< Josoa 21 >
1 Ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita dia nanatona an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely
Afei, Lewifoɔ abusua mu ntuanofoɔ kɔɔ ɔsɔfoɔ Eleasa ne Nun babarima Yosua ne Israel mmusuakuo a aka mu ntuanofoɔ nkyɛn.
2 ka niteny taminy tao Silo tao amin’ ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an’ i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an’ ny biby fiompinay.
Wɔka kyerɛɛ wɔn wɔ Silo a ɛwɔ Kanaan asase sɛ, “Awurade hyɛɛ Mose sɛ, ɔmma yɛn nkuro na yɛntena mu ne adidibea mma yɛn anantwie.”
3 Dia avy tamin’ ny lovany no nanomezan’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin’ i Jehovah.
Na sɛdeɛ Awurade hyɛeɛ no, wɔde nkuro a ɛdidi soɔ yi a wɔn adidibea ka ho maa Lewifoɔ sɛ wɔn agyapadeɛ.
4 Dia nahazo loka ny fokon’ ny Kehatita; ary ny loka azon’ ny taranak’ i Arona mpisorona isan’ ny Levita dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny firenen’ i Joda sy ny firenen’ i Simeona ary ny firenen’ i Benjamina.
Aaron asefoɔ a na wɔyɛ Kohat abusua mma, na wɔfra Lewi abusuakuo mu no nyaa nkurotoɔ dumiɛnsa a na anka ɛyɛ Yuda, Simeon ne Benyamin mmusuakuo no dea.
5 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ i Efraima sy ny firenen’ i Dana ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
Afie a aka wɔ Kohat abusua mu no, wɔmaa wɔn nkurotoɔ edu firii Efraim ne Dan mmusuakuo no ne Manase abusuakuo fa no nsase mu.
6 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Gersona dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ Isakara sy ny firenen’ i Asera sy ny firenen’ i Naftaly ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase any Basana.
Gerson abusua no nso, wɔmaa wɔn nkurotoɔ dumiɛnsa firii Isakar, Aser, Naftali ne Manase abusuakuo fa no wɔ Basan.
7 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin’ ny folo, avy tamin’ ny firenen’ i Robena sy ny firenen’ i Gada ary ny firenen’ i Zebolona.
Merari abusua no nyaa nkurotoɔ dumienu firii Ruben, Gad ne Sebulon mmusuakuo no nkyɛn.
8 Dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita tamin’ ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy.
Enti, Israelfoɔ no dii Awurade ɔhyɛ nsɛm a ɔde maa Mose no so. Wɔbɔɔ ntonto kronkron, nam so yiyii saa nkuro yi ne adidibea a ɛkeka ho maa Lewifoɔ.
9 Dia nomeny avy tamin’ ny firenena taranak’ i Joda sy ny firenena taranak’ i Simeona ireto tanàna hotononina ireto,
Israelfoɔ no de saa nkuro a ɛyɛ Yuda ne Simeon mmusuakuo no dea no
10 izay azon’ ny taranak’ i Arona, isam-pokon’ ny taranak’ i Kehata, amin’ ny taranak’ i Levy; fa azy ny loka voalohany.
maa Aaron asefoɔ a wɔfra Kohat abusua mu na ɛka Lewi abusuakuo ho no, ɛfiri sɛ, ntonto kronkron a ɛdi ɛkan no bɔɔ wɔn.
11 Dia nomeny azy ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany), any amin’ ny tany havoan’ i Joda, mbamin’ ny tany manodidina azy.
Kiriat-Arba a (wɔfrɛ no Hebron), a ɛwɔ Yuda bepɔ asase so ne ɛho adidibea. (Arba yɛ Anak tete agya.)
12 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
Nanso, nsase ne nkuraaseɛ a atwa kuro no ho ahyia no deɛ, wɔde maa Yefune babarima Kaleb.
13 Dia nomeny ny taranak’ i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
Nkuro a ɛdidi soɔ yi ne wɔn adidibea no, wɔde maa ɔsɔfoɔ Aaron asefoɔ: Hebron, (dwanekɔbea Kuropɔn), Libna,
14 ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,
Yatir, Estemoa,
15 ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,
Holon, Debir,
16 ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin’ ireo firenena roa ireo;
Ain, Yuta ne Bet-Semes a ɛyɛ nkurotoɔ nkron a wɔnya firii saa mmusuakuo mmienu yi nkyɛn.
17 ary avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy
Wɔfiri Benyamin abusuakuo mu de saa nkuro yi ne adidibea a atwa ho ahyia no maa asɔfoɔ: Gibeon, Geba,
18 ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.
Anatot, Almon—a ɛyɛ nkurotoɔ ɛnan.
19 Ny tanàna rehetra an’ ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
Enti, nkurotoɔ dumiɛnsa na wɔde maa asɔfoɔ a wɔyɛ Aaron asefoɔ no.
