< Josoa 24 >

1 Ary Josoa nanangona ny firenen’ ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo.
Ndipo Yoshua akaita pamoja makabila yote ya Israeli huko Shekemu. Akawaita wazee, viongozi, waamuzi na maafisa wa Israeli, nao wakaja mbele za Mungu.
2 Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin’ ny Ony no nonenan’ ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain’ i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.
Yoshua akawaambia watu wote, “Hili ndilo Bwana, Mungu wa Israeli, asemalo: ‘Hapo zamani baba zenu, pamoja na Tera baba yake Abrahamu na Nahori, waliishi ngʼambo ya Mto nao waliiabudu miungu mingine.
3 Dia naka an’ i Abrahama razanareo avy tany an-dafin’ ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an’ Isaka ho zanany.
Lakini nilimwondoa baba yenu Abrahamu kutoka nchi hiyo ngʼambo ya Mto, nami nikamwongoza katika nchi yote ya Kanaani, nikampa wazao wengi. Nikampa Isaki,
4 Ary Isaka koa dia nomeko an’ i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
naye Isaki nikampa Yakobo na Esau. Esau nikampa nchi ya vilima ya Seiri, lakini Yakobo pamoja na wanawe wakashuka Misri.
5 Dia naniraka an’ i Mosesy sy Arona Aho ka namely an’ i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
“‘Kisha nikawatuma Mose na Aroni, nami nikawapiga Wamisri kwa kile nilichokitenda huko, tena nikawatoa ninyi huko.
6 Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin’ ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
Nilipowatoa baba zenu Misri, mlifika kwenye bahari, nao Wamisri wakawafuatia baba zenu kwa magari na wapanda farasi mpaka kwenye Bahari ya Shamu.
7 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
Lakini wakamlilia Bwana wakitaka msaada, naye akaweka giza kati yenu na Wamisri, akaileta bahari juu yao ikawafunika. Ninyi mliona kwa macho yenu wenyewe kile nilichowatendea Wamisri. Kisha mliishi jangwani kwa muda mrefu.
8 Ary nentiko ho any amin’ ny tanin’ ny Amorita, izay nonina tany an-dafin’ i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
“‘Nikawaleta katika nchi ya Waamori ambao waliishi mashariki mwa Yordani. Wakapigana nanyi, lakini nikawatia mikononi mwenu. Nikawaangamiza mbele yenu nanyi mkaimiliki nchi yao.
9 Dia nitsangana Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, ka niady tamin’ ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an’ i Balama, zanak’ i Beora, izy hanozona anareo.
Wakati Balaki mwana wa Sipori, mfalme wa Moabu, alipojiandaa kupigana dhidi ya Israeli, alimwita Balaamu mwana wa Beori apate kuwalaani.
10 Fa tsy nety nihaino an’ i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin’ ny tànany Aho.
Lakini sikumkubali Balaamu, kwa hiyo aliwabariki tena na tena, nami niliwaokoa toka mkononi mwake.
11 Ary nita an’ i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin’ ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
“‘Ndipo mlipovuka Yordani mkafika Yeriko. Raiya wa Yeriko wakapigana nanyi, kama walivyofanya Waamori, Waperizi, Wakanaani, Wahiti, Wagirgashi, Wahivi na Wayebusi, lakini niliwatia mikononi mwenu.
12 Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, fa tsy tamin’ ny sabatrao, na tamin’ ny tsipìkanao.
Nikatuma manyigu mbele yenu, ambao pia waliwafukuza mbele yenu, hao wafalme wawili wa Waamori. Siyo upanga au upinde wenu wenyewe vilivyowapatia ushindi.
13 Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin’ ny tanim-boaloboka sy ny tanin’ oliva izay tsy nataonareo ianareo.
Hivyo nikawapa ninyi nchi ambayo hamkuitaabikia na miji ambayo hamkuijenga na mnaishi ndani yake na kula toka kwa mashamba ya mizabibu na mizeituni msiyoipanda.’
14 Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.
“Sasa basi mcheni Bwana na kumtumikia kwa uaminifu wote. Itupeni mbali miungu ambayo baba zenu waliiabudu huko ngʼambo ya Mto Frati na huko Misri, nanyi mtumikieni Bwana.
15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
Lakini msipoona vyema kumtumikia Bwana, chagueni hivi leo mtakayemtumikia, kama ni miungu ile ambayo baba zenu waliitumikia ngʼambo Frati, au miungu ya Waamori, ambao mnakaa katika nchi yao. Lakini mimi na nyumba yangu, tutamtumikia Bwana.”
16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an’ i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
Ndipo hao watu wakajibu, “Hili jambo liwe mbali nasi la kumsahau Bwana na kuitumikia miungu mingine!
