< Josoa 22 >
1 Ary tamin’ izay dia nantsoin’ i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase,
Awo Yoswa n’ayita Abalewubeeni n’Abagaadi n’ekitundu eky’ekika kya Manase,
2 ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;
n’abagamba nti, “Mwekuumye ne mukola byonna Musa omuweereza wa Mukama Katonda bye yabalagira.
3 tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin’ izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
Ebbanga lyonna n’okutuusa leero temulekeredde baganda bammwe, mubadde beegendereza okukuuma ekiragiro kya Mukama Katonda wammwe.
4 Ary ankehitriny dia efa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin’ ny lainareo avy, ho any amin’ ny taninareo, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo any an-dafin’ i Jordana.
Era kaakano Mukama Katonda wammwe awadde baganda bammwe emirembe nga bwe yabasuubiza. Noolwekyo muddeeyo mu maka gammwe mu nsi Musa omuweereza wa Mukama gye yabawa ku luuyi luli olulala olwa Yoludaani.
5 Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo, hitiavanareo an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin’ ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
Wabula mwegendereze okukuumanga ebiragiro era n’amateeka Musa omuweereza wa Mukama bye yabalagira: okwagalanga Mukama Katonda wammwe, okutambuliranga mu makubo ge gonna, okukuumanga ebiragiro bye, n’okumunywererangako era n’okumuweerezanga n’omutima gwammwe gwonna era n’emmeeme yammwe yonna.”
6 Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin’ ny lainy avy izy.
Yoswa n’alyoka abasabira omukisa n’abasiibula ne baddayo mu maka gaabwe.
7 Ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nomen’ i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen’ i Josoa teo amin’ ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan’ i Jordana. Ary raha nampodin’ i Josoa ho any amin’ ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
Ekitundu ekimu eky’ekika kya Manase, Musa yali akigabidde ettaka mu Basani, n’ekitundu ekirala eky’ekika kya Manase ne baganda baabwe, Yoswa n’akiwa ettaka ku luuyi olw’ebugwanjuba bwa Yoludaani. Yoswa n’abawa omukisa n’abasiibula baddeyo ewaabwe.
8 ka nilazany hoe: Modia ho any amin’ ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman’ ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ ny fahavalonareo.
N’abagamba nti, “Ente nnyingi, ne ffeeza, ne zaabu, n’ekikomo, n’ekyuma, era n’engoye nnyingi bye munyaze ku balabe bammwe; mubigabaane ne baganda bammwe.”
9 Dia nody ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nandao ny Zanak’ Isiraely tao Silo, izay ao amin’ ny tany Kanana, hankany amin’ ny tany Gileada ho any amin’ ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin’ i Jehovah nasainy nolazain’ i Mosesy.
Awo Abalewubeeni n’abaana ba Gaadi n’ekitundu eky’ekika kya Manase nga bava mu baana ba Isirayiri mu Siiro ekiri mu nsi ya Kanani ne baddayo mu nsi yaabwe, mu Gireyaadi, gye baali bagabanye bo bennyini ng’ekiragiro kya Mukama Katonda bwe kyali okuyita mu Musa.
10 Ary raha tonga teo amoron’ i Jordana eo amin’ ny tany Kanana ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.
Era bwe baatuuka mu kitundu ekiriraanye Yoludaani mu nsi ya Kanani, abaana ba Lewubeeni n’abaana ba Gaadi n’ekitundu eky’ekika kya Manase, ne bazimba awo ekyoto, ekinene ddala.
11 Ary ny Zanak’ Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nanorina alitara an-tsisin’ ny tany Kanana, eo amoron’ i Jordana, anatin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely.
Wabula abantu ba Isirayiri bwe baawulira nti bazimbye ekyoto ku Yoludaani ku luuyi lwa Isirayiri,
12 Ary nony ren’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
ekibiina kyonna ekya Isirayiri ne bakuŋŋaana e Siiro beetegekere olutalo babalumbe.
