< Josoa 3 >

1 Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
Yoshua aliamka asubuhi na mapema, nao walisafiri kutoka Shitimu. Walifika Yordani, yeye na watu wote wa Israeli, na wakapiga kambi hapo kabla hawajavuka ng'ambo.
2 Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
Baada ya siku tatu, maafisa walienda katika kambi, wakawaagiza watu,
3 ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin’ izay itoeranareo, ka manaraha azy
“Mtakapoona sanduku la agano la Yahweh Mungu wenu, na makuhani kutoka miongoni mwa Walawi wamelibeba, ni lazima muondoke sehemu hii na kulifuata.
4 (kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
Lazima kuwe na umbali wa dhiraa elfu moja kati yenu na sanduku. Msilisogelee karibu, ili muweze kuiona njia ya kupitia, kwakuwa hamjawahi kupita njia hii kabla.
5 Ary hoy Josoa tamin’ ny olona: Manamasìna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
Yoshua akawaambia watu, “Jitakaseni ninyi wenyewe keso, kwa kuwa Yahweh atafanya maajabu miongoni mwenu.”
6 Ary niteny tamin’ ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran’ ny fanekena, ka mità eo anoloan’ ny olona. Dia nitondra ny fiaran’ ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan’ ny olona.
Kisha Yoshua akawaambia makuhani, “Chukueni sanduku la agano, na kulipitisha mbele za watu.” Hivyo, wakalichukua sanduku la agano na wakaenda mbele za watu.
7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason’ ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa.
Yahweh akamwambia Yoshua, “Siku hii nitakufanya kuwa mtu mkubwa katika macho ya Waisraeli wote. Watajua kuwa kama nilivyokuwa na Musa ndivyo nitakavyokuwa pamoja na wewe.
8 Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin’ ny moron’ i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.
Utawaamuru makuhani ambao hulibeba sanduku la agano, 'Mtakapofika katika ukingo wa maji ya Yordani, ni lazima msimame katika Mto Yordani.'”
9 Ary Josoa nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo.
Kisha Yoshu akawaambia watu wa Israeli, “Njooni hapa na msikilize maneno ya Yahweh Mungu wenu.
10 Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
Kwa hili mtajua kwamba Mungu aliye hai yuko miongoni mwenu na kwamba atawaondosha mbele yenu Wakanaani, Wahiti, Wahivi, Waperizi, Wagrigashi, Waamori na Wayebusi.
11 Indro, ny fiaran’ ny faneken’ ny Tompon’ ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;
Tazama! Sanduku la agano la Bwana wa nchi yote litavuka mbele yenu katika Yordani.
12 koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny firenen’ Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
Sasa chagueni wanaume kumi na wawili kutoka katika makabila ya Israeli, mmoja katika kila kabila.
13 ary raha vao mijanona eo amin’ ny rano Jordana ny faladian’ ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midìna avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
Wakati nyayo za miguu ya makuhani walichukualo sanduku la Yahweh, Bwana wa nchi yote, zitakapogusa maji ya Yordani, maji ya Yordani yatatindika, na hata maji yatiririkayo kutoka juu yatakoma kutiririka nayo yatasimama kama chuguu.
14 Ary raha niala tamin’ ny lainy hita an’ i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’ ny fanekena eo alohan’ ny olona,
Hivyo wakati watu walipotoka ili kuvuka Yordani, makuhani waliobeba sanduku la agano waende mbele ya watu.
15 ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin’ ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),
Mara tu wale walichukuao sanduku wakiisha kufika Yordani, na miguu ya watu wale waliobeba sanduku itakapotiwa katika ukingo wa maji (maana sasa Yordani hujaa hadi katika kingo zake zote katika kipindi chote cha mavuno),
16 dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ ny tanàna Adama, izay eo anilan’ i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’ i Jeriko.
maji yote yaliyotiririka kutoka juu yalisimama katika chuguu kimoja. Maji yakakoma kutiririka kutoka katika umbali mrefu. Maji yaliacha kutiririka kutoka Adam, mji ulio karibu na Zarethani, hadi bahari ya Negevu, Bahari ya Chumvi. Na watu walivuka ng'ambo karibu na Yeriko.
17 Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ ny tany maina teo afovoan’ i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ ny tany maina mandra-pahatafitan’ izy rehetra an’ i Jordana.
Makuhani waliolibeba sanduku la agano la Yahweh walisimama katika nchi kavu katikati ya Yordani mpaka watu wote wa Israeli walipokwisha kuvuka katika nchi kavu.

< Josoa 3 >