< Josoa 19 >

1 Ary ny loka faharoa dia azon’ i Simeona, dia ny firenena taranak’ i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ ny lovan’ ny taranak’ i Joda.
دومین قرعه به نام شمعون درآمد. زمین خاندانهای این قبیله، در داخل مرزهای زمین یهودا قرار داشت و شامل این شهرها می‌شد: بئرشبع، شبع، مولاده،
2 Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
3 sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
حَصَرشوعال، بالح، عاصم،
4 sy Eltolada sy Betola sy Horma
التولد، بتول، حرمه،
5 sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
صقلغ، بیت‌مرکبوت، حصرسوسه،
6 sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
بیت‌لباعوت و شاروحن، جمعاً سیزده شهر با روستاهای اطراف.
7 sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
عین، رمون، عاتر و عاشان، جمعاً چهار شهر با روستاهای اطراف
8 ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin’ ny tany atsimo. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Simeona araka ny fotony.
و تمام روستاهای اطراف این شهرها تا بعلت‌بئیر (که رامهٔ نگب هم گفته می‌شد). این بود زمینی که به خاندانهای قبیلهٔ شمعون داده شد.
9 Avy tamin’ ny anjaran’ ny taranak’ i Joda no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ ny taranak’ i Joda, ka izany no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona anjara tao anatin’ ny azy.
این زمین از سهمی بود که قبلاً برای قبیلهٔ یهودا تعیین گردیده بود، چون زمین سهم یهودا برای ایشان زیاد بود.
10 Ary ny loka fahatelo dia azon’ ny taranak’ i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin’ ny lovany dia hatrany Sarida,
سومین قرعه به نام زبولون درآمد. مرز زمین خاندانهای این قبیله از سارید شروع می‌شد
11 dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an’ i Dabeseta ka nihatra tamin’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ i Jokneama,
و به طرف مغرب تا مرعله و دباشه کشیده شده، به درهٔ شرق یُقنَعام می‌رسید.
12 dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
از طرف شرق سارید نیز تا حدود کسلوت تابور و از آنجا تا دابره و یافیع کشیده می‌شد.
13 dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an’ i Nea,
باز به طرف شرق امتداد یافته، به جت حافر و عت قاصین کشیده می‌شد، سپس از رمون گذشته، به نیعه می‌رسید.
14 dia niolaka eo avaratr’ iny ka nahazo an’ i Hanatona, dia nihatra tamin’ ny lohasaha Jifta-ela.
این خط مرزی در شمال، به طرف حناتون برمی‌گشت و به درهٔ یفتح‌ئیل منتهی می‌شد.
15 Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
شهرهای قطه، نهلال، شمرون، یِدَلَه و بیت‌لحم نیز جزو ملک قبیلهٔ زبولون بودند. جمعاً دوازده شهر با روستاهای اطرافشان به خاندانهای قبیلهٔ زبولون تعلق گرفت.
16 Izany no lovan’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
17 Ary ny loka fahefatra dia azon’ Isakara, dia ny taranak’ Isakara isam-pokony.
چهارمین قرعه به نام یساکار برحسب خاندانهایشان درآمد. شهرهای خاندانهای این قبیله عبارت بودند از: یزرعیل، کسلوت، شونم،
18 Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
19 sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
حفارایم، شی‌ئون، اناحره،
20 sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
ربیت، قشیون، آبص،
21 sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
رمه، عین‌جنیم، عین‌حده و بیت‌فصیص.
22 Ary ny fari-taniny dia nahazo an’ i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
خط مرزی قبیلهٔ یساکار از شهرهای تابور، شحصیمه و بیت‌شمس می‌گذشت و به رود اردن منتهی می‌شد. جمعاً شانزده شهر با روستاهای اطرافشان به خاندانهای قبیلهٔ یساکار تعلق گرفت.
23 Izany no lovan’ ny firenena taranak’ Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
24 Ary ny loka fahadimy dia azon’ ny firenena taranak’ i Asera isam-pokony.
پنجمین قرعه به نام اشیر درآمد. شهرهای خاندانهای این قبیله عبارت بودند از: حلقه، حلی، باطَن، اکشاف،
25 Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
26 sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
الملک، عمعاد و مش‌آل، خط مرزی قبیلهٔ اشیر در غرب، به طرف کرمل و شیحور لبنه کشیده می‌شد
27 dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
و از آنجا به سمت مشرق به طرف بیت‌داجون می‌پیچید و به زبولون و درهٔ یفتح‌ئیل می‌رسید. از آنجا به طرف شمال به سوی بیت‌عامق و نعی‌ئیل امتداد یافته از شرق کابول می‌گذشت.