13 Dia naniraka an’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, ny Zanak’ Isiraely ho any amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, any amin’ ny tany Gileada,
Awo abaana ba Isirayiri ne batuma Finekaasi omwana wa Eriyazaali kabona eri Abalewubeeni, n’Abagaadi, n’ekitundu ky’ekika kya Manase mu nsi ya Gireyaadi.
14 sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin’ ny Isiraely rehetra: samy lohan’ ny fianakaviany tamin’ ny arivon’ ny Isiraely ireo.
Ne batumirako abakungu kkumi, omu omu omukulu w’ennyumba mu buli kika kya Isirayiri.
15 Dia tonga tany amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase tany amin’ ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
Bwe bajja eri Abalewubeeni, n’Abagaadi, n’ekibiina kyonna ekya Manase mu nsi ya Gireyaadi ne babagamba nti,
16 Izao no lazain’ ny fiangonan’ i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin’ Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo androany tamin’ ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?
“Ekibiina kyonna ekya Mukama bwe kiti bwe kigamba, ‘Muyinza mutya okukyama bwe muti okuva ku Katonda wa Isirayiri? Muyinza mutya okuva ku Mukama ne mwezimbira ekyoto ne mumujeemera awo?
17 Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’ i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’ izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ ny fiangonan’ i Jehovah,
Ekibi kya Peoli tekyatumala, ate nga n’okwerongoosa tubadde tetunnaba kwerongoosa kwemalako kibi ekyo, wadde kawumpuli yagwa ku kibiina kya Mukama Katonda,
18 no dia mihodìna miala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin’ i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
ate mmwe ne mulekeraawo okugoberera Mukama Katonda? “‘Bwe munaajeemera Mukama leero, enkya ajja kunyiigira eggwanga lyonna erya Isirayiri.
19 Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin’ ny tanin’ i Jehovah, izay itoeran’ ny tabernakelin’ i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin’ i Jehovah, na miodina aminay, amin’ ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika.
Obanga ensi gye mututte sinnongoofu, mujje eno eri ensi ya Mukama, weema ya Mukama gy’eri, tugabane eno gye tuli; kye mutasaana kukola kwe kujeemera Mukama, oba okutufuula ffe abajeemu nga mwezimbira ekyoto ekitali kya Mukama Katonda waffe.
20 Tsy nandika ny didy va Akana, zanak’ i Zera, tamin’ ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin’ izany helony izany.
Akani mutabani wa Zeera teyajeema bwe yatoola ku bintu Mukama bye yali yeerobozza, ekiruyi kya Mukama ne kijjira ekibiina kyonna ekya Isirayiri? Si ye yekka eyazikirira olw’ekibi kye.’”
21 Dia namaly ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nanao tamin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely hoe:
Abalewubeeni, n’Abagaadi, n’ekitundu ky’ekika kya Manase ne balyoka baddamu abakulu b’ebika bya Isirayiri nti,
22 Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin’ i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
“Mukama Katonda ow’Amaanyi, Mukama ow’Amaanyi! Ye amanyi, era Isirayiri akimanye! Bwe kiba nga kyabadde mu kwediima oba kujeemera Mukama, temutusonyiwa leero.
23 raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana, eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
Bwe tuba nga ekyatuzimbya ekyoto kwe kuva ku Mukama, tukiweereko ekiweebwayo ekyokebwa oba ekiweebwayo ekyobutta oba ssaddaaka ez’ebiweebwayo olw’emirembe, Mukama Katonda yennyini atuvunaane.
24 fa tahotra tokoa no anton’ ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?
Nedda, twakikola mu kutya nti mu mirembe egijja abaana baffe balitubuuza nti, ‘Mukama Katonda wa Isirayiri mumumanyiiko ki?
