоиш, е свето. И Исус стори така.

< Josoa 5 >