< Josoa 4 >
1 Ary rehefa tafita an’ i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin’ i Josoa hoe:
當百姓一過了約旦河,上主就吩咐若蘇厄說:
2 Mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
「你該由百姓中,挑選十二人,每支派一人,
3 ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin’ ny folo eo afovoan’ i Jordana eo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin’ izay handrianareo anio alina.
命令他們說:你們要從這裏,從約旦河中,由司祭的腳站立的地方,取十二塊石頭,帶到你們今夜住宿的地方去。」
4 Dia nantsoin’ i Josoa ny lehilahy roa ambin’ ny folo, izay nofidiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely dia iray avy isam-pirenena,
若蘇厄於是將他由以色列子民中選定的十二人,每支派一人召了來,
5 ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan’ i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely,
對他們說:「你們由上主你們天主的約櫃面前走過到約旦河中心,依照以色列子民支派的數目,各取一塊石頭,放在肩上,
6 mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ ireo vato ireo?
在你們中閶作為記念;日後你們的子孫間起你們:這些石頭有什麼意思﹖
7 dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; fa raha nita an’ i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
你們要告訴他們說:約旦河的水,在上主約櫃前曾一度中斷,正在約櫃過約旦河時,約旦河的水便中斷了,這些石頭,為以色列子民將作永遠的記念。
8 Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely araka izay nandidian’ i Josoa ka naka vato roa ambin’ ny folo teo afovoan’ i Jordana, araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Josoa, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin’ izay nitobiany ka napetrany teo.
以色列子民就照若蘇厄所吩咐的作了;依上主對若蘇厄所說的,依照以色列子民支派的數目,由約旦河中心取了十二塊石頭,搬到他們紮營的地方,把石頭放在那裏。
9 Ary vato roa ambin’ ny folo no natsangan’ i Josoa teo Jordana, teo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
若蘇厄又在約旦河中心,抬約櫃的司祭的腳站立的地方,豎立了十二塊石頭,這些石頭直到今天,還留在那裏。
10 Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan’ i Jordana mandra-pahavitan’ ny zavatra rehetra izay nandidian’ i Jehovah an’ i Josoa holazaina amin’ ny olona, araka izay rehetra nandidian’ i Mosesy an’ i Josoa; dia nita faingana ny olona.
抬約櫃的司祭站在約旦河中央,直至上主命令若蘇厄告訴百姓的一切事,全照梅瑟吩咐若蘇厄的辦完了,百姓才趕快過去。
11 Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran’ i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan’ ny olona.
眾百姓過了河以後,上主的約櫃和司祭才過去,仍走在百姓的前面。
12 Ary ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ ny Zanak’ Isiraely koa, araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy.
勒烏本人、加得人和默納協半支派的人,依照梅瑟對他們所吩咐的,武裝起來,在以色列子民前首先過去;
13 Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan’ i Jehovah hanafika, ho eo amin’ ny tani-hay any Jeriko.
約有四萬武裝部隊由上主面前走過,向耶利哥平原進發,準備作戰。
14 Tamin’ izany andro izany no nanandratan’ i Jehovah an’ i Josoa teo imason’ ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’ i Mosesy, tamin’ ny andro rehetra niainany.
那一天,上主在眾以色列面前,顯揚了若蘇厄;在他有生之日,百姓敬重他如敬梅瑟一樣。
15 Ary Jehovah niteny tamin’ i Josoa ka nanao hoe:
上主吩咐若蘇厄說:
16 Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
「你命令抬約櫃的司祭,由約旦河裏上。」
17 Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
若蘇厄便吩咐司祭說:「你們由約旦河裏上來。」
18 Ary rehefa niakatra niala teo afovoan’ i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin’ ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
抬上主約櫃的司祭由約旦河裏一上來,他們的腳一著旱地,約旦河的水即刻流回原處,如同先前一樣,漲到兩岸。
19 Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin’ ny sisin-tany atsinanan’ i Jeriko.
正月初十,百姓由約旦河上來以後,在耶利哥東邊的基耳加耳紮了營。
20 Ary ireny vato roa ambin’ ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan’ i Josoa tany Gilgala.
若蘇厄將從約旦河取來的那十二塊石頭,立在基耳加耳;
21 Dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ ireo vato ireo?
然後吩咐以色列子民說:「日後你們的子孫,若問他們的父老說:這些石頭有什麼意思﹖
22 dia hambaranareo aminy hoe: Tamin’ ny tany maina no nitan’ ny Isiraely ity Jordana ity.
你們就告訴你們的子孫說:以色列曾在這旱地上過弓約旦河,
23 Fa nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan’ ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,
因為上主你們的天主,曾在你們的面前使約旦河水乾涸,直到你們都過了河,正如上主你們的天主,在我們面前使紅海乾涸,直到我們都過了海一樣,
24 mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa mahery ny tànan’ i Jehovah, ary mba hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.
為叫地上萬民認識上主的手如何強而有力,為叫你們從此時常敬畏上主,你們的天主。」