< Josoa 23 >

1 Ary rehefa ela, taorian’ ny nanomezan’ i Jehovah fitsaharana ho an’ ny Isiraely ho afaka amin’ ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
MAHOPE loa mai o ka hoomaha ana o Iehova i ka Iseraela, mai ko lakou mau enemi a pau, i puni ia lakou, ua elemakule loa o Iosua, ua nui no hoi kona mau la.
2 dia nantsoin’ i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
Houluulu ae la o Iosua i ka Iseraela a pau, i ko lakou mau lunakahiko a me ko lakou mau alii, a me ko lakou mau lunakanawai, a me ka poe luna o lakou, a olelo aku la oia ia lakou, Ua elemakule au, a ua nui no hoi ko'u mau la.
3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
A o oukou hoi, ua ike oukou i na mea a pau i hana mai ai o Iehova, ko oukou Akua i keia mau lahuikanaka a pau imua o oukou; no ka mea, o Iehova, ko oukou Akua ua kaua aku oia no oukou.
4 Indreo, efa voazarako ho lovan’ ny firenenareo tamin’ ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe andrefana.
Aia hoi, ua hailona au no oukou i ko na lahuikanaka i koe, a me na lahuikanaka a pau a'u i anai aku ai mai Ioredane a hiki i ka moana nui, ma ke komohana o ka la, i mea hooili no ko oukou ohana.
5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
Na Iehova, na ko oukou Akua, e kipaku ia lakou, mai ko oukou alo aku, a e hoonalowale ia lakou imua o oukou; a e hooili mai i ko lakou aina no oukou, e like me ka olelo a Iehova, ko oukou Akua i olelo mai ai ia oukou.
6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia,
E hooikaika oukou e malama a e hana i na mea a pau i kakauia iloko o ka buke o ko kanawai o Mose. Mai huli oukou mai ia mea aku ma ka lima akau, aole hoi ma ka lima hema.
7 mba tsy hankanesanareo any amin’ ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran’ ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
Mai hele pu oukou me keia mau lahuikanaka, i ka poe i koe, mawaena o oukou; mai hoohiki hoi i ka inoa o ko lakou mau akua, aole hoi e hoohiki ma o lakou la: mai malama ia lakou, aole hoi e kulou oukou ia lakou:
8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
Aka, e hoopili aku oukou ia Iehova, i ko oukou Akua, e like me ka oukou hana ana a hiki i keia la.
9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
No ka mea, ua kipaku o Iehova mai ko oukou alo aku, i na lahuikanaka nui, a ikaika: a o oukou hoi, aole kanaka i ku imua o ko oukou alo a hiki wale mai i keia la.
10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
Hookahi kanaka o oukou e alualu aku i ke tausani hookahi; no ka mea, o Iehova, ko oukou Akua, oia no ka mea nana e kaua aku no oukou, e like me kana elele mua ana mai ia oukou.
11 Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo.
E malama pono oukou ia oukou iho, e aloha aku ai ia Iehova i ko oukou Akua.
12 Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
No ka mea, ina e hoi hope iki oukou, a e hoopili i na lahuikanaka i koe e noho ana mawaena o oukou, a e mare pu me lakou, a hele iloko io lakou la, a hoi lakou iloko io oukou nei;
13 dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin’ ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
E ike pono oukou, aole e kipaku hou aku o Iehova, ko oukou Akua i keia mau lahuikanaka, mai ko oukou alo aku; aka, e lilo lakou i mau pahele no oukou, a he mea upiki, a he mea hahau ma ko oukou mau aoao, a i mea ooi ma ko oukou mau maka, a make wale oukou, mai keia aina maikai aku a Iehova ko oukou Akua i haawi mai ai no oukou.
14 Ary, indro, efa handeha ho amin’ ny lalana falehan’ ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
Aia hoi, i keia la, e hele ana au ma ka aoao o ko ka honua a pau; a ua ike hoi oukou ma ko oukou naau a pau, a me ko oukou uhane a pau, aole i haule ka mea hookahi o na olelo maikai a pau a Iehova ko oukou Akua i olelo mai ai ia oukou, aka, ua ko io ia oukou na mea a pau, aole i haule ka mea hookahi.
15 Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
A e like me ka hiki ana mai ia oukou na mea maikai a pau a Iehova ko oukou Akua i olelo mai ai ia oukou; pela no e hoouka mai ai o Iehova i na mea ino a pau maluna o oukou, a hiki i kona hoopau ana mai ia oukou, mai keia aina maikai aku, a Iehova ko oukou Akua i haawi mai ai no oukou.
16 Amin’ izay hivadihanareo ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa nomeny anareo.
Aia haihai oukou i ka berita a Iehova ko oukou Akua, i ka mea ana i kauoha mai ai ia oukou, a e hele oukou, a e malama aku i na 'kua e, a e kulou hoi ia lakou; alaila e a mai no ka huhu o Iehova ia oukou, a e make koke auanei, mai ka aina maikai aku, ana i haawi mai ai no oukou.

< Josoa 23 >