< Josoa 16 >
1 Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,
Un tā tiesa Jāzepa bērniem tapa nomeslota no Jardānes pret Jēriku, pie Jērikus ūdeņiem pret rītiem, tas tuksnesis, kas no Jērikus stiepjas caur Bēteles kalniem
2 dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ ny fari-tanin’ ny Arkita hatrany Atarota,
Un iznāk no Bēteles uz Lūzu un tek caur Arķiešu robežām līdz Atarotai,
3 dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ ny Jafletita ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.
Un noiet pret vakara pusi uz Javletes robežām līdz Lejas-Bet-Oronas robežām un līdz Gazerai, un viņas gals stiepjas līdz jūrai.
4 Dia azon’ i Manase sy Efraima, taranak’ i Josefa, ny lovany.
Tā Jāzepa bērni, Manasus un Efraīms, savu daļu dabūjuši.
5 Ary ny amin’ ny fari-tanin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin’ ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
Un Efraīma bērnu robeža pēc viņu radiem ir šī: viņu daļas robeža bija pret rītiem Atarot Ādara līdz Kalna-Bet-Oronai.
6 Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’ i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
Un tā robeža iznāk no vakara puses gar Miķmetu pa ziemeļa pusi, un šī robeža griežas pret rītiem uz Taēnat Šīlo un iet caur viņu uz rīta pusi līdz Janoai,
7 dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin’ i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
Un notek no Janoas uz Atarotu un Naāratu, un stiepjas uz Jēriku un iznāk pie Jardānes.
8 Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Kana, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Efraima araka ny fokony,
No Tapuas tā robeža stiepjas pret vakara pusi uz Kānas upi, un viņas gals ir pie jūras. Šī ir Efraīma bērnu cilts daļa pēc viņu radiem.
9 mbamin’ ny tanàna natokana ho an’ ny taranak’ i Efraima teo amin’ ny lovan’ ny taranak’ i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ ny zana-bohiny.
Un tās pilsētas, kas bija atšķirtas priekš Efraīma bērniem, bija Manasus bērnu daļas vidū, visas tās pilsētas un viņu ciemi.
10 Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
Un tie neizdzina tos Kanaāniešus, kas Gazerā dzīvoja, tā Kanaānieši dzīvoja Efraīma vidū līdz šai dienai un palika par klausītājiem.