< Josoa 21 >
1 Ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita dia nanatona an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely
To, a lokacin, sai shugabannin iyalan Lawiyawa suka je wurin Eleyazar firist, Yoshuwa ɗan Nun da kuma shugabannin sauran iyalan kabilu na Isra’ila a
2 ka niteny taminy tao Silo tao amin’ ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an’ i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an’ ny biby fiompinay.
Shilo cikin Kan’ana, suka ce musu, “Ubangiji ya yi umarni ta wurin Musa cewa a ba mu garuruwan da za mu zauna a ciki, da wurin kiwo mai kyau don dabbobinmu.”
3 Dia avy tamin’ ny lovany no nanomezan’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin’ i Jehovah.
Saboda haka kamar yadda Ubangiji ya umarta, sai Isra’ilawa suka ba wa Lawiyawa waɗannan garuruwa da wuraren kiwo daga cikin gādonsu.
4 Dia nahazo loka ny fokon’ ny Kehatita; ary ny loka azon’ ny taranak’ i Arona mpisorona isan’ ny Levita dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny firenen’ i Joda sy ny firenen’ i Simeona ary ny firenen’ i Benjamina.
Ƙuri’a ta farko ta fāɗa a kan Kohatawa bisa ga iyalansu. Sai aka ba wa Lawiyawa waɗanda suke’yan zuriyar Haruna, firist, garuruwa goma sha uku daga kabilan Yahuda, Simeyon da Benyamin.
5 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ i Efraima sy ny firenen’ i Dana ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
Sauran Kohatawan kuma aka ba su garuruwa goma daga iyalan kabilar Efraim, Dan da kuma rabi kabilar Manasse.
6 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Gersona dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ Isakara sy ny firenen’ i Asera sy ny firenen’ i Naftaly ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase any Basana.
Aka kuma ba wa zuriyar Gershon garuruwa goma sha uku daga iyalan kabilan Issakar, Asher, Naftali, da kuma rabin kabilar Manasse a Bashan.
7 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin’ ny folo, avy tamin’ ny firenen’ i Robena sy ny firenen’ i Gada ary ny firenen’ i Zebolona.
Aka ba wa zuriyar Merari bisa ga iyalansu, garuruwa goma sha biyu daga kabilan Ruben, Gad da Zebulun.
8 Dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita tamin’ ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy.
Haka Isra’ilawa suka ba wa Lawiyawa waɗannan garuruwa da wuraren kiwo masu kyau, yadda Ubangiji ya umarta ta wurin Musa.
9 Dia nomeny avy tamin’ ny firenena taranak’ i Joda sy ny firenena taranak’ i Simeona ireto tanàna hotononina ireto,
Daga kabilan Yahuda da Simeyon ne aka ba su waɗannan garuruwan da aka ambata,
10 izay azon’ ny taranak’ i Arona, isam-pokon’ ny taranak’ i Kehata, amin’ ny taranak’ i Levy; fa azy ny loka voalohany.
(ga garuruwan da aka ba wa zuriyar Haruna waɗanda suke daga iyalan Kohatawa na Lawiyawa, domin ƙuri’a ta farko ta fāɗa a kansu),
11 Dia nomeny azy ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany), any amin’ ny tany havoan’ i Joda, mbamin’ ny tany manodidina azy.
an ba su, Kiriyat Arba (wato, Hebron), da wurin kiwon da yake kewaye da ƙasar kan tudu ta Yahuda. (Arba shi ne kakan Anak.)
12 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
Amma sai aka ba Kaleb ɗan Yefunne filayen da kuma ƙauyukan da suke kewaye da birnin, su zama nasa.
13 Dia nomeny ny taranak’ i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
Sai aka ba zuriyar Haruna firist, ƙasar Hebron (garin masu neman mafaka don sun yi kisa), da Libna,
14 ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,
da Yattir, da Eshtemowa,
15 ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,
da Holon, da Debir,
16 ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin’ ireo firenena roa ireo;
da Ayin, da Yutta, da kuma Bet-Shemesh, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa tara ke nan daga kabilun nan biyu, Yahuda da Simeyon.
17 ary avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy
Daga kabilar Benyamin kuwa aka ba su, Gibeyon, Geba,
18 ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.
Anatot da Almon, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa huɗu ke nan.
19 Ny tanàna rehetra an’ ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
Duka-duka garuruwan firistoci, zuriyar Haruna, su goma sha uku ne tare da wuraren kiwonsu.
