< Josoa 15 >

1 Ary izao no anjaran’ ny firenena taranak’ i Joda tamin’ ny filokana araka ny fokony: hatramin’ ny fari-tanin’ i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran’ ny faritany atsimo.
An raba wa kabilar Yahuda gādonsu ta wurin yin ƙuri’a, bisa ga iyalansu, rabon ya kai har zuwa sashen Edom, zuwa Jejin Zin can kurewar kudu.
2 Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira, dia hatramin’ ny helo-drano atsimo,
Iyakarsu a kudanci ta tashi tun daga kurewar kudu na Tekun Gishiri,
3 dia nandroso hatrany atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon’ i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
zuwa kudancin Hanyar Kunama, ta ci gaba har zuwa Zin, zuwa kudancin Kadesh Barneya. Sa’an nan ta kurɗa zuwa Hezron har zuwa Addar, ta kuma karkata zuwa Karka.
4 dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak’ i Egypta, ary dia nihatra tamin’ ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
Sai ta wuce zuwa Azmon ta haɗu da Rafin Masar, ta ƙarasa a Bahar Rum. Wannan shi ne iyakarsu ta kudu.
5 Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin’ ny faran’ i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin’ ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny helo-drano eo amin’ ny faran’ i Jordana,
Iyakarsu ta gabas kuwa ita ce Tekun Gishiri wadda ta zarce har zuwa gaɓar Urdun. Iyakarsu ta arewa ta fara ne daga Tekun Gishiri a bakin Urdun,
6 dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr’ i Bet-araba, dia niakatra hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
wajen Bet-Hogla ta wuce har zuwa arewancin Bet-Araba, zuwa Dutsen Bohan ɗan Ruben.
7 dia niakatra ho any Debira hatramin’ ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an’ i Gilgala tandrifin’ ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon’ ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin’ ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
Sai iyakar ta haura zuwa Debir daga Kwarin Akor ta juya arewa da Gilgal, wadda take fuskantar hawan Adummim a kudancin kwari, ta ci gaba zuwa ruwan En Shemesh, ta ɓullo ta En Rogel.
8 dia niakatra teo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, ho eo anilany atsimon’ ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan’ i Hinoma eo andrefany, amin’ ny farany avaratry ny Lohasahan’ ny Refaïta,
Sai kuma ta gangara zuwa Kwarin Ben Hinnom a gangaren kudancin birnin Yebusiyawa (wato, Urushalima). Daga can ta haura zuwa kan tudun a yammancin Kwarin Hinnom, a arewancin ƙarshen Kwarin Refayim.
9 dia nizotra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra ka nihatra tamin’ ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
Daga kan tudun, iyakar ta nufi maɓulɓular ruwa na Neftowa, ta ɓullo a garuruwan da suke a Dutsen Efron, ta gangara zuwa Ba’ala (wato, Kiriyat Yeyarim).
10 dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin’ ny tendrombohitra Seïra ka nandroso hatramin’ ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
Sa’an nan ta karkata yamma daga Ba’ala zuwa Dutsen Seyir, ta wuce ta gangaren Dutsen Yeyarim (wato, Kesalon), ta ci gaba zuwa Bet-Shemesh, ta bi zuwa Timna.
11 dia nihatra tamin’ ny lafiny avaratr’ i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin’ ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin’ i Jabniela, ary dia nihatra tany amin’ ny ranomasina.
Ta wuce zuwa gangaren arewancin Ekron, ta juya zuwa Shikkeron, ta wuce zuwa Dutsen Ba’ala, ta kai Yabneyel, iyakarta ta ƙare a teku.
12 Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony.
Bakin Bahar Rum nan ne iyakar yammanci. Wannan ita ce iyakar da ta kewaye jama’ar Yahuda bisa ga iyalansu.
13 Ary Kaleba, zanak’ i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ ny taranak’ i Joda, araka ny didin’ i Jehovah tamin’ i Josoa, dia ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany).
Yoshuwa ya ba Kaleb ɗan Yefunne wuri a Yahuda, Kiriyat Arba, wato, Hebron, bisa ga umarnin Ubangiji. (Arba shi ne mahaifin Anak.)
14 Dia noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
Daga can sai Kaleb ya kori’ya’yan Anak, maza su uku daga Hebron, wato, Sheshai, Ahiman da Talmai.
15 Dia niakatra avy tao izy hankany amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).
Daga can ya nufi Debir ya yi yaƙi da mutanen da suke zama a can (Dā sunan Debir, Kiriyat Sefer ne).
16 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
Kaleb ya ce, “Zan ba da’yata Aksa aure ga wanda zai ci Kiriyat Sefer da yaƙi.”
17 Ary Otniela, zanak’ i Kenaza, rahalahin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
Otniyel ɗan Kenaz, ɗan’uwan Kaleb, ya ci Kiriyat Sefer da yaƙi; saboda haka Kaleb ya ba wa Aksa’yarsa, ya kuwa aure ta.
18 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
Wata rana da ta zo wurin Otniyel, sai ya zuga ta ta roƙi mahaifinta fili. Da ta sauka daga kan jakinta sai Kaleb ya tambaye ta ya ce, “Me kike so in yi miki?”