20 Ary ny amin’ ny taranak’ i Rehata, dia ny Levita sisa tamin’ ny taranak’ i Kehata, ny tanàna azony tamin’ ny filokana dia avy tamin’ ny firenen’ i Efraima.
Kohat abusua nkaeɛfoɔ a wɔfiri Lewi abusuakuo mu no nso, wɔde saa nkuro yi ne adidibea a ɛfiri Efraim abusua nkyɛn maa wɔn:
21 Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy
Sekem, (dwanekɔbea kuropɔn), Geser.
22 ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
Kibsaim ne Bet-Horon, a ɛyɛ nkurotoɔ ɛnan.
23 ary avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy.
Saa nkuro ne adidibea yi nso, wɔde maa asɔfoɔ a wɔfiri Dan abusuakuo mu: Elteke ne Gibeton,
24 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
Ayalon ne Gat-Rimon, ɛyɛ nkurotoɔ ɛnan.
25 ary avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanàna roa.
Manase abusuakuo fa no de saa nkuro ne wɔn adidibea maa asɔfoɔ no: Taanak ne Gat-Rimon, ɛyɛ nkurotoɔ mmienu.
26 Ny tanàna rehetra azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.
Enti, nkuro edu ne wɔn adidibea na wɔde maa Kohat abusua nkaeɛ no.
27 Ary izao no azon’ ny taranak’ i Gersona isan’ ny fokon’ ny Levita; avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;
Gerson abusua a wɔyɛ Lewi abusuakuo no fa bi no nso, wɔnyaa nkuro mmienu ne wɔn adidibea firii Manase abusua fa no nkyɛn. Nkuro no ne Golan a ɛwɔ Basan (dwanekɔbea kuropɔn) ne Beestra.
28 ary avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy,
Isakar abusuakuo no nso maa wɔn: Kision, Daberat,
29 ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
Yarmut ne En-Ganim, nkurotoɔ ɛnan a wɔn adidibea ka ho.
30 ary avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
Aser abusuakuo no maa Misal, Abdon,
31 ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny ràny manodidina azy, dia tanàna efatra;
Helkat ne Rehob, a ɛyɛ nkurotoɔ ɛnan a wɔn adidibea ka ho.
32 ary avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy, dia tanàna telo.
Naftali abusuakuo no maa wɔn Kedes a ɛwɔ Galilea (dwanekɔbea kuropɔn), Hamot-Dor ne Kartan nkuro mmiɛnsa ne wɔn adidibea.
33 Ny tanàna rehetra an’ ny Gersonita isam-potony dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
Enti, nkuro dumiɛnsa ne ɛho adidibea na wɔde maa Gerson mmusua no.
34 Ary izao no azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, izay Levita sisa: avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,
Lewifoɔ nkaeɛ a wɔyɛ Merari abusua no nso, wɔnyaa saa nkuro yi a ɛfiri Sebulon abusuakuo nkyɛn: Yokneam, Karta,
35 ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
Dimna ne Nahalal—nkurotoɔ ɛnan ne ɛho adidibea.
36 ary avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy,
Ruben abusuakuo no nso maa wɔn Beser, Yahas,
37 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
Kedemot ne Mefaat—nkurotoɔ ɛnan ne wɔn adidibea.
38 ary avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
Gad abusuakuo no maa wɔn Ramot a ɛwɔ Gilead (dwanekɔbea kuropɔn), Mahanaim,
39 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra.
Hesbon ne Yaser, nkurotoɔ ɛnan ne ho adidibea.
40 Ny tanàna rehetra an’ ny taranak’ i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin’ ny fokon’ ny Levita, dia tanàna roa ambin’ ny folo no loka azony.
Enti, nkurotoɔ dumienu na wɔde maa Merari abusua.
41 Ny tanàna rehetra an’ ny Levita teo anatin’ ny lovan’ ny Zanak’ Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny tany manodidina azy avy.
Nkuro dodoɔ ne ɛho adidibea a na ɛwɔ Israelman mu a wɔde maa Lewifoɔ no nyinaa yɛ aduanan nwɔtwe.
42 Ireo tanàna ireo samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna rehetra ireo.
Na kuro biara wɔ adidibea da ho.
43 Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
Enti, Awurade de nsase a ɔkaa ho ntam sɛ ɔde bɛma wɔn agyanom no maa Israelfoɔ no, na wɔdii so nkonim, tenaa hɔ.
44 Dia nomen’ i Jehovah fitsaharana amin’ ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin’ ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr’ i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.
Na Awurade ma wɔnyaa ahomeɛ wɔ afanan nyinaa, sɛdeɛ ɔhyɛɛ wɔn agyanom bɔ no. Wɔn atamfoɔ biara antumi annyina wɔn anim, ɛfiri sɛ, Awurade boaa wɔn ma wɔdii wɔn atamfoɔ so nkonim.
45 Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
Bɔhyɛ pa biara a Awurade hyɛɛ Israel no nyinaa baa mu.