20 Ary ny amin’ ny taranak’ i Rehata, dia ny Levita sisa tamin’ ny taranak’ i Kehata, ny tanàna azony tamin’ ny filokana dia avy tamin’ ny firenen’ i Efraima.
Aka kuma ba wa sauran Kohatawa, iyalan Lawiyawa, garuruwa daga kabilar Efraim.
21 Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy
A ƙasar kan tudu ta Efraim, aka ba su, Shekem (garin masu neman mafaka don sun yi kisa) da Gezer,
22 ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
Kibzayim da Bet-Horon, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa huɗu ke nan.
23 ary avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy.
Haka kuma daga kabilar Dan, aka ba su, Elteke, Gibbeton,
24 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
Aiyalon da Gat-Rimmon, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa huɗu ke nan.
25 ary avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanàna roa.
Daga rabin kabilar Manasse kuwa aka ba su, Ta’anak da Gat-Rimmon, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa biyu ke nan.
26 Ny tanàna rehetra azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.
Dukan garuruwan nan goma tare da wuraren kiwonsu ne aka ba sauran iyalan Kohatawa.
27 Ary izao no azon’ ny taranak’ i Gersona isan’ ny fokon’ ny Levita; avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;
Aka ba wa zuriyar Gershon, waɗanda suke Lawiyawa, rabo. Daga rabin kabilar Manasse, Golan a cikin Bashan (garin masu neman mafaka don sun yi kisa), da Be’eshtera, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa biyu ke nan;
28 ary avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy,
daga kabilar Issakar kuma aka ba su Kishiyon, Daberat,
29 ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
Yarmut da En Gannim, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa huɗu ke nan;
30 ary avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
daga kabilar Asher kuwa aka ba su, Mishal, Abdon,
31 ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny ràny manodidina azy, dia tanàna efatra;
Helkat da Rehob, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa huɗu ke nan;
32 ary avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy, dia tanàna telo.
daga kabilar Naftali kuma aka ba su, Kedesh a cikin Galili (garin masu neman mafaka don sun yi kisa), Hammon-Dor da kuma Kartan, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa uku ke nan.
33 Ny tanàna rehetra an’ ny Gersonita isam-potony dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
Duka-duka, garuruwan iyalan Gershonawa goma sha uku ne, tare da wuraren kiwonsu.
34 Ary izao no azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, izay Levita sisa: avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,
Aka ba wa iyalan Merari (sauran Lawiyawa) garuruwa, daga kabilar Zebulun, wato, Yokneyam, Karta,
35 ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
Dimna da kuma Nahalal, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa huɗu ke nan;
36 ary avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy,
daga kabilar Ruben kuma aka ba su, Bezer, Yahza,
37 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
Kedemot da kuma Mefa’at, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa huɗu ke nan;
38 ary avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
daga kabilar Gad kuwa aka ba su, Ramot Gileyad (garin masu neman mafaka don sun yi kisa), Mahanayim,
39 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra.
Heshbon da kuma Yazer, tare da wuraren kiwonsu, garuruwa huɗu ke nan.
40 Ny tanàna rehetra an’ ny taranak’ i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin’ ny fokon’ ny Levita, dia tanàna roa ambin’ ny folo no loka azony.
Duka-duka garuruwan da aka ba iyalan mutanen Merari, waɗanda su ne sauran Lawiyawa, garuruwa goma sha biyu ne.
41 Ny tanàna rehetra an’ ny Levita teo anatin’ ny lovan’ ny Zanak’ Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny tany manodidina azy avy.
Jimillar birane da wurarensu na kiwon da aka ba Lawiyawa daga cikin mallakar jama’ar Isra’ila guda arba’in da takwas ne.
42 Ireo tanàna ireo samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna rehetra ireo.
Dukan garuruwan nan kowannensu yana kewaye da wurin kiwo.
43 Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
Ubangiji kuwa ya ba Isra’ilawa dukan ƙasar da ya yi wa kakanninsu alkawari, suka kuwa mallake ta, suka zauna a cikinta.
44 Dia nomen’ i Jehovah fitsaharana amin’ ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin’ ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr’ i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.
Ubangiji ya ba su hutawa a kowane gefe kamar yadda ya yi wa kakanninsu alkawari, ba ko ɗaya daga cikin abokan gābansu da ya iya cinsu da yaƙi.
45 Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
Ubangiji kuwa ya cika kowane alkawarin alherin da ya yi wa mutanen Isra’ila.