19 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
Ta amsa ta ce, “Ka yi mini alheri na musamman, tun da ka ba ni wuri a Negeb, ina roƙonka, ka ba ni maɓulɓulan ruwa.” Kaleb kuwa ya ba ta maɓulɓulan ruwa na tuddai da na kwari.
20 Izao no lovan’ ny firenena taranak’ i Joda araka ny fokony:
Wannan shi ne gādon kabilar Yahuda bisa ga iyalansu.
21 Ny tanàna farany amin’ ny firenena taranak’ i Joda, eo akaikin’ ny fari-tanin’ i Edoma amin’ ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
Garuruwan kabilar Yahuda da suke kudu cikin Negeb zuwa iyakar Edom su ne. Kabzeyel, Eder, Yagur,
22 sy Kina sy Dimona sy Adada
Kina, Dimona, Adada,
23 sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
Kedesh, Hazor, Itnan,
24 sy Zifa sy Talema sy Bealota
Zif, Telem, Beyalot,
25 sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
Hazor-Hadatta, Keriyot Hezron (wato, Hazor),
26 sy Amama sy Sema sy Molada
Amam, Shema, Molada,
27 sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
Hazar Gadda, Heshmon, Bet-Felet,
28 sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
Hazar Shuwal, Beyersheba, Biziyotiya,
29 sy Bala sy Ie sy Azema
Ba’ala, Iyim, Ezem,
30 sy Eltolada sy Kesila sy Horma
Eltolad, Kesil, Horma,
31 sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
Ziklag, Madmanna, Sansanna,
32 sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
Lebayot, Shilhim, Ayin, Rimmon, jimillarsu, garuruwa da ƙauyukansu duka ashirin da tara ne.
33 Ary teo amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
Biranen da suke a filayen kwari su ne, Eshtawol, Zora; Ashna,
34 sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
Zanowa, En Gannim, Taffuwa, Enam,
35 sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
Yarmut, Adullam, Soko, Azeka,
36 sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
Sha’arayim, Aditayim, Gedera (Gederotayim ke nan). Garuruwa goma sha huɗu ke nan da ƙauyukansu.
37 ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
Zenan, Hadasha, Migdal Gad,
38 sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
Dileyan, Mizfa, Yokteyel,
39 sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
Lakish, Bozkat, Eglon,
40 sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
Kabbon, Lahman, Kitlish,
41 sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
Gederot, Bet-Dagon, Na’ama, Makkeda, garuruwa goma sha shida ke nan da ƙauyukansu.
42 Libna sy Atera sy Asana
Libna, Eter, Ashan,
43 sy Jifta sy Asna ary Neziba
Yefta, Ashna, Nezib,
44 sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
Keyila, Akzib, Maresha, garuruwa tara ke nan da ƙauyukansu.
45 Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
Ekron da ƙauyukan da suke kewaye da ita;
46 hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’ i Asdoda, sy ny zana-bohitr’ ireo,
yammancin Ekron da dukan garuruwa da ƙauyukan da suke kusa da Ashdod.
47 Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.
Ashdod da garuruwa da kuma ƙauyukan da suke kewaye da ita, Gaza da garuruwanta da ƙauyukanta har zuwa Rafin Masar da kuma Bahar Rum.
48 Ary tany amin’ ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
Birane na cikin ƙasar tuddai kuwa, su ne, Shamir, Yattir, Soko,
49 sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
Danna, Kiriyat Sanna (wato, Debir),
50 sy Anaba sy Estemo sy Anima
Anab, Eshtemo, Anim,
51 sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
Goshen, Holon, Gilo, garuruwa goma sha ɗaya ke nan da ƙauyukansu.
52 Araba sy Doma sy Esana
Arab, Duma, Eshan,
53 sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
Yanum, Bet-Taffuwa, Afeka,
54 sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
Humta, Kiriyat Arba (wato, Hebron) da Ziyor, garuruwa tara ke nan da ƙauyukansu.
55 Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
Mawon, Karmel, Zif, Yutta
56 sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
Yezireyel, Yokdeyam, Zanowa,
57 sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
Kayin, Gibeya, Timna, garuruwa goma ke nan da ƙauyukansu.
58 sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
Halhul, Bet-Zur, Gedor,
59 sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
Ma’arat, Bet-Anot, Eltekon, garuruwa shida ke nan da ƙauyukansu.
60 sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
Kiriyat Ba’al (wato, Kiriyat Yeyarim) da Rabba, garuruwa biyu ke nan da ƙauyukansu.
61 Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midìna sy Sekaka
Biranen da suke a jeji kuwa su ne, Bet-Araba, Middin, Sekaka,
62 sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.
Nibshan, Birnin gishiri da En Gedi, garuruwa shida ke nan da ƙauyukansu.
63 Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
Kabilar Yahuda kuwa ba su iya korar Yebusiyawa waɗanda suke zama cikin Urushalima ba; har wa yau Yebusiyawa suna nan zaune tare da mutanen Yahuda.

< Josoa 15 >