< Josoa 24 >

1 Ary Josoa nanangona ny firenen’ ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo.
Josue versammelte nun alle Stämme Israels nach Sichem. Er berief dazu die Ältesten Israels sowie ihre Oberhäupter, Richter und Amtleute, und sie stellten sich vor Gott auf.
2 Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin’ ny Ony no nonenan’ ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain’ i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.
Da sprach Josue zum ganzen Volke: "So spricht der Herr, Israels Gott: 'In grauer Vorzeit haben eure Ahnen in dem Lande jenseits des Stromes gewohnt, der Vater Abrahams und Nachors, Terach, und sie dienten anderen Göttern.
3 Dia naka an’ i Abrahama razanareo avy tany an-dafin’ ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an’ Isaka ho zanany.
Da wählte ich mir euren Ahnherrn Abraham aus dem Gebiete jenseits des Stromes und führte ihn im ganzen Lande Kanaan umher, vermehrte seinen Stamm und gab ihm Isaak.
4 Ary Isaka koa dia nomeko an’ i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
Und Isaak schenkte ich Jakob und Esau, und Esau gab ich das Gebirge von Seïr zu eigen. Doch Jakob zog mit seinen Söhnen nach Ägypten.
5 Dia naniraka an’ i Mosesy sy Arona Aho ka namely an’ i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
Da sandte ich Moses und Aaron. Und ich schlug Ägypten durch das, was ich darin getan. Dann habe ich euch weggeführt.
6 Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin’ ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
Ich führte eure Väter aus Ägypten. Und so kamet ihr an das Meer. Die Ägypter aber verfolgten eure Väter mit Wagen und mit Reitern bis an das Schilfmeer.
7 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
Da riefen sie zum Herrn. Er aber setzte zwischen euch und die Ägypter tiefe Finsternis und brachte über sie das Meer, daß es sie bedeckte. Und eure Augen sahen, was ich Ägypten getan. Dann weiltet ihr in der Wüste lange Zeit.
8 Ary nentiko ho any amin’ ny tanin’ ny Amorita, izay nonina tany an-dafin’ i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
Hierauf brachte ich euch in das Land der Amoriter, jenseits des Jordan, und diese kämpften gegen euch. Ich aber gab sie in eure Hand. So nahmt ihr ihr Land weg, und ich tilgte sie vor euch.
9 Dia nitsangana Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, ka niady tamin’ ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an’ i Balama, zanak’ i Beora, izy hanozona anareo.
Dann trat Balak auf, des Sippors Sohn und Moabs König, und stritt mit Israel. Er sandte hin und ließ Bileam, des Beor Sohn, rufen, euch zu verfluchen.
10 Fa tsy nety nihaino an’ i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin’ ny tànany Aho.
Ich aber wollte nicht auf Bileam hören. So gab er euch den Segen, und ich befreite euch aus seiner Hand.
11 Ary nita an’ i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin’ ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
Dann überschrittet ihr den Jordan und kamt nach Jericho. Da kämpften mit euch die Bürger Jerichos, die Amoriter, Periziter, Kanaaniter, Chittiter und Girgasiter, Chiwiter und Jebusiter. Und ich gab sie in eure Hand.
12 Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, fa tsy tamin’ ny sabatrao, na tamin’ ny tsipìkanao.
Ich sandte vor euch die Hornissen her. Sie vertrieben sie vor euch, zwei Könige der Amoriter, nicht durch dein Schwert und nicht durch deinen Bogen.
13 Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin’ ny tanim-boaloboka sy ny tanin’ oliva izay tsy nataonareo ianareo.
Ich gab euch ein Land, um das du dich nicht bemüht, und Städte, die ihr nicht gebaut, und ihr siedeltet darin. Weinberge und Olivengärten, die ihr nicht gepflanzt, genießet ihr.
14 Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.
So fürchtet den Herrn und dient ihm aufrichtig und treu! Schafft die Götter ab, denen eure Vorfahren jenseits des Stromes und in Ägypten gedient! Dient dem Herrn!
15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
Mißfällt es euch aber, dem Herrn zu dienen, so wählt für euch heute, wem ihr dienen wollt, ob den Göttern, denen eure Ahnen jenseits des Stromes gedient, oder den Göttern der Amoriter, in deren Land ihr wohnt! Ich und mein Haus wollen dem Herrn dienen.'"