28 ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
سپس از حبرون، رحوب، حمون، قانه و صیدون بزرگ می‌گذشت.
29 dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina teo akaikin’ ny tany Akziba
سپس این خط مرزی به طرف رامه می‌پیچید و به شهر حصاردار صور می‌رسید و باز به طرف شهر حوصه پیچیده در ناحیۀ اکزیب به دریای مدیترانه منتهی می‌شد.
30 ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
عمه، عفیق و رحوب نیز جزو ملک اشیر بودند. جمعاً بیست و دو شهر با روستاهای اطرافشان به خاندانهای قبیلهٔ اشیر برحسب خاندانهایشان تعلق گرفت.
31 Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
32 Ary ny loka fahenina dia an’ ny taranak’ i Naftaly isam-pokony.
ششمین قرعه به نام نفتالی درآمد. خط مرزی زمین خاندانهای این قبیله از حالف شروع می‌شد و از بلوطی که در صعنیم است گذشته، در امتداد ادامی، ناقب و یبن‌ئیل به لقوم می‌رسید و از آنجا به رود اردن منتهی می‌شد.
33 Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin’ ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an’ i Jordana,
34 dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an’ i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron’ i Jordana eo atsinanana.
این خط مرزی در غرب به سمت ازنوت تابور می‌پیچید و از آنجا به طرف حقوق پیش می‌رفت. زمین نفتالی با زبولون در جنوب، با اشیر در غرب و با رود اردن در شرق هم مرز می‌شد.
35 Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
شهرهای حصارداری که در زمین نفتالی واقع شده بودند از این قرارند: صدیم، صیر، حَمَت، رَقَت، کنارت،
36 sy Adama sy Rama sy Hazora
ادامه، رامه، حاصور،
37 sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
قادش، ادرعی، عین‌حاصور،
38 sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
یَرون، مجدل‌ئیل، حوریم، بیت‌عنات و بیت‌شمس. جمعاً نوزده شهر با روستاهای اطرافشان به خاندانهای قبیلهٔ نفتالی تعلق گرفت.
39 Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
40 Ary ny loka fahafito dia an’ ny firenena taranak’ i Dana isam-pokony.
هفتمین قرعه به نام دان درآمد. شهرهای خاندانهای این قبیله عبارت بودند از: صرعه، اِشتائُل، عیرشمس،
41 Ary ny fari-tanin’ ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
42 sy Salabima sy Aialona sy Jitla
شَعَلبین، اَیَلون، یتله،
43 sy Elona sy Timna sy Ekrona
الون، تمنه، عقرون،
44 sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
اَلتَقیت، جِبَتون، بعله،
45 sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
یهود، بنی‌برق، جت‌رمون،
46 sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin’ i Jopa.
میاه‌یرقون، رقون و همچنین زمین مقابل یافا.
47 Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’ i Dana, dia niady tamin’ i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’ i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’ i Dana rainy.
(ولی زمینی که برای قبیلهٔ دان تعیین شد، برای ایشان کافی نبود. پس قبیلهٔ دان به شهر لَشَم در شمال حمله برده، آن را تصرف نمودند و اهالی آنجا را قتل عام کردند. سپس در آنجا ساکن شدند و نام جد خویش، دان را بر آن شهر نهادند.)
48 Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
این شهرها و روستاهای اطرافشان به خاندانهای قبیلهٔ دان تعلق گرفت.
49 Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak’ i Nona.
پس از اینکه زمینها میان قبایل اسرائیل تقسیم شد و حدود هر کدام تعیین گردید، قوم اسرائیل مطابق دستور خداوند، به یوشع ملکی پیشنهاد کردند و او تمنه سارح را که در میان کوهستان افرایم واقع شده بود برای خود برگزید و آن را دوباره بنا کرد و در آن ساکن شد.
50 Araka ny tenin’ i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin’ ny tany havoan’ i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
51 Ireo no lova izay nozarain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
به این ترتیب، قرعه‌کشی و تقسیم زمین بین قبایل اسرائیل در شیلوه، جلوی دروازهٔ خیمهٔ ملاقات انجام شد. در این قرعه‌کشی که در حضور خداوند برگزار گردید، العازار کاهن، یوشع و سران قبایل حاضر بودند و نظارت می‌کردند.

< Josoa 19 >