25 fa Jordana no nataon’ i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak’ i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan’ ny taranakareo tsy hatahotra an’ i Jehovah ny taranakay,
Kubanga Mukama yakola Yoludaani okubeera ensalo wakati wammwe naffe mmwe Abalewubeeni, n’Abagaadi, temulina mugabo eri Mukama Katonda.’ Noolwekyo abaana bammwe bayinza okugaana abaana baffe okusinza Mukama Katonda.
26 Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-drà,
“Kyetwava tugamba nti, ‘Leka tuzimbe kaakano ekyoto ekitali kya kukozesa ku biweebwayo ebyokebwa, wadde ssaddaaka,’
27 fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an’ i Jehovah eo anatrehany amin’ ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ ny taranakareo amin’ ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo.
naye kibeere akabonero ak’obujulizi wakati waffe nammwe, era ne wakati we mirembe egirituddirira nti tugenda mu maaso ga Mukama Katonda ne tumusinza n’ebiweebwayo byaffe ebyokebwa ne ssaddaaka era n’ebiweebwayo olw’emirembe si kulwa nga abaana bammwe bagamba abaana baffe mu biseera ebijja nti, ‘Temulina mugabo gwonna eri Mukama Katonda.’
28 Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran’ i Jehovah, izay nataon’ ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.
Kyetwava tugamba nti, ‘Bwe balitugamba batyo oba okugamba abaana baffe abaliddawo, tulibaddamu nti, “Mulabe ekifaananyi kye kyoto kya Mukama Katonda, bakitaffe kye baakola, si lwa biweebwayo ebyokebwa wadde ssaddaaka, naye okubeera omujulirwa wakati waffe nammwe.”’
29 Sanatria aminay raha hiodina amin’ i Jehovah ka hiala anio amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan’ ny tabernakeliny.
Kikafuuwe ffe okujeemera Mukama era n’okumuvaako leero ne tutamugoberera nga tuzimba ekyoto eky’ebiweebwayo ebyokebwa, oba ebiweebwayo eby’empeke, oba ssaddaaka, ekitali kyoto kya Mukama Katonda waffe ekiri mu maaso ga Ssanduuko y’Endagaano ye!”
30 Ary rehefa ren’ i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase, dia sitrany izany.
Finekaasi kabona, n’abakulu b’ebibiina by’ebika bya Isirayiri abaali naye bwe baawulira ebigambo Abalewubeeni, n’Abagaadi n’aba Manase bye bayogera, ne bibasanyusa nnyo.
31 Ary hoy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, tamin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin’ i Jehovah ianareo; ary amin’ izany dia efa namonjy ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tànan’ i Jehovah ianareo.
Finekaasi mutabani wa Eriyazaali kabona n’agamba Abalewubeeni n’Abagaadi n’abaana ba Manase nti, “Leero tutegedde nti Mukama ali wakati mu ffe, kubanga temukoze kivve kino eri Mukama Katonda, kaakano abantu ba Isirayiri mubawonyezza omukono gwa Mukama Katonda.”
32 Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’ i Robena sy Gada tany amin’ ny tany Gileada ka nankany amin’ ny tany Kanana ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
Awo Finekaasi mutabani wa Eriyazaali kabona, n’abakulu b’ebika ne bava eri Abalewubeeni, n’Abagaadi mu nsi ye Kanani, ne baddayo eri abantu ba Isirayiri ne bababuulira ebibaddeyo.
33 Ary sitraky ny zanak’ Isiraely izany, dia nisaotra an’ Andriamanitra ny Zanak’ Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ ny taranak’ i Robena sy Gada.
Bye baayogera ne bisanyusa abantu ba Isirayiri ne bagulumiza Katonda ne bataddayo kwogera ku bya lutalo kubalumba, bazikirize ensi Abalewubeeni, n’Abagaadi gye baali basenze.
34 Dia nasian’ ny taranak’ i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
Abalewubeeni n’Abagaadi ne batuuma ekyoto erinnya Mujulizi, ne bagamba nti, “Kubanga mujulizi eri ffe nti Mukama ye Katonda.”