16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an’ i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
Da antwortete das Volk und sprach: "Ferne sei es uns, den Herrn zu verlassen und anderen Göttern zu dienen!
17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tany amin’ ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ ny firenena rehetra izay notetezintsika.
Denn der Herr ist unser Gott. Er hat uns und unsere Väter aus Ägypten, wo wir Sklaven waren, hergeführt und vor unseren Augen diese großen Wunder getan und uns überall behütet auf dem Weg, den wir gegangen, und unter all den Völkern, durch die wir mitten durchgezogen.
18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an’ i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
So vertrieb der Herr vor uns alle Völker, auch die Amoriter, des Landes Insassen. Auch wir wollen dem Herrn dienen. Denn er ist unser Gott."
19 Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Tsy mahay manompo an’ i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masìna Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
Josue sprach zum Volke: "Ihr könnt dem Herrn nicht dienen. Denn er ist ein heiliger Gott. Er ist ein eifersüchtiger Gott. Er vergibt euch nicht euren Frevel und eure Sünden.
20 Raha mahafoy an’ i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
Verlasset ihr den Herrn und dienet ihr ausländischen Göttern, so wird er anders werden. Er tut euch dann Übles und reibt euch auf, nachdem er euch wohlgetan."
21 Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
Und das Volk sprach zu Josue: "Nein! Wir wollen doch dem Herrn dienen."
22 Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Vavolombelona ho an’ ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an’ i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay.
Da sprach Josue zum Volk: "Ihr seid Zeugen wider euch selbst, daß ihr euch für den Dienst des Herrn entschieden habt." Sie sprachen: "Jawohl!"
23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
"So schafft nun die ausländischen Götter bei euch weg und neigt euer Herz dem Herrn, dem Gott Israels, zu!"
24 Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
Und das Volk sprach zu Josue: "Dem Herrn, unserem Gott, wollen wir dienen und auf seine Stimme hören."
25 Ary dia nanao fanekena tamin’ ny vahoaka Josoa tamin’ izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
Da schloß Josue an jenem Tage einen Bund mit dem Volke und gab ihm zu Sichem Satzung und Recht.
26 Dia nosoratan’ i Josoa tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ ny hazo terebinta, izay teo anilan’ ny fitoera-masin’ i Jehovah.
Und Josue schrieb dies in das Buch der Lehre Gottes. Dann nahm er einen großen Stein und stellte ihn dort unter die Eiche im Heiligtum des Herrn.
27 Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’ Andriamanitrareo ianareo.
Josue aber sprach zum ganzen Volke: "Wohlan, dieser Stein sei Zeuge wider uns! Denn er hat all die Worte angehört, die der Herr mit uns gesprochen hat. Darum sei er Zeuge gegen euch, daß ihr euren Gott nicht verleugnet!"
28 Dia nampodin’ i Josoa ny vahoaka samy ho any amin’ ny lovany avy.
Dann entließ Josue das Volk, jeden in sein Besitztum.
29 Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
Hernach starb Josue, Nuns Sohn, des Herrn Diener, hundertzehn Jahre alt.
30 Dia nalevina tao amin’ ny faritanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
Sie begruben ihn im Bereiche seines Erbes zu Timnat Serach auf dem Gebirge Ephraim, nördlich vom Berg Gaas.
31 Ary nanompo an’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely
Und Israel diente dem Herrn alle Tage Josues und der Ältesten, die noch lange nach Josue lebten und die noch jedes Werk kannten, das der Herr für Israel getan hatte.
32 Ary ny taolan’ i Josefa, izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin’ ny tany izay novidin’ i Jakoba volafotsy zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema; dia tonga lovan’ ny taranak’ i Josefa izany.
Josephs Gebeine aber, die die Israeliten aus Ägypten heraufgebracht hatten, hatten sie zu Sichem begraben, auf dem Feldstück, das Jakob von den Söhnen Chamors, des Vaters Sichems, um hundert Beutel gekauft hatte und das die Söhne Josephs als Erbe besaßen.
33 Dia maty koa Eleazara, zanak’ i Arona, ka naleviny teo amin’ ny havoan’ i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima.
Auch Aarons Sohn Eleazar starb. Und sie begruben ihn auf seines Sohnes Pinechas Hügel, der ihm auf dem Gebirge Ephraim verliehen worden war.

< Josoa 24 >