17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tany amin’ ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ ny firenena rehetra izay notetezintsika.
Bwana Mungu wetu mwenyewe ndiye alitutoa sisi na baba zetu akatupandisha kutoka Misri, kutoka nchi ile ya utumwa, na kutenda zile ishara kubwa mbele ya macho yetu. Ndiye aliyetulinda katika safari yetu yote na kutokana na mataifa yote ambayo tulipita katikati yao.
18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an’ i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
Bwana akayafukuza mbele yetu mataifa yote pamoja na Waamori, walioishi katika nchi hii. Hivyo sisi nasi tutamtumikia Bwana kwa kuwa yeye ndiye Mungu wetu.”
19 Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Tsy mahay manompo an’ i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masìna Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
Yoshua akawaambia watu, “Hamwezi kumtumikia Bwana. Yeye ni Mungu Mtakatifu, ni Mungu mwenye wivu. Hatasamehe uasi wenu na dhambi zenu.
20 Raha mahafoy an’ i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
Ikiwa mkimwacha Bwana na kuitumikia miungu migeni, atageuka na kuwaleteeni maafa na kuwaangamiza, baada ya kuwa mwema kwenu.”
21 Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
Lakini watu wakamwambia Yoshua, “Sivyo! Sisi tutamtumikia Bwana.”
22 Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Vavolombelona ho an’ ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an’ i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay.
Ndipo Yoshua akawaambia, “Ninyi mmekuwa mashahidi juu yenu wenyewe kuwa mmechagua kumtumikia Bwana.” Nao wakajibu, “Ndiyo, tu mashahidi.”
23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
Yoshua akawaambia, “Sasa basi, itupeni mbali hiyo miungu migeni iliyo katikati yenu, nanyi mtoleeni Bwana, Mungu wa Israeli, mioyo yenu.”
24 Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
Nao watu wakamwambia Yoshua, “Tutamtumikia Bwana Mungu wetu na kumtii yeye.”
25 Ary dia nanao fanekena tamin’ ny vahoaka Josoa tamin’ izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
Siku ile Yoshua akafanya agano kwa ajili ya watu na hapo Shekemu ndipo alipowaandikia amri na sheria.
26 Dia nosoratan’ i Josoa tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ ny hazo terebinta, izay teo anilan’ ny fitoera-masin’ i Jehovah.
Naye Yoshua akayaandika mambo haya katika Kitabu cha Sheria ya Mungu. Ndipo akalitwaa jiwe kubwa, akalisimamisha huko chini ya mwaloni, karibu na mahali patakatifu pa Bwana.
27 Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’ Andriamanitrareo ianareo.
Yoshua akawaambia watu wote, “Angalieni! Jiwe hili litakuwa shahidi juu yetu. Limesikia maneno yote Bwana aliyotuambia. Litakuwa shahidi juu yenu kama mtakuwa waongo kwa Mungu wenu.”
28 Dia nampodin’ i Josoa ny vahoaka samy ho any amin’ ny lovany avy.
Basi Yoshua akawatuma watu kila mmoja aende katika urithi wake mwenyewe.
29 Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
Baada ya mambo haya, Yoshua mwana wa Nuni, mtumishi wa Bwana akafa akiwa na umri wa miaka mia moja na kumi.
30 Dia nalevina tao amin’ ny faritanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
Nao wakamzika katika nchi ya urithi wake, huko Timnath-Sera katika nchi ya vilima ya Efraimu, kaskazini ya Mlima wa Gaashi.
31 Ary nanompo an’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely
Israeli wakamtumikia Bwana siku zote za maisha ya Yoshua, na za hao wazee walioishi baada ya Yoshua kufa, ambao waliona kila kitu Bwana alichowatendea Israeli.
32 Ary ny taolan’ i Josefa, izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin’ ny tany izay novidin’ i Jakoba volafotsy zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema; dia tonga lovan’ ny taranak’ i Josefa izany.
Nayo ile mifupa ya Yosefu, ambayo Waisraeli waliipandisha kutoka huko Misri, wakaizika huko Shekemu kwenye eneo, ambalo Yakobo alilinunua kwa wana wa Hamori baba yake Shekemu, kwa vipande mia vya fedha. Eneo hili likawa ni urithi wa uzao wa Yosefu.
33 Dia maty koa Eleazara, zanak’ i Arona, ka naleviny teo amin’ ny havoan’ i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima.
Naye Eleazari mwana wa Aroni akafariki akazikwa huko Gibea, mlima aliokuwa amepewa mtoto wake Finehasi, kwenye nchi ya vilima ya Efraimu.

< Josoa 24 >