< Josoa 4 >

1 Ary rehefa tafita an’ i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin’ i Josoa hoe:
Anthu onse atatha kuwoloka Yorodani, Yehova anati kwa Yoswa,
2 Mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
“Sankha amuna khumi ndi awiri, mmodzi pa fuko lililonse.
3 ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin’ ny folo eo afovoan’ i Jordana eo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin’ izay handrianareo anio alina.
Tsono uwalamule kuti, ‘Tengani miyala khumi ndi iwiri pakati penipeni pa mtsinje wa Yorodani, pamalo pamene ansembe anayimirirapo. Miyalayo muwoloke nayo ndi kudzayitula pamalo pamene mukagone usiku uno.’”
4 Dia nantsoin’ i Josoa ny lehilahy roa ambin’ ny folo, izay nofidiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely dia iray avy isam-pirenena,
Choncho Yoswa anayitana amuna khumi ndi awiri amene anawasankha aja kuchokera pakati pa Aisraeli, mmodzi pa fuko lililonse,
5 ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan’ i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely,
ndipo anawawuza kuti, “Lowani pakati pa mtsinje wa Yorodani, patsogolo pa Bokosi la Yehova Mulungu wanu. Ndipo aliyense wa inu atenge mwala pa phewa lake, monga mwa chiwerengero cha mafuko a Aisraeli,
6 mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ ireo vato ireo?
kuti ikhale chizindikiro kwa inu. Mʼtsogolo muno ana anu akamadzakufunsani kuti, ‘Kodi miyala iyi ikutanthauza chiyani?’
7 dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; fa raha nita an’ i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
Muzidzawawuza kuti, ‘Madzi a Yorodani analeka kuyenda pamene Bokosi la Chipangano la Yehova linkawoloka mtsinjewo. Miyala iyi idzakhala chikumbutso kwa anthu a Israeli kwa muyaya.’”
8 Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely araka izay nandidian’ i Josoa ka naka vato roa ambin’ ny folo teo afovoan’ i Jordana, araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Josoa, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin’ izay nitobiany ka napetrany teo.
Aisraeli anachitadi monga Yoswa anawalamulira. Iwo ananyamula miyala khumi ndi iwiri kuchokera pakati pa Yorodani, fuko lililonse la Israeli mwala wake, monga Yehova analamulira Yoswa. Miyalayo anapita nayo ku misasa yawo nakayikhazika kumeneko.
9 Ary vato roa ambin’ ny folo no natsangan’ i Josoa teo Jordana, teo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
Yoswa anayimika miyala khumi ndi iwiri imene inali pakati pa Yorodani pamalo pamene ansembe onyamula Bokosi la Chipangano anayimapo. Ndipo miyalayo ili pamalo pomwepo mpaka lero lino.
10 Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan’ i Jordana mandra-pahavitan’ ny zavatra rehetra izay nandidian’ i Jehovah an’ i Josoa holazaina amin’ ny olona, araka izay rehetra nandidian’ i Mosesy an’ i Josoa; dia nita faingana ny olona.
Ansembe onyamula Bokosi lija anayimirirabe pakati pa Yorodani mpaka zonse zimene Yehova analamulira Yoswa kuti awuze anthu zinatha. Zimenezi zinali monga momwe Mose anamufotokozera Yoswa. Tsono anthu anawoloka mtsinjewo mofulumira.
11 Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran’ i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan’ ny olona.
Anthu atatha kuwoloka, ansembe anatsogolera anthuwo atanyamula Bokosi la Yehova.
12 Ary ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ ny Zanak’ Isiraely koa, araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy.
Anthu a fuko la Rubeni, Gadi ndi theka la fuko la Manase anawoloka patsogolo pa Aisraeli ali ndi zida, monga momwe Mose anawalamulira.
13 Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan’ i Jehovah hanafika, ho eo amin’ ny tani-hay any Jeriko.
Asilikali pafupifupi 40,000 anawoloka napita kukayima mʼchigwa cha Yeriko kukonzekera nkhondo.
14 Tamin’ izany andro izany no nanandratan’ i Jehovah an’ i Josoa teo imason’ ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’ i Mosesy, tamin’ ny andro rehetra niainany.
Zimene Yehova anachita tsiku limeneli zinapatsa anthu mtima wolemekeza Yoswa. Ndipo anamulemekeza masiku onse a moyo wake, monga momwe analemekezera Mose.
15 Ary Jehovah niteny tamin’ i Josoa ka nanao hoe:
Kenaka Yehova anati kwa Yoswa,
16 Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
“Lamula ansembe onyamula Bokosi la Chipanganowo kuti atuluke mu Yorodani.”
17 Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
Choncho Yoswa anawalamuladi ansembe aja kuti atuluke mu Yorodani muja.
18 Ary rehefa niakatra niala teo afovoan’ i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin’ ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
Ansembe onyamula Bokosi la Chipangano la Yehova aja atangotuluka mu mtsinje muja nʼkuponda powuma, madzi a mu Yorodani anayambanso kuyenda ngati poyamba mpaka kumasefukira.
19 Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin’ ny sisin-tany atsinanan’ i Jeriko.
Aisraeli anawoloka Yorodani tsiku lakhumi la mwezi woyamba ndipo anakamanga misasa yawo ku Giligala mbali ya kummawa kwa Yeriko.
20 Ary ireny vato roa ambin’ ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan’ i Josoa tany Gilgala.
Ku Giligala, Yoswa anayimikako miyala khumi ndi iwiri imene anayitenga mu Yorodani ija.
21 Dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ ireo vato ireo?
Ndipo iye anati kwa Aisraeli, “Mʼtsogolo muno pamene adzukulu anu adzafunsa makolo awo kuti, ‘Kodi miyala iyi ikutanthauza chiyani?’
22 dia hambaranareo aminy hoe: Tamin’ ny tany maina no nitan’ ny Isiraely ity Jordana ity.
Muzidzawawuza kuti, ‘Aisraeli anawoloka Yorodani pansi pali powuma.’
23 Fa nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan’ ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,
Pakuti Yehova Mulungu wanu ndiye anawumitsa Yorodani pamaso panu mpaka inu mutawoloka. Yehova Mulungu wanu anaphwetsa madzi a Yorodani monga mmene anachitira ndi Nyanja Yofiira mpaka ife tinawoloka powuma.
24 mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa mahery ny tànan’ i Jehovah, ary mba hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.
Iye anachita zimenezi kuti anthu onse pa dziko lapansi adziwe kuti dzanja la Yehova ndi lamphamvu, ndi kuti inu muziopa Yehova Mulungu wanu masiku onse.”

< Josoa 4 >